GlobalVoices anaty

Kyrgyzstan

Tahiry Firenena · 25 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Kyrgyzstan

29/04/2013

Boky Mampihomehy Iray Mitantara Maherifo, Miaraka Amin'ny Hanitra Kyrgyz

Tohin'ny lahatsoratra

Hahazo boky mampihomehy tsy ho ela sy horonantsarinà sarimiaina lalaovin'ny mpilalao fototra "nasionaly" Barsbek ireo mpankafy ilay Kyrgyz maherifo malaza. Fa misy kosa ireo mpampiasa aterineto izay miaro ny heviny fa toa mitovy loatra amin'i Spider-man ilay maherifon'i Azia Afovoany.

29/01/2013

‘Fifidianana Carousel ‘ Areti-mifindran'ireo Fifidianana Kyrgyz

Tohin'ny lahatsoratra

Nifarana hatreo ilay fampielezan-kevitra feno fitsabahana sy nandreraka tao Kyrgyzstana, izay efa ho telo volana izay satria efa voaisa ireo vato ho an'ny fifidianana monisipaly dimy natao ny 25 Novambra. Kanefa taorian'ny valim-pifidianana, lahatsoratra iray avy amin'ny mediam-bahoaka no namela marikivy tao ambavan'ny rehetra.

12/12/2012

Mamy Manaikitra Ny Sioka Ho an'ny Depiote Kyrgyz Malaza

Tohin'ny lahatsoratra

Nanipy adihevitra ilay solombavambahoaka Kyrgyzy tao Kyrgyzstan, mikasika ny hoe: rehefa inona ny mpanao gazety no afaka manatsonga sioka amin'ny Twitter ho halefany vaovao na tsia. Nivinitra i Shirin Aimatova, mpikambana...

14/11/2012

Miatrika Sazy Henjana Kokoa Ireo Mpaka Vady An-keriny Ao Kyrgyzstan

Tohin'ny lahatsoratra

Na dia heloka aza ny fakàna vady an-keriny ao Kyrgyzstan, dia mbola betsaka ireo lehilahy manohy maka an-keriny ireo tovovavy iriany ho vady. Vao tsy ela akory izay,namoaka lalàna ireo parlemantera tao Kyrgyz noho ny tery vay manta nataon'ireo fikambanam-behivavy. Ary ankehitriny ny fakàna an-keriny tovovavy sy ny fanerena azy ireo hanambady dia heloka be vava mitovy amin'ny halatra ondry iray ihany koa .

10/11/2012

Video Lahatsoratra
Kyrgyzstan: Fakàna Zaza an-Keriny Tratra tamina Lahatsary

Tohin'ny lahatsoratra

Tratra tamin'ny fakantsarin'ny CCTV tao amin'ny tanànakelin'ny faritany any Kyrgyzstan ny lahatsary mampitsangam-bolo izay toa maneho fakana an-keriny zazakely vao 11 taona monja eo amin'ny faritra be olona eo an-tsena. Nanjary lasa lohahevitra nifaneraserana teo amin'ny mponina Kyrgyzstani amin'ny aterneto ilay lahatsary, miaraka amin'ny fanomezan-tsiny ny renin'ilay zaza noho ny tsy firaharahiana na koa aza mety hoe firaisana tsikombakomba amin'ny fakana an-kerin' ilay zaza mihitsy.

31/08/2012

Kyrgyzstan: Tafiditra Anelanelan'ireo Nasionalista, Manasazy Mpanao Gazety Ny Fitsarana

Tohin'ny lahatsoratra

Mikasika ny raharaha iray niteraka adihevitra be, nosazian'ny fitsarana iray ao Kyrgyzstan tamin'ny fandoavana honitra i Vladimir Farafonov, mpanao gazety teratany Rosiana, nohon'ny famoahana lahatsoratra izay mandrisika ny fisian'ny fifankahalan'ny vahoaka iray firenena. Nizara roa ny mponina amin'ny aterineto teo amin'ny fanehoan-kevitra mikasika ny didim-pitsarana. Raha maro ireo izay mihevitra fa tokony nomena sazy somary henjankenjana ilay mpanao gazety, ny hafa kosa dia manambara fa miteraka voka-dratsy eo amin'ny fitsarana io didim-pitsarana io.

06/02/2012

Video Lahatsoratra
Mongolia: Tsy Misy Zavamiaina Tavela Aorian'ny Fitrandrahana

Tohin'ny lahatsoratra

Mampanantena ny tetikasa fitrandrahana maro ao Mongolia  fa hampandroso ny foto-drafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarana ao an-toerana ary  hoentina hiadiana amin'ny fahantrana koa izany, saingy rehefa nandeha ny fotoana, dia mahatsiaro ireo...

04/02/2012

Kyrgyzstan: “Tsy Hisy Ririnina Amin'ity”

Tohin'ny lahatsoratra

Midoboka ireo governemanta, mivezika etsy eroa ireo mpitarika parlemantera ary satria rehefa tapitra ny vanintaona iray dia manomboka kosa ny iray hafa. Izany, farafaharatsiny, no noheverin'ireo Kyrgyz mpampiasa aterineto talohan'ny fanambarana miezinezina nataon'ilay mpifaninana ho floham-pirenena teo aloha Arstanbek Abdylayev fa hoe “tsy hisy ririnina amin'ity”.

03/02/2012

Kyrgyzstan: Nilazana Mba Handray Aotobisy Ireo MPs (Mpikambana Amin'ny Parlemanta)

Tohin'ny lahatsoratra

Sosokevitra iray ny amin'ny tokony handavan'ireo MPs ny fiara vatsian'ny fanjakàna, nomena azy ireo ka handraisan'izy ireo kosa ny 'minibus' rehefa handeha hamonjy asa no nahatonga ireo Kyrgyz mpiondana aterineto hatrany amin'ny fanombantombanana ny tombontsoa tokony na tsy tokony homena ireo olomboafidiny.

05/01/2012

Sary Lahatsoratra
Zeorzia: Fodian'ireo Tiorka Meskhetian

Tohin'ny lahatsoratra

Silamo maherin'ny 100.000 no nailik'i Joseph Stalin tamin'ny 1944 avy ao amin'ny faritra Meskheti ao Zeorzia. Ankehitriny, 60 taona mahery aty aoriana, manomboka miverina tsikelikely ny sasany ao anatin'ny andraikitry ny firenena manolona ny Folankevitr'i Eraopa.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny