Global Voices teny Malagasy » Kazakhstan
Kazakhstan: Fifanoheran-kevitra ara-ekonomika, fanavakavahana araka ny maha-lahy na vavy ary ny fitotonganan'ny siansa
Manohy ny resaka momba ny fifandraisana ara-sosialy ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan. Tamin'ny herinandro lasa teo, ny adihevitra teto amin'ny aterineto dia nampiseho lohahevitra samihafa.
Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia novangian'ireo tomponandraikitry ny hetra izay nanambara fa tsy ampy araka ny tokony ho izy ireo mpiasa ao amin'ny orinasany, ambanin'ny “salanisa ho an'ny orinasa” [ru]
Iza no tsisy saina nahita izany fitsipika izany? Hatraiza ny hadalanao ka hametrahanao ireo orinasa REHETRA ho anaty lasitra iray mitovy?
Mbola mikasika ny sehatra ara-ekonomika ihany, Thousand-pa dia tsy mahazo hoe nahoana, na dia teo aza ny filazana entin'ny fanjakana, no nolavin'ireo tomponandraikitra ny volavolan-kevitra mikasika ny hanondrotana ny karaman'ireo mpiasan'ny fikambanana izay vatsin'ny fanjakana vola [ru]:
Inona no antony ilazana fa tapitra ny krizy raha toa ka afaka iray volana aty aoriana dia ho mbola io krizy teo aloha io ihany no teti-dratsy ampiasaina mba hahafahana miverina amin'ny fampanantenana taloha?
D-lov dia miahiahy ny tsy fahampian'ny ady hevitra ao Kazakhstan mikasika ny fanararaotana ara-nofo any  ampiasana [ru]:
Eto ireo vehivavy dia manaiky ny fanjakan'ny lehilahy amin'ny sehatra rehetra sy amin'ny endriny rehetra , izay hita taratra eny amin'ny firenena Aziatika efa mba mandroso. Ny miara-mandry amin'ny lehibe dia voninahitra ho azy ireo. Raha misy vehivavy mahasarika ny maso nefa tsy manam-pikasana hisarika ny hafa amin'ny filàna, ary,  fanampin'izay, mbola vehivavy mahira-tsaina eo amin'ny asany, dia lasa  “mpifaninana”, na “mpilalao mampidi-doza” , lasa “vehivavy tsy maha-te ho tia” , sns.
Megakhuimyak dia matahotra momba ny kalitaon'ny fikarohana ara-tsiantifika sy ara-panabeazana ao Kazakhstan [ru]:
Ny famakafakana ny tantaran'ny siansa any Kazakhstan dia nampiseho fa ny mpitarika antsika izay tsy mety aongana dia avy amin'ny siansa voajanahary: mpahalala momba ny vohontany, injenieran'ny harena ankibon'ny tany, ary ireo manampahaizana momba ny zava-manan'aina rehetra. Tsy manana siantifika afaka mantanteraka asa amina sehatra toy izany intsony ny firenena – ary, raha ny fandehan'ny fampianarantsika amin'izao, dia mety tsy hanana intsony tahaka azy ireo mihitsy isika.
pycm mamintina ny zava-mitranga amina hainteny manesoeso [ru]:
Ny hevitra mifanohitra dia ny hoe  tsy manana kolontsaina mihitsy ny firenena, nefa manana Minisitry ny kolotsaina. Amin'ny lafiny iray, hita na aiza na aiza ny kolikoly, nefa tsy misy Minisitry ny kolikoly.
Hita ihany koa ao amin'ny neweurasia (nadikan'i Andrey)
Ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan dia manohy mikatsaka hatrany ny loha-hevitra mikasika ny tombon-tsoa ara-tsosialy tamin'ny herin'andro lasa teo, ny ady hevitra (online) dia nampiseho loha-hevitra samihafa.
Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia novangian'ireo tompon'andraikitry ny hetra izay nilaza fa tsy ampy intsony ny mpiasa ao amin'ny orin'asany, vitsy no ny “sehatra indostrialy antonontonony”[ru]
Iza no tsisy saina nahita izany fitsipika izany? Amin’ny fomba adaladala ahoana no hanerena ireo orin’asan’ny sehatra indostrialy hitovy lenta aminy ?
Mbola mikasika ny sehatra ara-ekonomika ihany, Thousand-pa dia tsy mahazo hoe ahoana, na dia eo aza ny filazana entin'ny fanjakana, nolavon'ireo tompon'andraikitra ny volavolan-kevitra mikasika ny hanondrotana ny karaman'ireo mpiasan'ny fikambanana izay vatsin'izy ireo vola [ru]:
Inona no antony hilazana fa tapitra y krizy raha toa ka afaka iray volana aty aoriana dia ho mbola io krizy teo aloha io ihany no teti-dratsy ampiasaina mba hahafahana miverina amin'ny fampanantenana teo aloha?
