Global Voices teny Malagasy » Mongolia
Ny “New Citizen Media Projects Foster Rising Voices” tany Côte d'Ivoire, Liberia, Sina, Mongolia, ary Yemen
Tamin'ny volana Janoary dia tolotra maherin'ny 270 avy amin'ireo mpikatroka mafana fo, mpitoraka blaogy, ary ONG [Fikambanana tsy miankina]  no voarainay, izay samy maniry mafy ny hampiasa ny fitaovam-pampitàna vaovaom-bahoaka hampahafantarany ireo vondron'olona - nataon'ireo mpampita vaovao tranainy sy vaovao ankilabao hatry ny ela - mba ho eo amin'ny tranonkalan-tserasera azo ifanakalozan-kevitra. Ity no tolotra maro isa indrindra voarain'ny  Rising Voices teo amin'ny tantarany tao anatin'izay roa taona nisiany sy  nanohanany ny ezaka ho fanapariahana ny fampahalalam-baovaom-bahoaka izay. Ny firongatry ny fampiasàn'ny olon-tsotra ny fampahalalam-baovaom-bahoaka dia maneho fa miatrika fiovàna goavana marina tokoa isika amin'ny fomba fikarohantsika vaovao mikasika ny tontolo hafa sy ny hoe iza no afaka manome izay vaovao izay.
Tanatin'ireo tolotra 270 ireo, ireto dimy ireto no tena nahasarika manokana raha ny zava-baovao, ny faharisihana ary ny firotsahana mivantana entiny ka nahatonga ny  Rising Voices   hitondra fanampiana.
Abidjan Blog Camps
Théophile Kouamouo dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy be mpahalàla hatry ny ela any amin'ireo tany Afrikana miteny sy mampiasa ny teny frantsay. Monina any Abidjan, Côte d'Ivoire, Kouamouo , iray amin'ireo nanangana ny  Ivoire Blog network ary koa nanomboka  ny fandefàsana ny hafatra be mpanaraka indrindra hoe “Inona no antony itorahako blaogy momba an'i Afrika? - Why I Blog About Africa -.” (Elia Varela Serra no mamintina ny sasantsasany amin'ireo valinteny ho anaty  andian-dahatsoratra roa ao amin'ny Global Voices.) Ankehitriny i Kouamouo dia miezaka ny mampiditra ireo mpiray tanindrazana aminy [na lahy na vavy] ho ao anatin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy amin'ny alàlan'ny fikarakaràna  “atrikasa momba ny blog ” manerana an'i Abidjan ka ao anatin'izany dia azon'ireo Ivoariana efa mpitoraka blaogy atao ny mifanakalo hevitra momba izay efa niainany sy mizara amin'ireo mpitoraka blaogy vaovao hoe fomba ahoana no atao mba hanatevenan-dahàrana an-dry zareo. Tany amin'ny volana Aogositra tany no efa natsidik'i Kouamouo ity hevitra ity tao anatin'ny blaoginy, izay nahazoany fanamarihana maro naneho fandrisihana. Ireo Blog Camps maro dia nànana tantara lava tokoa tamin'ny fisarihana ny olon-tsotra ho amin'ny fampiasàna aterineto mandray andraikitra. Maro tamin'ireo blog camps no nisy natao tany  India, nahitàna ny  Chennai tamin'ny 2006 ary, vao haingana teo, tany Mumbai. Ny Blogcamp CEE tamin'ny volana Oktobra lasa teo dia nahitàna fandraisana anjara vaovao maro avy amin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy miteny Rosiana. Fa amin'ny ampahany betsaka, na izany aza, i Afrika Andrefana,  (ary indrindra fa i Afrika Andrefana miteny frantsay) dia adino ao anatin'io firongatry ny tontolon'ny blaogy maneran-tany io. Manomboka miova izany ankehitriny. Panos Afrika Andrefana, ao anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny  Highway Africa sy ny  Global Voices, dia nanambàra tsy ela akory izay ny anaran'ireo nivoaka ho mpandresy tamin'ny Waxal - Blogging Africa Awards. Manantena hahita Ivoariana bebe kokoa isika amin'ny taona ho avy ao anatin'ity lisitra nataon'i Théophile Kouamouo ho fanomànana seho samihafa hitondrana Ivoariana ampolony, raha tsy ho anjatony aza, ho ao anatin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy ity . Ny Abidjan Blog Camps dia hanosika ihany koa ny fampifandraisana eran'ny Afrika eo anivon'ny aterineto ireo blog camp efa misy toy ny any  Madagasikara, Kenya, Oganda, Nosy Maorisy, ary Afrika Atsimo.
