The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Azia Atsinanana Tahiry Faritra

RSS ho an i Azia Atsinanana

2009-11-19

Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges

Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Misy fifandraisany ve ilay tohodrano sy ny haintany?

2009-11-13

Sina: Ranomandry vita sinoa

Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia nahazendana mponina maro. Nefa taoriana kely dia nitatitra ny haino aman-jery fa ny birao mpanova toetr'andro ao an-toerana no nanao ...

2009-11-06

Japana: Rehefa tsy salama ramatoa vadinao

Rehefa mifandona ny kolontsaina Japonein'ny “vahoakan'ny orinasa” (社蓄 shachiku) sy ny soatoavina ary ny lanjan'ny fanambadiana - maherin'ny 300 no olona namaly an'ity fanontaniana ity tao amin'ilay "forum"  goavana Hatsugen Komachi: Tokony hijanona tsy hiasa ve ny lehilahy rehefa marary ny vadiny? Tranga Nivady nandritra ny 8 taona i Rina ary manan-janaka ...

2009-11-02

Shina: Fanavaozam-pifidianana

Nanomboka niady hevitra ny amin'ny drafi-panavaozana ny lalam-pifidianana, mba hampitovy lanja ny vaton'ny any an-tanandehibe ny vaton'ny any ambanivohitra ny mpanao lalàna faratampony any Shina, ny Antenimieram-Pirenena entim-Bahoaka. Voapetraka hovakiana voalohany nandritra ny fivoriana fanao isan-droavolana faha-11 teo anivon'ny vaomiera maharitra tamin'ny herinandro teo ity volavolan-dalàna ity, izay mametraka fa ...

2009-10-27

Tao amin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indonezianaSary postVideo post

Nitsidika ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana na PestaBlogger 2009 izahay. Ity no fanintelony nanaovana ity fihaonana isan-taona ity. Avy any amin'ny vazantany efatra ao amin'ity firenena lehibe iray ity ny mpamaham-bolongana ka namonjy an'i Jakarta renivohitra, hankalaza, hiady hevitra ary hanala azy [hivory].

2009-10-25

Japana: ravan'ny antontan'isa farany ny anganon'ny fandrosoana

Japoney iray amin'ny enina no miaina ao anatin'ny fahantrana araka ny tatitra [teny anglisy] navoakan'ny minisiteran'ny raharaha sosialy. Araka ny antontan'isa navoakan'ny OCDE [en], dia manana ny iray amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra amin'ny tany mandroso i Japana ka fahaefatra aorian'i Meksika, Torkia ary i Etazonia. Tao amin'ny Flickr id: Ushio ...

2009-10-13

Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom PenhSary postVideo post

Nandray ny Barcamp Phnom Penh ny tontolo teknolojika Kambôjiana tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Ankoatra ny fahamaroan'ny mpanatrika avy ao an-toerana, dia nanintona mpandray anjara avy amin'ny firenena manodidina ihany koa ity Barcamp ity. Niresaka momba ny teknolojia sy ny hevitra hampiasana ny fitaovam-piseraserana avo lenta isan-karazany ho fampandrosoana ny mpandray anjara. Atolotra ho fahafinaretan'ny maso ho anao ny sary sy ny lahatsary tamin'io fotoana io.

2009-10-08

Indonezia: mavesatra ny tarehimarika vokatry ny horohorontany

1 100 no maty tany Indonezia, izay no vokatra farany voaray (alakamisy hariva), ary mbola manohy ny fikarohana ireo mpamonjy voina mitady ireo olona an'anarivony maro tototra any ambany korontana any. 24 ora taorian'ny horohorontany da mbola tsy misy jiro ny tanànan'i Padang ary mbola sarotra ny fifandraisana an-tariby: andrepramana @luckytriakbar belum ...