D-lov dia miahiahy ny tsy fahampian'ny ady hevitra ao Kazakhstan mikasika ny fanolanana ao anatin'ny sehatr'asa [ru]:
Eto dia manaiky ny fananan'ny lehilahy lanjany kokoa no izy ireo na ara-kilasy na ara-endrika ireo vehivavy, izay hita taratra any amin'ny firenena Asiatika efa mandroso. Mandry miaraka amin'ny lehibe dia voninahitra ho azy ireo. Raha misy vehivavy mahasarika ny maso nefa tsy manam-pikasana hisarika ny hafa amin'ny filàna, ary, fanampin'izay koa, mbola vehivavy mahiratsaina tsara eo amin'ny asany, dia lasa “mpifaninana,” na “mpilalao mampidi-doza,” na lasa “vehivav ts maha-te ho tia,” sns.
Megakhuimyak dia miahiahy momba ny kalitaon'ny fikarohana ara-tsiantifika sy fampianarana ao Kazakhstan [ru]:
Ny famakafakana ny tantaran'ny siansa ao Kazakhstan dia mampiseho fa ny mpitarika antsika izay tsy azo aogana dia avy amin'ny siansa voajanahary: geologists, mining engineers, biologists. The country no longer has scientists who could perform work on a comparable level – and, given the quality of our education, we will never have them again.
pycm
a href=”http://pycm.livejournal.com/422260.html”>summarizes the situation with a sarcastic aphorism [ru]:
The paradox is that the country has no culture, yet it has a Ministry of Culture. On the other hand, there is corruption everywhere, yet there is no Ministry of Corruption.
Also posted on neweurasia (translated by Andrey)
ara-indostrialy antonontonony.
Kazakhstan: Tsy fahazakàna fampielezan-kevitra
Araka izay amaritan'i megakhuimyak azy, tamin'ny herinandro lasa iny tao  Kazakhstan,  “miha-henjana ny fikorosiana.” Mbola manalokaloka sy mibahana ao an-tsain'ny firenena iray manontolo ny vinantolahin'ny filoha teo aloha, Rakhat Aliev, fahavalo   émigré ho an'ny fitondrana # 1. Ny tahotry ny olona ny fiandrianana mahafehy ny zavatra rehetra sy ny mpiasam-mpanjakana mpitsikilo dia nivadika ho tahotra ny ho voarohirohy ho mifandray tendro amin'ny mpandositra fitsarana, izay vao mainka  niharatsy kokoa noho ireo fepetra vaovao ifehezana ny vontoatin-javatra amin'ny aterineto [ru]:
Ny [forum Kazakhstani malaza] Center of Gravity izao dia mampitandrina ireo mpampiasa mba tsy hitendry ny teny  hoe “Aliev,” izay ovàny avy hatrany ho  ellipses. Mitranga koa io raha toa ny  “aliev” ka singa iray ao anatin'ny fanampin'anarana hafa.
Taorian'ny fifanakalozana mafana vay momba ilay fepetra vaovao, dia naàton'ny mpandrindra ilay forum ny fibahànana ny anarana ary nofafany ny dinidinika momba izany. “ Mba nanome sombim-pahalalàhana kely ho antsika ry zareo nony farany,” hoy i megakhuimyak manamarika [ru].
mnatali33 mitanisa fanambaràna iray nosoratan'ny mpanohitra mikasika ny fitsarana ilay mafana fo  Kazakhstani mpiaro ny zon'olombelona, Yevgenii Zhovtis, izay voaheloka hifonja 4 taona an-tranomaizina. Milaza ilay fanambarana fa ny sazy dia nobaikoin'ny tsikera nataony momba ny fomba fampiharana ny lalàna, ny rafitra ara-pitsarana sy ara-politika. Manampy ilay mpitoraka blaogy, ketraka [ru]:
Na rahoviana na rahoviana no mbola hitelemantsika ampahanginana azy ity ho toy ny sakafo maraina, antoandro sy hariva, tsy hanana mandrakizay isika – renareo ve aho e? – MANDRAKIZAY tsy hanan-jo, na olona mpiaro ny zon'olombelona, na fanjakana tan-dalàna.
Ho toy ny fanamafisana, dass dia mitanisa antontan'isa ofisialy momba ny fanodikodinam-bola niseho hatramin'ny niandohan'ity taona ity – manodidina ny sivy lavitrisa tenge (eo ho eo amin'ny 60 tapitrisa dolara eo) – ary ampiany amin'ny kajikajy matematika avy aminy manokana[ru]:
Ity famoahana ity dia mandrakotra fotsiny ny enim-bolana voalohany tao anatin'ny taona, ary miaty fotsiny koa ireo halatra voasazin'ny didim-pitsarana amin'ny fomba ofisialy. Raha raisina hoe ny ankamaroan'ny halatra dia mbola tsy tratra, ary misy ampahany mbola eo andalam-panadihadiana, dia heveriko fa ny hadiry mitambatry ny fanodinkodinana dia manodidina ny  200 lavitrisa tenge ho an'ity taona diavina ity.
Mantrovkz kosa miverina amin'ilay resaka  Aliev, izay nilaza tsy ela akory izay ny fananganana hetsika fanoherana iray [ru]:
Ny fanoherana any  Kazakhstan dia fivondronanan'ireo mpiasam-mpanjakana taloha, tratra noho ny fanodikondinana. Amin'izao fotoana ilay adala lahy Rakhat Aliev dia manandrana manorina vondrom-panoherana mitambatra antsoina hoe  “Ho amin'i  Kazakhstan malalaka.” Raha izaho manokana, izaho dia momba ny  Kazakhstan tsy misy an'i Aliev, Abliazov, Kazhegelgin sy ny namany, ao anatiny koa ireo mpanodikondina sy mpangalatra amin'izao fotoana tsy mbola nitonon-tena ho mpanohitra ireo.
Hita koa ao amin'ny  neweurasia
Kazakhstan: Lenin. Mbola velona lavitra noho ny fahavelony
Hafatra roa mitovy no nisy nandefa tao amin'ny tontolon'ny blaogy Kazakh avy amin'ny lafintany roan'ny firenena. Samy miresaka momba ny fitsanganana tamin'ny matin'ny sary famantarana vanimpotoana iray  taloha tany izy roa: ny loha sy ny sandrin'ny tsangambaton'i Lenin. Inona no manosika ireo olona hitodika mankany amin'ny sarin'ny lehiben'ny tolon'ny mpiasa eran-tany? Ny fahatsiarovana ny taloha angamba? Tormozz dia vavolombelona [ru] tamina tranga mahazendana tamin'ny namakivakiany an'i Kazakhstan, izay nitsidihany ny tanànan'i Aralsk, tamina tobin-tsolika iray manokana, ary teo…
“Toy izao i Vladimir Ilyich, mihantona amina tady vavarana!
Raha ny fantatra dia hitan'ireo tompon'ity tobin-tsolika ity teo akaikin'ny Tranoben'ny Kolontsaina tao an-toerana  ity sarivongana ity. Novidin'izy ireo  1000 tenge ary dia napetrany eo anoloan'ny fivarotany. Tamin'ny fotoana izay naha-seriny an-dry zareo indrindra no nahitako azy ireo .
Avy eo nosasan'ilay ramatoabe tamina rano mafana tamim-pahamalinana tokoa ilay loha sola *manankasina* .  Teo ampisarahanay  dia notoroako hevitra izy ireo mba hametaka  soratra milaza hoe,  “Tobin-soliky ny Saina Mena ho  fahatsiarovana an'i V.I. Lenin” .
Ny andro manaraka, teny an-dàlana hody, dia mbola  nandalo teo izahay. Nisy mpanao sary sokitra iray efa niasa teo amin'ilay sarivongana, mba hamerina ny orony amin'ny endriny tena izy.
Toy ny lohatenin'ny lahatsorany, pycm ao amin'ny Karaganda dia nampiasa ilay fehezanteny sovietika malaza, izay heverina fa noventesin'ny  tsirairay tamin-kafanam-po sy fanandratana tokoa: “Efa nahita an'i Lenin aho!” [ru]:
Fahiny, nisy tranom-panjakana tao aorian'ilay tamboho mivolom-batolalaka. Rehefa kelikely, dia hisy toeram-pamarotana fiara hisokatra eto. Misintona asam-barotra hafa eo an-toerana koa ireo mpandraharaha. Amin'izao dia misy toeram-pivarotana  sy  fisotroana café eo amin'ilay toerana. Mitirintirina eo ambony tohana eo afovoana tsilalaon-drano  kely  iray Ilyich, voahodidina voninkazo. Tena  mahafinaritra. Ny anaran'ny tompon'ilay trano dia  Volodya (fanafohezana ny Vladimir).
Hita any amin'ny neweurasia ihany koa.