Ceasefire Liberia
Any andrefan'i Côte d'Ivoire no misy an'i  Liberia sy ny mponiny mahatratra hatrany amin'ny 3.5 tapitrisa any. Najoron'ireo olona nandevozina nahazo famotsorana avy any Etazonia tamin'ny taonjato faha-19, rendrika tao anatin'ny ady an-trano sy tsy fandriampahalemana nandritry ny 14 taona i  Liberia izay tonga hatramin'ny fametrahana ny  ECOWAS sy ny an'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2003. Ankehitriny dia miarin-doha tsikelikely i Liberia na dia mahantra kely aza ny foto-drafitrasa, ary manodidina ny 80% ny tsy fanànana asa, ary ireo mpiady fahiny (maro amin'ireo no tsy ampy taona)  izay tsy maintsy ezahana ny hamerenana azy ao anatin'ny fiaraha-monina indray. Maro amin'ireo Liberiana tsy an'asa no mametraka ny fanantenany amin'ireo namana na havan-dry zareo monina any ivelany any Etazonia. Na izany aza, misy ihany ny tsy fahampian'ny serasera sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo Liberiana ao an-toerana sy ireo monina any ivelany. Amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa amin'ny African Refuge - foibe iray fandraisana an-tànana ireo tanora any amin'ny faritra andrefan'i Afrika - sy ny  Century Dance Complex ao Park Hill, Staten Island (izay ivondronan'ireo Liberiana maro indrindra monina any ivelan'i Afrika), sy  Amnesty International ao Monrovia, i Ruthie Ackerman mpanao gazety mahaleotena dia mihevitra ny hanampy azy ireo hametraka tontolo-na mpitoraka blaogy Liberiana ivondronan'ny lafiny roa amin'ny Ranomasimbe Atlantika .
Ireo Liberiana rehetra niaina ny ady — na miaramila izy ireo na tsia  — dia samy nizàka tebiteby anaty sy tratry ny famidràn-toerana. Amin'ny fananganana vondrona sy fizaràna izay niainana amin'ny hafa, dia ho afaka hànana vina sy fomba fijery midadasika kokoa noho izay efa nahazatra azy ireny tanora ireny. Hitera-bokatsoa ho an”ilay vondrom-piarahamonina izany ( amin'ny lafiny roa amin'ny Oseana) , amin'ny sehatra maro: ireo Liberiana, izay maro amin'izy ireo no misedra olana amin'ny fandrindràna ny fiainana any Amerika, dia afaka mifandray amin'ireo fianakaviany sy mitondra fanazavana momba ny nofinofy hoe toy inona izany fiainana any Etazonia izany. Mbola misy koa anefa disadisa navelan'ny fotoanan'ny ady, izay mety hipongatra eny antsefantsefan'ny resaka atsangan'ireo vondrom-piarahamonina ireo.
Ny tena niainana ny fotoan'andron'ny Digital - Sina
View Larger Map
Shenyang, midika ara-bakiteny hoe “ilay tanàna ao avaratry ny reniranon'i Shen” ary renivohitry ny faritanin'i Liaoning, dia milaza tena ho ny  “toerana fanaovana fizahantany manaraka” any Sina. Saingy rehefa mitsidika ny Pagodes rakitry ny ela ao amin'ny  Tanàna Fahiny na ny “Faritra Fampiroboroboana ny Haitao Avo Lenta” dia tsy ahitànao resaka momba ireo mpiasa lahy sy vavy ao amin'ilay tanàna, izay matetika no avy amin'ireo vondrom-piarahamonina tambanivohitra mahantra mikatsaka fiainana tsaratsara kokoa any andrenivohitra, ao anatin'ny boky kely fampahafantarana ho an'ny mpizahatany. Ao anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny  Foibe ho an'ny Fahasalamana sy ny Fanabeazana ao Ai Zhi Yuan Zhu  i  Wei Zhang mpamokatra horonantsary fanadihadiana dia mampianatra ireo mpiasa lahy sy vavy izay mampiasa ny Foibe  AZYZ ny fomba fanaovana blaogy sy fampiakarana ampahan-tsary fanadihadiana mba hifampizaràn'izy ireo ny traikefany, ny fomba fijeriny, ary ny ahiahiny mba hisian'ny fahaiza-manakatra bebe  kokoa ny mahazo ireo mpivaro-tena eo amin'ny faritra [region's sex worker].
