Tantara farany mikasika an'i Tiorkmenistana
30/03/2013
Lainga, Laingan-doza, ary ny Antontan'isa Tiorka
Rehefa antontan'isa no resaka, dia mijanona manaraka am-bokony fotsiny ny foto-kevitra fony faha-Sovietika ny governemanta Tiorkmena, toy ny amin'ny boky fandrahoan-tsakafo, fanodinkodinana angon-tahiry sy fanalàna an'izay marina rehetra mety manelingelina. Tena avoakan'ny haino aman-jerim-panjakana izay mitondra amin'izao fotoana izao tsara mihitsy ny 'Antontan'isa tsara', toy ny fiakaran'ny vokatra, fa ny vaovao ratsy kosa tsy mba misy mamoaka mihitsy.
11/02/2013
Tiorkmenistana: Zon'Olombelona? Zon'Olombelona Inona?
Ao Tiorkmenistana, miaraka amin'ny laharany tafiditra ho ny "ratsy indrindra amin'izay ratsy" eran-tany mpanitsakitsaka zon'olombelona, toy ny 'nofinofy' no fahitana ny mety ho tena fisian'ny zo tahaka izany. Manakiana ny fitondrana mpamoritra tantanan'i Ashgabat mikasika ny fitsinjaràna politika isam-paritra ny maro amin'ireo mpisera anaty aterineto. Kanefa ny sasany kosa milaza fa manana zo hamepetra ny olom-pirenena ilay firenena.
05/02/2013
Mandao An'i Tiorkmenistana Ireo Mpirotsaka An-tsitrapon'ny Peace Corps
Nolazaina fa hanakatona ny fandaharan'asany any Tukrmenistan ny Peace Corps - fandaharanasan'ny mpirotsaka an-tsitrapo tantanan'ny governemanta Amerikana - ary hiala ny firenena izy ireo ny faran'ny 2012. Maro ireo Turkmen mpampiasa aterineto no mihevitra fa handatsaka lalina kokoa ny firenena anatin'ny fitokana-monina sy hametra ny fahafahan'ny tanora hahazo fanabeazana izany fisintahana izany.
15/11/2012
17/06/2012
Tiorkemenistana: Mamarana Ny Fanaovan'ny Fanjakana Ampihimamba Ny Fiverenan'Ilay Tambajotranà Finday Rosiana
Taoriana fikatonana tsy nisy fanazavana nataon'ny governemanta tamin'ny 2010, hamerina ny asany any amin'ny firenena ilay tambajotra mpandraharaha finday Rosiana malaza MTS, izay nanana mpanjifa sahabo eo amin'ny antsasaky ny mponina Tiorkemenistana eo. Faly ireo mponina ao Tiorkemenistana mpampiasa aterineto amin'ireo vaovao ireo, manome sosokevitra ny amin'ny hanomezan'ny tambajotra tolotranà finday tsara kalitao sy fidirana amin'ny aterineto tsy voasivana, mamarana ny fanaovan'ny fanjakana ampihimamba io sehatra io.
30/10/2011
Global Voices Rosiana Miara-miasa Amin'ny Neweurasia.net
Faly izahay mampilaza ny fiaraha-miasa ny Global Voices Rosiana miaraka amin'ny Neweurasia.net, iray amin'ireo sehatry ny valantserasera lehibe indrindra ao Azia Afovoany, izay manana mpihaino Anglisy sy Rosiana marobe. Miompana manokana...
25/04/2011
Azia Afovoany: “Cyber Chaikhana,” Boky Nosoratan'Ireo Mpitoraka Bilaogy
"Cyber Chaikhana" dia tetikasam-boky iray mikasika ireo mpitoraka bilaogy any Azia Afovoany sy ny fomba fahitàn'izy ireny ny any amin'ny faritra, ny kolotsaina sy ny fianana andavanandro. Natontan'i Christopher Schwartz sy navoakan'i HIVOS, ilay boky dia fantina an'ireo fitantarana nosoratan'ireo mpitoraka bilaogy ao amin'ny NewEurasia.net, ilay tambajotra fitorahana bilaogy ao Azia Afovoany. Ny tanjon'ilay tetikasa dia ny sady hahazo mpamaky betsaka na ao Azia Afovoany (miteny Rosiana), na manerantany






























RSS ho an i Tiorkmenistana
Karohy Wikipedia ny Tiorkmenistana






Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa