The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Central Asia & Caucasus Sokajy ara-toerana

RSS ho an ny Central Asia & Caucasus

2008-07-21

Kazakhstana: Jery bolongana miresaka olaimpika

Olympics
Miresadresaka ny mety ho vitan'ny mpilalaon'ny fireneny amin'ny lalao fanao anatin'ny andro mafana ny mpamaham-bolongana Kazakhstani amin'izao ankatoky ny lalao hotanterahina any Beinjing izao (araho ary ny tohiny) .

2008-07-19

Armenia

Stuff Armos Like, mijery tsy misorona ny fahazaran(-dratsy) Arimeniana, no miteny fa raha mahazo vahana fatratra any amin'ny faritra maro hafa ny vondrom-panerena hanoherana ny fifohana sigara, dia azo heverina ho mamaka lalina amin'ny zavamisy Arimeniana kosa ny sigara.  Vazivazian'ny bolongana moa fa na ho voarara any amin'ny firenenkafa rehetra aza ny fifohana sigara, dia mbola manana ny ho aviny kosa ny mpanao sigara any Arimenia.

 

2008-07-18

Mongolia

Tom Terry no mampahafantatra ny mpamaky fa nosivanin'ny vaomiera maharitry ny mpanao lalàna ao amin'ny Antenimiera ny TV-mpirenena Mongoliana (MNTV) noho ny tsy fahasahiany nanao ny asa  maha-manao gazety azy tamim-pahaleovantena nandritra ny rotaka (ilay fandorana ny foiben'ny antoko komonista teo aloha) teo sy ny nanarahany ny fametrahan'ny filoha ny firenena ho latsaka an-katerena (Etat d'urgence).

2008-07-12

Armenia ,
Turkey

Unzipped no milaza ny heviny avy amin'ny tenin'ny filoha vaovaon”i Arimenia navoakan'ny  Wall Street Journal ahitana ny fanantenan'i Serge Sargsyan fa mety hiteraka fifandraisana eo amin'ny tany roa tonta ny fihaonan'i Arimenia sy Torikia amin'ny baolina fandaka hifanintsanana ho amin'nyfiadiana ny amboara erantany amin'ny volana septambra ho avy izao. Mikatona tanteraka manko ankehitriny ny sisitany iraisan'i Arimenia syTorikia.

Iran ,
Armenia

Blogian no miresadresaka amintsika ny fampidirana ny monasitera Armeniana 3 any Iran ho ao anaty ny lisitry ny vakoka iraisam-pirenena alahatry ny  UNESCO. Raha nahafaly ny mpamaham-bolongana izany hetsika izany, dia nahasosotra azy kosa ny tsy nihetsehan'ny UNESCO raha nisy vohitra Armeniana any ankodahodan'i Azerbaijan any Nakhichevan rava.

2008-07-09

War & Conflict

Sanjar no mitatitra ny fanafihan'ny Talibana tamin'ny alalan'ny fiarakodia misesika baomba ny masoivoho Indiana ao Kabul izay nahafatesana olona 41 sy naharatrana 141.

2008-07-08

Armenia: Blaogin'ny fanabeazana

Amin’izao ankehitriny mampangatsiatsiaka ny disadisa taorian’ny fifidianana taty Armenia izao, betsaka ny vintana hahafahan’ny tontolon’ny blaogy mandrakotra resaka maro mifandraika manokana izay na nodian-tsy hita na tsy noresahan’ireo mpampahalala vaovao sy ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny. Iray amin’ireny resaka ireny ny fanabeazana, sehatra iray manokana tena anjakan’ny resaka kolikoly amin’ireo faritry ny firaisana sovietika teo aloha.

Armenia : Kolikoly sy Fialana bala

Blogrel no mitatitra fa noroahina nohon'ny kolikoly ny talen'ny sampan-draharaha miandraikitra ny fanavaozana ny Pasipaoro (OVIR) any Armenia. Anefa dia velom-panontaniana koa i Unzipped izay antony tsy nisian'ny fitoriana ara-pitsarana ho tohin'izany raharaha izany, tena marina ve fa miady amin'ny kolikoly sy ny tsolotra tokoa ny fanjakana fa tsy vazivazy ?.

2008-07-03

Tadzikistana : Hotrakotraka Tadziky

Patrick Frost no manapariaka ao amin'ny Central Asia [Ivon'i Azia] mikasika ny toe-draharaha politika izay toa mihotrakotraka any Tadzikistana : Tajikistan, already one of the world’s poorest nations, has suffered much this year with a harsh winter, continuing health concerns, and with rising food prices. But the worse could be yet ...

2008-06-26

Ozbekistana: Ady amin’ny fanivanana ny aterineto

Amin’izao fotoana, i Ozbekistana dia mitoetra ho iray amin’ireo firenena mpamoritra aty amin’ny faritra ary mifehy mafy ny fampahalalàm-baovao mitodika amin’ny daholobe. Na dia misy aza ireo fampanantenana poak’aty [anaran-tsy very] ho fiantohana ny fahalalahàm-pitenenana, dia tsy afa-bela amin’ny fanenjehan’ny governemanta hatrany ny fampahalalàm-baovao. Ny toko faha 5 ao amin’ny ...