Nomad Green - Mongolia
Ireo tompon'andraikitrin'ny tontolo iainana any amin'ireo firenena avaratra-atsinanan'i Azia  dia nihaona tany Ulaanbaatar tamin'iny herinandro lasa iny izay niresahana voalohany indrindra ny fiovan'ny toetr'andro ary ny fitantànana ny angovo ao amin'ny faritra. Ny renivohitr'i Mongolia no toerana nety indrindra nandraisana ny fihaonana noho ny fihazakazahan'ny fahasimban'ny tontolo iainana tao amin'ity firenena ity tao ho ato vokatry ny fanitàrana haingana ny tanàn-dehibe, ny fisandrahan'ny orinasa vaventy, ary ny fitomboan'ny fanjifàna  arina”.  Matetika rakotry ny zavona noho ny fahalotoan'ny tontolo i Ulaanbaatar:
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/hfobAXAN_T8&hl=en&fs=1" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/hfobAXAN_T8&hl=en&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ny fitàran'ny tany hay nateraky ny fiovan'ny toetr'andro dia loza mitatao ho an'ny antom-piveloman'ireo mponina Mongolianina mpifindrafindra toerana ary ny antilope-n'i saiga [biby mampiavaka ilay firenena] izay voalaza fa karazana antilope tena tandindomin-doza indrindra any Azia. Vaovao ratsy nahatonga an'i  Portnoy Zheng, miaraka  amin'ny  Mongolian and Tibetan Foundation sy ny Mongolian Green Party, hanentana ny vahoaka  Mangolianina amin'ny fomba fanapariahana fampitandremana [fampahatsiarovan-tena] - sady ho an'ny eo an-toerana no ho an'izay any ivelany koa - mikasika ny olan'ny firenen-dry zareo amin'ny lafiny tontolo iainana. Maniry indrindra i Nomad Green mba  1.) hanazatra ireo olon-tsotra mpampita vaovao hampiasa blaogy, ampahantsary  digital, podcasts, ary sarintany amin'ny aterineto mba hitaterana vaovao momba ny tontolo iainana, 2.) hamorona tambajotran-tserasera sy vondrom-piarahamonina iarahan'ireo mpandàla tontolo iainana ka hanapariaka ny fahalalàna momba ny loza efa tsinjo, ny vahaolana ary ny tranga rehetra sy 3.) handika ny votoatin-javatra ho amin'ny teny Sinoa sy Anglisy mba hanentanana kokoa ny fiaraha-miasam-paritra sy maneran-tany hiatrehana ny fanàmby ataon'i Mongolia amin'ny resaka tontolo iainana.
Tosika ho an'ireo Vehivavy Mafana Fo amin'ny fahaiza-manaon'ny Fampitam-baovao - Yemen
Amin'ny fandrakofana ny faritra Moyen Orient mifantoka betsaka kokoa amin'ny fifandonan'i  Israely sy Palestina, ny ady ao Iraka, ny tetikasa nokleary ao Iran ary ny tsenam-bola ao amin'ireo  Firenena Gôlfa Persika, dia kely sy bitika no mba atokana hijerena an'i Yemen, iray amin'ireo firenena isan'ny mahantra indrindra aty amin'ny faritra. Ireo  sombim-baovao manify eny anivon'ny fampitam-baovao momba an'i  Yemen tao anatin'ny taona vitsy nifandimby dia mifandray amin'ny tahotra ho fisian'ny vondrona al-Qaida.
Amin'ny alalàn'ny fiaraha-miasa amin'ny Hand in Hand Initiative, ny Ghaida'a al-Absi dia hikarakara fanofanana  momba ny fampiasana ny fampitam-baovao ‘vaovao' ho an'ireo andriambavilanitra mpanao pôlitika, ireo mafana fo, ary ireo miasa amin'ny sehatra fiarovana ny zon'olombelona mba ho fitondràna ainga vao ho an'ny tontolon'ny fitorahana blaogy mampiasa teny Arabo sy hanangànana tambajotra Yemenita mpiaro ny zom-behivavy. Tena ao tsara raha androany, amin'ny fankalazàna ny faha 98 taonan'nyAndro iraisam-pirenena natokana ho an'ny vehivavy, no anambarànay ny fandraisan'andraikitra nataon'i al-Absi hitondra tenim-behivavy maro be ho aty amin'ny aterineto. Ny fiharatsian'ny fanajàna ny zom-behivavy ao Yemen dia mazàna no  voatatitra sy voaresaka, nefa zara raha misy ry zareo vehivavy no mirotsaka mandray anjara amin'ireny fifanakalozan-kevitra ireny. Amin'ny fampihaonana [fampivondronana] ireo ONG sy antoko pôlitika manerana an'i Yemen dia manantena ny hiovàn'izany i  al-Absi.
Manainga anao hiara-dàlana amiko amin'ny fanehoam-pankasitrahana sy fiarahabana tonga soa ato anatin'ny fianakaviambentsika ireo tetikasa vaovao dimy nahazo ny loka.
Mongolia: TV-mpirenena voasivana noho ny fitongilanana
Tom Terry no mampahafantatra  ny mpamaky fa nosivanin'ny vaomiera maharitry ny mpanao lalàna ao amin'ny Antenimiera ny TV-mpirenena Mongoliana (MNTV) noho ny tsy fahasahiany nanao ny asa  maha-manao gazety azy tamim-pahaleovantena nandritra ny rotaka (ilay fandorana ny foiben'ny antoko komonista teo aloha) teo sy ny nanarahany ny fametrahan'ny filoha ny firenena ho latsaka an-katerena (Etat d'urgence).