Miharatsy ny fanabeazana any Kazakhstan
Ny 01 hatramin'ny 10 jona no niatrika ny fanadinana famaranana (UNT) ireo mpianatry ny ambaratonga faharoa any Kazakhstan-fanadinana atrehan'ny mpianatra voalohany kanefa manan-danja eo amin'ny fiainany. Ny salanisa ankapoben'ny mpanala fanadinana, araka ny nosoratan'i Zara, mpitoraka bilaogy iray, dia 74.9 , izany hoe nitombo isa 7 raha oharina amin'ny teo aloha. Niakatra ho 54.5% ny salan'isa ankapoben'ny mpianatra raha 36% izany tamin'ny taon-dasa. Amin'ny ankapobeny dia nihatsara ny vokatra raha oharina tamin'ny taona lasa rehetra, araka ny fanamarinany.
Milaza ny tarehimarika azony i Sadenova, araka ny antontan'isa eo am-pelantanany, ary nanamarika:
“Raha jerena ny vokatra tamin'ity taona 2009 ity dia mpiadina 1 amin'ny 7 no tsy nahazo isa 45, 1 amin'ny 9 no nahazo isa mihoatra ny 100 ary 1 amin'ny 13 500 no nahatratra ny isa ambony indrindra 125[ru].
Milaza kosa i Lord-Fame fa nisy ny hosoka nandritra ny fanadinana. Tsy misy dikany ny fandraràna ny fitondrana finday raha ampitahana amin'izao manaraka izao[ru]:
300 dôlara-izay no vola aloa amin'ireo mpiasan'ny fampianarana tsy hahatratrarana finday any am-pelantanan'ny mpianatra iray manala fanadinana. Toy izany ihany koa ny vola aloa any amin'ny faritany raha somary lafolafo kosa any Almaty sy Astana… Raha mandoa 1000 dôlara mantsy ianao dia mahazo matoky fa atoron'ny mpampianatra raha toa ka misy fanontaniana sarotra.
Adil Nurmakov
Kazakhstan: Tantaran’ny Krizy teo amin’ny tontolon’ny blaogy
Manohy manaraka akaiky ny toe-draharaha ao amin’ny firenena sy ny fikasan’ny governemanta hamerina ny toe-karena sy ny tontolo hafa eo amin’ny fiainana ara-tsosialy ho “fehezina amin’ny fomba mivantana (fanaraha-maso an-tanana)” ireo mpamaham-bolongana ao Kazakhstan
Mitanisa I Dass, minisitry ny asa izay nanambara tao amin’ny fivoriamben’ny governemanta fa manodidina ny 900 000 no isan’ny olona atahoarana fa ho tafiditra ao anatin’ny tsy fananan’asa, 3,4 tapitrisa no salan’isa fantatra fa efa tafiditra ao anatin’izany,  11,4 tapitrisa kosa no isan’ireo izay tsy ho tratran’ity tsy fananan’asa ity. Io antontan’isa io kosa anefa dia toa ohatrin’ny hafahafa ihany, izany dia araka ny fahitana ny ankamroan’ireo tsikera avy tao anatin’ny lahatsoratra. Tsy ny vahoaka mamokatra ihany no voaisan’ny Ministra tao anatin’ny antontan’isa, fa tafiditra tao daholo ireo olom-pirenena ao Kazakhstan, anisan’izany ireo zaza vao teraka sy ireo be antitra. Ny isan’ny vahoaka mamokatra dia 7,8 tapitrisa, izay midika fa mihoatra ny antsasak’izany isa izany no antontan’isan’ireo izay ho very asa.
Nomen ’I Slavoyara ny tsikera manadihady ireo drafitry ny governemanta mametraka ny toe-bolan’ny fisotron-dronono ho entina hamatsiana ny 70%n’ny zavatra tena ilaina ho amin’ny tetik’sa fanajariana ny tany:
Ny ankamaroan’ny toe-bolan’ny fisotron-dronono dia hilevina ao anatin’ny savovon’ny tetik’asa fifanarahana ao amin’ny firenena. Fantantsika tsara hoe inona no mitranga matetika amin’ny “tetik’asa fanajariana govana” toy itony – misy mangalata ny vola, misy mizarazara ary tsy hita popoka avy eo…..
Etsy andanin’izany, ankoatrin’ny fitsikerana ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny fitantanta ny raharahan’ny firenena, dia nanome baiko ny praiministra hampihena ny karaman’ireo mpitantana ambony eny amin’ny orinasa nasionaly sy ny eny amin’ny bankim-pirenena mba ho tonga mitovy lanja tahaka ny azy ny karaman’izy ireo, izany dia mitentina ho 700 000 tenge (4 698 dollar). Manoratra I Megakhuimyak [ru]:
Ny karaman’ny mpitantana ambony ao amin’ny Samruk-Kazyna Soverign Wealth Fund dia mahatratra ho 8 054 dollar. Ny mpitantana ambony ao amin’ny banky dia mikarama manodidina ny 20 ka hatramin’ny 25 000 dollar isam-bolana. Mitomany ireo olona ao amin’ny orinasa nasionaly… etsy andanin’izany, ny vahoaka Kazakhstana tsirairay dia afaka mampitaha ny karamany manoloana ny an’I Praiministra.
