· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Kyrgyzstan tamin'ny Novambra, 2012

Miatrika Sazy Henjana Kokoa Ireo Mpaka Vady An-keriny Ao Kyrgyzstan

  14 Novambra 2012

Na dia heloka aza ny fakàna vady an-keriny ao Kyrgyzstan, dia mbola betsaka ireo lehilahy manohy maka an-keriny ireo tovovavy iriany ho vady. Vao tsy ela akory izay,namoaka lalàna ireo parlemantera tao Kyrgyz noho ny tery vay manta nataon'ireo fikambanam-behivavy. Ary ankehitriny ny fakàna an-keriny tovovavy sy ny fanerena azy ireo hanambady dia heloka be vava mitovy amin'ny halatra ondry iray ihany koa .

Kyrgyzstan: Fakàna Zaza an-Keriny Tratra tamina Lahatsary

  10 Novambra 2012

Tratra tamin'ny fakantsarin'ny CCTV tao amin'ny tanànakelin'ny faritany any Kyrgyzstan ny lahatsary mampitsangam-bolo izay toa maneho fakana an-keriny zazakely vao 11 taona monja eo amin'ny faritra be olona eo an-tsena. Nanjary lasa lohahevitra nifaneraserana teo amin'ny mponina Kyrgyzstani amin'ny aterneto ilay lahatsary, miaraka amin'ny fanomezan-tsiny ny renin'ilay zaza noho ny tsy firaharahiana na koa aza mety hoe firaisana tsikombakomba amin'ny fakana an-kerin' ilay zaza mihitsy.

Ireo pejinay momba an i Kyrgyzstan

Кыргызстан