Tantara mikasika ny Ozbekistan
Mihamivoatra ny nentin-drazana tsimanampaharoa hiraina mandritra ny Ramadany ao Azia Afovoany
Ny fitomboan-dazan'ny Jaramazan no mitondra azy ho any amin'ny trano fisakafoana, zaridainam-panjakana, lalana, ary birao, izay tanterahan'ny mpihira matihanina, ny ankizy madinika ary ny tanora.
Manomboka mamaha ny olan'ny fahalotoan'ny rivotra ao aminy amin'izay i Ozbekistan
Tamin'ny Desambra 2023, tao Tashkent no nahitana ny tondron’ny fahalotoan'ny rivotra faharoa avo indrindra, aorian'ny Delhi any India.
Fitantarana mampihoro-koditra tao anaty fanadihadiana vaovao nataon'ireo sisa velona tamin'ny famoretana tao Ozbekistan
Ity no iray amin'ireo andrana voalohany milaza ny tantaran'olona maherin'ny 18.000 izay nogadraina noho ny fiampangana namboarimboarina sy nofaritan’ny governemantan'i Karimov tao Ozbekistan hoe “ekstremista”.
Hiangana manoloana ny fanafihan'ny governemanta any Azia Afovoany ve ny tambajotran-jiolahy mahery vaika?
Mihemotra ireo vondrona mpanao heloka bevava voarindra ao amin'ny faritra, saingy mbola mihatra ny fanontaniana raha hahomby amin'ny fanafoanana ny herin'izy ireo ny fanafihana ataon'ny governemanta.
Mandrahona ny FTMF-ONG ny lisitra ‘masombahiny’ ao Kazakhstan
Rehefa nivoaka tamin'ny septambra ny lisitra, ONG-FTMF iray farafahakeliny no voasingana hahazo fanadihadiana ara-bola fanampiny manokana.
Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid
Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy.
Ny ondry Arashan goavambe sy tena lafo vidy any Azia Afovoany
Ny fahavitsian'ny ondry Arashan, ny habeny mahavariana, ary ny hafainganan'ny fitomboany no nahatonga azy ireo ho iray amin'ireo tadiavina indrindra amin'ny tsenan'ny biby any Azia Afovoany.
Manintona mpankafy vaovao manerana izao tontolo izao hatrany ny lalao nasionalin'i Kyrgyzstan, kok-boru
Tamin'ny Lalao Manerantany Nomad (WNG-ang) voalohany nampiantranoin'i Kyrgyzstan tamin'ny taona 2014 no nipoiran'ny kihon-dalana nampalaza ny kok-boru any ivelan'i Azia Afovoany.
Miresaka momba ireo olana ara-tsosialy mielipatrana amin'ny alalan'ny hirany ilay mpihira rap any Ozbekistan
Mifantoka amin'ny fiarahamonina Ozbeky ny hiran'i Konsta, ny olany, sy ny anjara andraikitry ny tsirairay amin'ny fandehan’ny zavamisy.
Ny tantaran'ireo Koreana ao Kyrgyzstan izay niova ho miozolomana
Ny fiovam-pon'izy ireo dia vokatry ny fanasilamoana indray an'i Kyrgyzstan , izay nanomboka tamin'ny taona 1991 taorian'ny nahazoan'i Kyrgyzstan fahaleovantena.