Ny fivelaran’ny fihetsika entin’ny governemanta mahakasika ny toe-karena, eny fa na dia tsy dia sarotra fantarina aza fa hoe  atao hanasitrana no antony anaovana izany, dia mitarika tahotra tsy ho an’ny mpahay toe-karena tsy miankina irery ihany fa ho an’ireo intelligentsia (ireo ikoizan’ny fanadihadiana). Milaza I Poet dergachew [ru]:
Tsy mpanao politika aho, kanefa tsy nisy zavatra tsara akory ny vokatry ny fampodiana ny fitatanana ny fandraharahana goavana eo ambanin’ny fifehezan’ny fanjakana (nationalization) izay misy eto amin’ny fireneko ankehitriny. Marina fa ny governemanta ihany aloha eto no afaka milalao ny tsena satria mitahiry ny fidiram-bola azo avy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izy, kanefa hatreto aloha dia fantatra ny zava-misy fa ny fandraharahana aton’ny olon-tsotra no miroborobo kokoa raha oharina amin’ny an’ny governemanta.
Miahiahy mafy mahakasika ny fivelaran’ny governemanta eo amin’ny fifehezana ny fanaovan-gazety I a –strekoza:
Lafo toy ny voanjo [tamin’ireo antokon’ny mpitondra fanjakana] ny [gazety] antsoina hoe “Liter” ary I “Aikyn”. Efa teraka  hanakiana/ny tsy hahita lafi-tsarany foana aho, noho izany dia ity no mba eritreritro: hatramin’ny nahasarotra ny fankasitrana  nentin’ny antokon’ny mpitondra fanjakana, izay hita mitranga ankehitriny, dia ho vaokorotana avokoa ny zava-drehetra  - Hanomboka hifanjinja tsikelikely amin’izay ireo mpitantan-draharaha, ny fanaovan-dokambarotra dia hifindra gazety hafa indray, ho tapaka/hihena ny karaman’ireo mpanao gazety ary avy hianatra fomba famindra vaovao hafa izy ireo eo amin’ny lahatsoratra ataony…. Dia toy izay ny fiasan’ny fitantanana vaovao, fa ny governemanta fotsiny no hita fa miditra loatra ho amin’izany.
Manao vazivazy zary tenany mahakasika ny zotra iraisan’ny krizy sy ny fomba filazan’i Mikhail Bulgakov izay fanta-daza I Pulementchizza:
Ao anatin’ny trano fidiovana ny krizy. Tamin’ny voalohany dia fampiasantsika ny taratasy fifirana misy sosona anankiroa miampy famafan-tanana ao anatin’ny trano fidiovana. Ankehitriny kosa dia taratasy fifirana tsotra/mora vidy no ampiasaintsika, amin’izay indray aza tsisy intsony ny famafantanana. Ohatry ny hitako sahady fa afaka volana roa na maromaro dia ho voatapatapaka ny taratasin-gazety.
Kazakhstan: Politika sy fiaraha-monina ao anatin’ny fotoanan’ny Krizy
Mijanona ho lohahevitra lehibe ao amin’ny ady hevitra an-terineto ao Kazakhstana ny Politika – matetika loatra izany sady mafy kokoa nohon’ireo hita mivantana eny amin’ny fiananam-bahoaka. Ny iray amin’ny  trangan-javatra vao haingana indrindra izay ifampiresahan’ireo mpitoraka blaogy  dia ny fametrahana ny mari-pankasitrahana ho an’ny faritra vaovao – io no anarana omena ny mpiasa mendrik’i Kazakhstana (mitovy endrika amin’ny mpiasa sosialista mendrika ao amin’ny Firaisana Sovietika). Manoratra i Neruad, singa iray ara-pakanjakana mivohy fampielezan-kevitra manohana ny fanomezana ny anarana ny Filohan’ny Kazakhstana ho mpiasa mendrika [ru]:
Ny fombafomba misolelaka dia efa nanomboka sahady manerana ny firenena, mazava ho azy fa tsy maintsy misy izany, ary vita lamina amin’ny alalan’ireo mpitondra ara-panjakana ambony. Mifaninana ny  governora hoe iza no mahay misoleleka indrindra.
