· Oktobra, 2007

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2007

Myanmar : Ny Aterineto sy ireo Mpanokantena

  29 Oktobra 2007

Ny blaogy Sacred Media Cow dia manazava fa ny figejan'ny fitondrana jadona ara-miaramila ny Aterineto dia mety ho nanampy tsy an-pidiny ireo Mpanokantena Birmana : « The little fragments of information that did manage to get through got elevated to a level of ennunciative power that would not have existed...

Korea: Efitra fanovozam-baovao sy fahafahan'ny gazety

  24 Oktobra 2007

Nanapa-kevitra ny hanakatona ny Efitra Fanovozam-baovao ho an’ny Haino aman-jery araka ny efa nolazainy mialoha ny governemanta Koreana Tatsimo ny 12 oktobra lasa teo. Nanohitra izany tamin’ny heriny manontolo ny mpanao gazety ary nanasokajy io tranga io ho any amin’ny fahafahan’ny mpanao gazety Koreana ny Gazety iraisam-pirenena. Ahoana hoy ny...

Malayzìa : Toerana tena tranainy any akaikin'i Penang

  20 Oktobra 2007

Ny blaogy South East Asian Archeology dia mitarika antsika hitsidika toerana iray ao akaikin'i Penang any Malazìa izay mbola tranainy koa aza noho ireo tempolin'i Angkor izay tena fanta-daza any Kambôdza. The settlement in the Bujang Valley dates as far back as the 5th century, and as I was in...

Ny rap’ny mpampianatra Feng Shui

  19 Oktobra 2007

Kevin, mpitoraka bilaogy, dia namoaka anterineto horonan-tsarin-kira rap roa momba ny Feng Shui sy mpampianatra feng shui roa, Mak Ling Ling sy So Man Fung (sinoa). Ny Feng Shui dia taranjan’ny maritrano, ny lamin’ny fanaka anatiny, sy ny faminaniana ny ho avy. Ireo mpampianatra feng shui ireo taloha dia olona tsotra...

Shina : Manoina ireo mpiblaogy taorian'ny fanakanana an'i Youtube

  19 Oktobra 2007

Ny mpiblaogy Kenneth Tan dia nanambatra ao amin'ny blaogy Shangaiist [Anglisy] izay mety ho lahantsoratry ny mpiblaogy naterak'ity fanakanana an'i Youtube any Shina ity. [Ity dia mbola tohin’ilay lahantsoratra efa notaterina teto ihany : Youtube voasakana] Oiwan Lam

Japàna : Fiteny sy vakoka

  19 Oktobra 2007

Mety tena afaka mianatra tenim-bahiny sady mijanona tsy mahalala n'inoninona akory momba ny vakoka manodidina izany fiteny izany ve ? Mahaliana ny adihevitra nateraky ny lohahevitry ny mpiblaogy Ampontan [Anglisy]. Oiwan Lam

Shina : Youtube voasakana

  19 Oktobra 2007

Toa voasakana tsy ho hitan'ireo mpampiasa aterineto avy any Shina tokoa i Youtube raha ny filazan'ireo vavolombelona maro sady samihafa fihaviana. Ny mpiblaogy Ken Wong [Shinoa Zh] dia manamarika fa ity fanakanana ity dia nipoitra fotoana fohy (iray andro monja) taorian'ny nivoahan'ny Youtube amin'ny fiteny nentim-paharazana Shinoa. Ny blaogy Transpacifica...

Pejy manokana momba ilay fanoheran’ny Birmana 2007

  16 Oktobra 2007

Tsy dia mahazatra loatra izany hoe ny mpibilaogy no loharano fototra tamin’ny fitantaram-baovao. Ny fihetsiketsehana farany tany Myanmar iny dia tsy ho nahoraka loatra raha tsy teo ireo olona maromaro na tao anatiny na tany ivelan’ny firenena nanao vivery ny ainy mihitsy hanapariaka ny vaovao, ny saripika ary ny rakitsarimiaina...

Myanmar : Ezaka fanalam-baraka ireo mpanokatena

  13 Oktobra 2007

Ny blaogy New Mandala [Anglisy] dia manome rohy amin'ny lahantsoratra izay navoaky ny gazety Birmana fehezin'ny fitondrana jadona miaramila izay miezaka manala-baraka ireto mpanokatena. Tsahivina fa ireo mpanokatena ireo no tena loha-laharana tamin'ny fikomiana izay nitranga tany an-toerana. « Misy vehivavy matory ao anaty trano fonen'ireto mpanokatena sady nahatrarana koa...