· Septambra, 2007

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Septambra, 2007

Myanmar: Mifampitifitra ny miaramila

  29 Septambra 2007

Nametraka rohy milaza ny vaovao avy any Myanmar i Yangon Thu (avy tamin'i Mizimma ao Birmanie na Myanmar ihany) fa misy mifampitifitra ny samy ao amin'ny tafika. Voalaza koa fa misy andia-tafika avy ao afovoan'i Myanmar sy avy any atsimo atsinanana no mizotra ho any Rangoon renivohitra. Mihabetsaka ny tsaho...

Japàna: Mpaka saringajety Japoney maty tany Myanmar

  28 Septambra 2007

Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 27 Septambra, dia maty noho ny tifitra ny mpaka saringajety Nagai Kenji raha mbola teo am-panaovana ny asany izy ka nitatitra ireo zava-mitranga any Myanmar. Tamin'ny voalohany aloha ny tatitra dia nanambara fa mety ho « bala tsinahy » no nahakasika an'i Nagai, raha nanomboka nitifitra...

Myanmar ny andron'ny 26 septambra

  28 Septambra 2007

Namoaka sarimihetsika roa ilay mpampiasa YouTube dennisbier09 ary nanoratra : Ny sary faharoa dia mampiseho ny mpitoka-monina sy ny olom-pirenena eo ampihetsiketsehana hanoherana ny fitondrana jadon’i Birmania (Myanmar). Nalaina tao an-drenivohitra Yagon (Rangoon) ny alatsinainy 24 septambra 2007 tolakandro tao anaty orana ny sary.   Awzar Thi kosa nanangona ny sarim-pihetsiketsehana...

Sina : Toeram-pitrandrahana Saribao Ankalamanjana

  26 Septambra 2007

Ny Bilaogin'i Tempoly Tigra, dia namoaka fanadihadihana mikasika ny toeram-pitrandrahana saribao an-kalamanjana ao Shanbei. Ireo lavaka nateraky fitrandrahana dia nanova tanteraka ny endrik'ilay toerana. Ny tatitra dia amin'ny teny sinoa, saingy mirakitra sary maro samihafa mety hahaliana anao. Oiwan Lam 

Korea: Ny toetra araka ny sokajindra

  24 Septambra 2007

Manambara ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’Yonsei fa vao nahatontosa fikarohana manaporofo fa samihafa araka ny sokajin-dra ny toetra manokana mahaizy ny olona iray (personality). Niorina tamina volavolam-pikarohana 50 mikasika ny karazana sokajin-dran’ny mpianatra teratany sy vahiny, noraisin-dry zareo hanampy (isa) ny valim-pikarohana ihany koa ny tranga hafa re sy ny...

HongKong: GazetyBoky vetaveta sy Baiboly Vetaveta

  21 Septambra 2007

Nosokafan’ny olo-tsy fantatra  tamin’ny 15 may tao amin’ny tranonkala truthbible (baiboly tena izy) ny fanenjehana ny Baiboly ho enti-manohitra ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny lahatsoratra tsy fampiseho masoandro (ang. Obscene  Articles Tribunal’s na OAT) manambara fa tsy mendrika ny laharana roa navoakan’ny gazetin’ny mpianatry ny Oniversitey Shinoa.  Hatramin’izao [20...

Shina: Very Saina Ve i Crazy English e?

  19 Septambra 2007

Toeram-pampianarana tsy miankina mampirisika fomba fampianarana teny anglisy vaovao ny sekoly Crazy English naorin’I Li Yang; izany hoe, manadino amin’izay ny fehezanteny anglisy tranainy ary mitady araka izay azo atao ny fomba ahafahana miresaka amina mpiteny anglisy iray, ary manifika amin’ny fomba rehetra ny fahamenarana ihany koa ao anatin’izany. Asaina...

Thailand: Fiaramanidina nianjera tao Phuket

  17 Septambra 2007

Manoratra momba ilay fiaramanidina nianjera tao amin'ny seranan'i Phuket androany tolakandro ny mpitoraka blaogin'i Thailand. Phuket dia toerana fizahantany be olona tokoa ary tian'ny mpizahatany na avy any ivelany na avy ao an-toerana amin'ny moron-dranomasiny. Tonga avy any Bangkok ity zotra OG269, izay tantanan'ny budget airline, ity ary nitondra mpandeha...

Shina: Ny vaovao mampidi-doza

  12 Septambra 2007

Nadikan'i William Long  avy amin'ny teny shinoa ho amin'ny teny anglisy ny atao hoe “vaovao mampidi-doza”. Notsoahiny avy amin'ny lalàna  [shinoa] fanaraha-maso ny tambazotram-pamoaham-baovao sy izay apetraka anaty aterineto (avy amin’ny teny anglisy manao hoe: “Computer Information Network and Internet Security, Protection and Management Regulations” ) ny tranga sivy famaritana azy...