Nampiseho ny fahalalana raitra mahakasika ny PR sy ny fihainoana ny vianavinan’ny vahoaka indray kosa anefa ny Filoha – Nisaotra ny vahoaka izy noho ny fanomezana  anarana azy saingy nanda ny handray ny mari-pankasitrahana izy. Eo ihany koa fa niala an-daharana ireo mety ho tombotsoa ny parilemantera. Notaterin’ireo birao vaovao fa mandanjalanja sy mamehy ny vola lany amin’ny taona 2009 ny volavolan-dalana tapaka entina miady ny krizy. Mitsikera I M-kaa  [ru]:
Hita mibaribary tsikelikely mihoatran’ny azo tsapain-tanana ny fialana an-daharana  ho amin’ireo tombotsoa tokony ho azo ireo – vola mitentina ho 160 tapitrisa trenge no sisa tavela, ambiny tamin’ity taona ity, miampy vola mitentina 1.300 tapitrisa trenge ho an’ny fandaniam-bola amin’ny herintaona. Ny MP (Mpikambana ao amin’ny Parlemanta) dia tsy hanana dia aleha momba ny fandraharahana  any ivelany (raha tsy hoe angaha nohon’ny fahamaizana), tsy hahazo fiara vaovao ihany koa, na fanaka na solosaina. Ny toeram-piantsonan’ny fiara (parking) sy ny fitaovam-pifandraisana sy serasera ho an’ny parilemanta kosa no havaozina isantaona  izay avy amin’ny tenti-bidin’ny  fiara 60 sy solosaina an-jatony izay tokony vidina isan-taona! Mahantra kely inareo ry solombavam-bahoaka, amin’ny fomba ahoana no hiasan’izy ireo…
Etsy andaniny, tsy mazava mihintsy ny fisehon’ny toe-karena Kazakhstaniana – Manda ny fisian’ny krizy ara-toe-karena eo amin’ny firenena ny governemanta, fa kosa ny rafitra miady amin’ny krizy dia efa napetraka. Mitandrina be ihany ny mpitondra fanjakana ny amin’ny fomba fihetsika sy fiteny – Mety midika ho teny mamoafady ny teny hoe “krizy”. Nalefan’I Cherry-eye ny  bolongana misy ny bankin’ny Kazakh mitazona ny sarin-dokam-barotra ratsy endrika tao Moscow (BTA Bank izay miray antoka amina orinasa madinika ao amin’ny firenena CIS [faritany mizaka-tena repoblikana]). Mivaky toy izao ny soratra eny amin’ny tabilaobe an-dalana: “Ekenao fa ny krizy tsisy tahotra dia hanary ilay endriny fotsiny ihany – Tsisy ahiahy ny fametraham-bola”. Miteny ny mpitoraka bolongana [ru]:
Mba manaja e! Angamba aloha, tsy hisy ny faniriana hametraka ny volany iray manontolo any amin’ny banky BTA raha izao dieny izao, fa kosa mahafianritra ihany ny vazivazy madinika. Manontany tena aho hoe fa maninona ny banky no tsy mampiasa io sarin-dokam-barotra io ao Kazakhstana? Miadana ve ny fandrosoan’ny vahoaka, sa ve  voasakana  ny fanaovana izany ety?
Mizara ny fijeriny mikasika ny fiverenany ao Kazakhstan I Dorovskih, mponina Almaty teo aloha izay mipetraka ao Etazonia ankehitriny [ru]:
Tsy miova I Almaty – ny loza fotsiny dia vitsy ny olona no mitsikitsiky sy mifaly amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fifamohivoizana no mampatsiahy azy ny fifaninana hazakaza-tsobika fahiny tamin’ny andron’ny fahazazana, ary ny habetsahan’ny fiara Land Cruiser sy ny BMW X6 ho avo telo heny be izao dia ambony lavitra noho ny hamaron’ny fiara lafo vidy ao Houston. Ny “fahamarinan-toerana” dia eo manodidian anao eo ihany: hita eny rehetra eny ny mpitandron’ny filaminana (polisy) ary mbola resy lahatra ny vahoaka amin’ny zo ananana sy ny taratasy ara-panjakana.
Manodidina izany rehetra izany, manampy vazivazy hafa mikasika ity resaka I Megashuimyak, izay mibanjina indrindra amin’ny olana nahatonga ny krizy ho tonga eny amin’ny feon-gazety. Miteny ny olona sasany fa ny tsy fahampian’ny vola no mahatonga ny famatsiana hivily lalana miala amin’ny dokam-barotra lafo dia lafo ao amin’ny  televiziona ,ao amin’ny gazety ary ny eny amin’ny tabilaobe an-dalana, eny fa hatreny amin’ny dokam-barotra anterineto mihintsy aza.
