The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Central Asia & Caucasus Sokajy ara-toerana

RSS ho an ny Central Asia & Caucasus

2008-08-14

Russia ,
Georgia

Soratan'i Frencheagle ny fifandraisan'i Zeorizia amin'ny fitondrana any Etazonia[Fr]: “Nahoana moa isika no manameloka ny ataon'i Rosia nefa manadino kosa ny fanamelohana ny politika aimperialistan'i Etazonia izay mody mampiasa ny fitolomana ho amin'ny fahafahana sy ny demaokirasia nefa ahafahana mametraka antoka ho fiarovana ny tombotsoany manokana.”

2008-08-13

Olympics

Osteuropablog no miresaka (GER) ny fitovitoviana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena samy kely sady malemy na io Zeôrizia na i Estonia, ary dia mieritreritra sahay izy amin'izay hitranga mandritra ny lalao olaimpika fanao amin'ny ririnina hotanterahina any Sochi tanàna iray any Rosia, manakaiky an'i Zeôrizia isian'nyady amin'izao fotoana amin'ny 2014.

2008-08-12

Russia ,
Georgia

Suomalais-venäläinen kansalaisfoorumi no ahitana fa nandà ny volavolan-kevitry ny Vondrona Eoropeana hampitsaharana ny ady any Ossetia Atsimo amin'ny Zeorziana ny Rosiana.

Estonia ,
Russia

Suomalais-venäläinen kansalaisfoorumi no mamoaka ny tatitry ny Filohan'i Estonia, Toomas Hendrik Ilves, milaza fa vaky ny ady any Eoropa, ary fanampin'izany lazainy koa ny ultimatum Rosiana (fe-potoana farany eken'i Rosia) hametrahan'ny tafika Zeorziana tsy hampiasa ny fitaovam-piadiany any Abkhazia fa raha tsy izany dia potika.

2008-08-09

Russia ,
Georgia

Raha raisina ho ohatra ny ady any Ossetia Atsimo nanomboka ny andro nanombohan'ny lalao olaimpika any  Beijing, dia nomarihin'i Ruslanas Iržikevičius ao amin'ny Lituanica ny karazan-doza sy vaovao ratsy mpitranga any Rosia rehefa misy zavadehibe hafa mitranga any amin'ny faritra hafa amin'izao tontolo izao, fa vitsy ihany ireny vaovao ratsy ireny rehefa tsy amin'ny volana aogositra (izany hoe ny volana aogositra no tena itrangany matetika).

2008-07-26

Afghanistan

The Rumi no mitatitra fa nesorin'ny Filoha Karzai tamin'ny toerany ny Minisitry ny Fitsarana tamin'ny 16 jolay rehefa nilaza ny fikasany hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin'ny taona ho avy io.

2008-07-24

Azerbaijan ,
U.S.A.

Michael J. Totten's Middle East Journal no mitatitra fa hitsidika an'i Azerbaijan amin'ny volana ambony hanatrika valandresaka momba ny fifidianana any Etazonia sy izay zavatra mifandraika aminy any an-toerana. Mitady fanontaniana azo apetraka hoan'ny mpitondra fanjakana any (Azerbaijan) sy mpitondra fivavahana ary ny mpandraharaha avy amin'ny mpamaky azy ny bolongana.

2008-07-23

Armenia

Real Armenia no nilaza fa mpamaham-bolongana roa ao an-toerana, Akanumatata_Ser [RU] sy Pigh [RU], no nahazo alalana hanatrika valandresaky ny filoham-pirenena ary hanontany izay fanontaniana voangona an-tserasera. Niarahaba ireo mpamaham-bolongana io bolongana voatonona voalohany io ary nolazainy fa tokony hitovy lenta amin'ny manao gazety ao an-toerana amin'izay ny mpamaham-bolongana.

2008-07-21

Kazakhstana: Jery bolongana miresaka olaimpika

Olympics
Miresadresaka ny mety ho vitan'ny mpilalaon'ny fireneny amin'ny lalao fanao anatin'ny andro mafana ny mpamaham-bolongana Kazakhstani amin'izao ankatoky ny lalao hotanterahina any Beinjing izao (araho ary ny tohiny) .

2008-07-19

Armenia

Stuff Armos Like, mijery tsy misorona ny fahazaran(-dratsy) Arimeniana, no miteny fa raha mahazo vahana fatratra any amin'ny faritra maro hafa ny vondrom-panerena hanoherana ny fifohana sigara, dia azo heverina ho mamaka lalina amin'ny zavamisy Arimeniana kosa ny sigara.  Vazivazian'ny bolongana moa fa na ho voarara any amin'ny firenenkafa rehetra aza ny fifohana sigara, dia mbola manana ny ho aviny kosa ny mpanao sigara any Arimenia.