Diso ry zareo – lasa mandeha eny an-dalana sy mandoko rindrina ny mpanao dokam-barotra! Mora kokoa ny vidiny,  tena mahomby ary dokam-barotra amin’ny fomba vaovao. Mandehana mitady zatovo lahy amoron-dalana miaraka amin’ny ranon-doko “aerosol spray” dia ho fantatry ny mpiray tanana rehetra mora fotsiny ianao!
Kazakhstana : ny lalao Olympika tamin'ny blaogy
Nangingina ny resaka politika teo anivon'ireo mpitoraka blaogy avy any Kazakhstana noho ny lalao Olympika.
Mahasorena an'i Alim Atenbek ny fanamiana nanaovan'ny ekipa avy ao Kazakhstana [ru]:
Officials always want to make a buck on everything, and the Olympiad is not an exclusion. The government allocated 68 milion tenge for 226 kits - or 2,500 US dollars for each - but eventually the quality of fabric and tailoring was so bad that they had to remake it hastily. The tender for sale of tours to Beijing Olympics was very dubious too - a barely known tourist firm won it.
Ta hahazo vola foana ny manam-pahefana amin'ny zavatra rehetra, tafiditra amin'izay ny lalao Olympika. Nanokana 68 tapitrisa Tenge ny governemanta mba hamokarana fanamiana 226 - izany hoe 2500 dolara amerikana ny iray - nefa ratsy be ny lamba nampiasaina sy ny nanjairana azy ka tsy maitsy niverina nanamboatra fanamiana maika. Mampiahiahy koa fa “orinasa” zara raha misy mahafantatra no nampiandraiketana ny fandehanana tany Beijing tamin'ny lalao Olympika.
Resahin‘i KZblog koa ny faharatsian'ny fanamiana :
“the blazers have huge shoulder pads that make all the athletes look like little kids wearing Daddy’s business suits. And the orange skirts and little hats are way too bright on their own. The combination of white, bright blue and bright orange is a little hard to take!”
“Lehibe loatra ny soroky ny palitao nanaovan'izy ireo ka tahaka ny ankizy kely manao ny akanjon'ny Dadany no nahitana ireo atleta. Ilay zipo menapina sy ilay satroka kely moa dia marevaka loatra. Tsy miaraka mihitsy ilay loko fotsy, manga tanora ary menapina.
Namoaka ny lisitry ny vola nolazain'ny governemanta ao Kazakhstana fa omena ireo nahazo medaly i Mantrov-kz (250000 dolara ho an'ny medaly volamena), ary nilaza fa 720000 dolara no nampanantenain'ny filoha Azerbaijani ireo atletany : “Eto isika dia efa resy”, hoy izy [ru]. Tsara ihany nefa ny vokatra azon'ireo mpilalao Kazakh satria amin'izao dia efa nahazo medaly 8 izy ireo. Efa mitovy amin'ny medaly azon'izy ireo tamin'ny lalao Olympika tany Athena izany. Mahalasa saina kosa ny hevitra hitan‘i Wondernews [ru] :
If the CIS republics performed as a single “soviet” team, they would have won the first place by the amount of medals in Beijing!
Raha nitambatra ho ekipa sovietika iray ireo firenena ao amin'ny CIS dia izy ireo no nandrombaka ny fandresena amin'ny isan'ny medaly azony tamin'ny lalao any Beijing.
Tsy naharitra ny tsy hiresaka ny lafiny politika tamin'iny lalao iny kosa i epolet, mpitoraka blaogy amin'ny resaka politika [ru] :
All presidents of the Central Asian countries (Nazarbayev of Kazakhstan, Karimov of Uzbekistan, akiyev of Kyrgyzstan, Berdymukhamedov of Turkmenistan and Rakhmon of Tajikistan) have come to Beijing to watch the opening ceremony. Five countries were living without their presidents these days.
Nanatrika ny lanonam-panokafana tany Beijing daholo ny filoham-pirenena avy amin'ny faritra afovoan'i Azia (Nazarbayev avy ao Kazakhstan, Karimov avy ao Uzbekistan, Akiyev avy ao Kyrgyzstan, Berdymukhamedov avy ao Turkmenistan ary Rakhmon avy ao Tajikistan). Niaina tsy nisy filoha ny firenena dimy nandritra ny andro maromaro izao.
Navoaka ao amin'ny neweurasia koa ity lahatsoratra ity.
Kazakhstana: Jery bolongana miresaka olaimpika
Miresadresaka ny mety ho vitan'ny mpilalaon'ny fireneny amin'ny lalao fanao anatin'ny andro mafana ny mpamaham-bolongana Kazakha amin'izao ankatoky ny lalao hotanterahina any Beinjing izao.
The composition of Russian olympic team is public for a long time already, including in the Internet. But it is still not known who will go there from Kazakhstan! I searched for this information, but in vain. The website of the National Olympic Cimmittee is totally quiet. How shall I believe in the bright future of the Kazakhstani sports now? If people don't know who goes from your country, it is hard to expect mass public support.
Efa fantatry ny vahoaka  hatry ny ela ireo hisolotena ny Rosiana manditra ity lalao olaimpika ity, ary anisan'ny nampahafantatra azy ny ao amin'ny aterineto. Fa hatramin'izao kosa mbola tsy fantatra mihitsy izay avy eto Kazakhstana! Fa nikarobaovao ihany aho, fa sasa-poana. Mangina tanteraka ny tranonkalan'ny Komity nasionaly ny lalao olaimpika. Ahoana moa no ahafahako mino fa hamirapiratra ny ho avin'ny fanatanjahantena Kazakha ankehitriny? Sarotra dia sarotra ny hahazo fanohanana avy amin'ny vahoaka raha tsy fantany akory izay hisolo tena azy.
hoy grunge-amir [rus]. Taorian'izay, dia nisy sombim-baovao kely nivoaka - Mpilalao 132 Kazakha avy amin'ny taranja 22 no hiaro ny voninahi-pirenena any Beijing. Sahisahy ihany ny mpitarika mikendry ny hahazo medaily 10 na 11. Na dia kely fahazoam-baovao tahaka izany aza ny mpamaham-bolongana dia manombatombana ny vokatra mety ho azo ihany ary tsy nanary ny fitiavan-tanindrazana:
Most part of the delegation is a ballast, those playing in team sports, in which Kazakhstan is pretty weak. Handball and volleyball can be discounted — that's 26 persons out. The exotics like table-tennis and kayak-paddling can be disregarded as well. We don't have obvious candidates for the gold medals, except for Ilya Ilyin, a weight-lifter. Several silver and bronze medals can be derived from boxers, wrestlers, rhythmic gymnastics and judo. So, the result will be, most likely, the same as in previous time, the 40th place. Although I'd be glad to be mistaken.
Vaventy (sa bota?) ny ankamaroan'ny solontena, ary malaza ho malemy ireo mpilalao any amin'ny lalao iraisana. Azo tsy ampidirina ny Handball sy ny volleyball - efa 26 aloha izay no nihintsana. ny lalao tsy dia malaza tahaka ny tenisy ambony latabatra sy ny fivoizana lakana ihany koa dia efa azo tsinontsinoavina. Tsy dia manana kandidà handrombaka ny medaily volamena loatra isika ankoatra an'i  Ilya Ilyin mpibata fonjam-by. Ny ankamaroan'ny medaily volafotsy na alimo mety ho azo dia metyhoavy amin'ny mpanao ady totohondry, tolona, hetsika arahin-kira aryny judo. Noho izany dia hifanakaiky amin'ny vokatra teo aloha ihany ny mety hoazo amin'ity, ny laharana faha-40. Na izany aza tena faly aho raha diso izay fanombanako izay.
hoy i epolet ary nampiany hoe: “Hovizanin'ny Shinoa avokoa ny rehetra amin'ny taranja rehetra!” [rus].
Afghanistan : Tetiky Bush tsy mahomby
Notaterin’i Bipasha Ray ary ny filazan’ny Masoivoho tao amin’ny Firenena Mikambana taloha Richard Holbrooke ny politikam-pandanian’ny fitondram-panjakan’i Bush any Afghanistan mahatratra $1 000 000 000 isan-taona “ho praograma tsy nisy fiantraikany indrindra tamin’ny politika ivelany amin’ny tantaran’i Etazonia ”.
Kazakhstana : Mpanao gazety Alemàna nisy nanafika tany Astana
Ben no mitatitra fa ny mpanao gazety Alemàna Marcus Bensmann dia naratra mafy rehefa avy notafihin'olona tany Astana, renivohitry Kazakhstana :
Marcus Bensmann has made his name in the wake of the Andijan tragedy in Uzbekistan in 2005. He was one of the few journalists to witness the scenes on the town’s central square.
Ny anaran'i Marcus Bensmann dia nanomboka fanata-daza taorian'ilay raharaha tany Andijan any Ozbekistana tamin'ny taona 2005. Izy no isan'ireo mpanao gazety vitsy nanatrimaso izay niseho tao ampovoan'ny tanàna.