The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Georgia Tahiry Firenena

RSS ho an i Georgia

2009-11-03

Georgia: Mampitabataba orthodoksa

Any amin'ny firenena mpivavaka indrindra ao atsimon'i Kaokazy izay ahitana Patriarka an'ny fiangonana Orthodoksa mbola mandrisika ny fiterahana maro, dia mbola fady izany mitsikera mpitondra fivavahana izany. Mbola ratsy kokoa noho izany sady mampidi-doza ny manivaia azy ireny, araka ny taterin'ny This is Tbilisi Calling [miantso ity i Tbilisi]. The ...

2009-10-08

Georgia: misongadina ny tontolom-bolongana

4 na 5 taona lasa izay no nipoitra tany Georgia ny bolongana voalohany. Zava-baovao izany tany ampiandohana, fa ankehitriny kosa dia ny bolongana no iray amin'ny endrika vaovaon'ny fampitàna ny maresaka tahaka ny gazety sy ny gazetiboky ho an'ny maresaka mahazatra. Ao amin'ny tontolo maoderina moa dia mihamiadana kokoa ...

2009-08-14

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael BogarPodcasts post

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.

2009-08-09

Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity ...

2009-02-03

Israely: Tatitry ny Rosiana iray, mpanao gazety an-tsary

Dmitry Kostyukov (LJ user kostyukov), mpanao gazety Rosiana, dia mamita iraka any Israely amin'izao fotoana izao. Tamin'ny volana Aogositra 2008, nandrakotra ny ady tany Osetia atsimo izy, ary ity misy fampisehoana mandritra ny 6 minitra ny sary nalainy tany: Hatramin'ny namoahany iny sary iny tao amin'ny blaoginy tamin'izy efa tany Israely, ...

2009-01-01

Ireo lahatsoratra be mpamaky indrindra teto amin'ny Global Voices taona 2008

Manakaiky ny 3 000 000 ny isan'ny nitsidika ny Global Voices tamin'ny 2008, ary ireto ny sasany tamin'ny tantara nalaza nandritra iny taona nivalona iny.

2008-08-15

Osetia Atsimo:Naka tàhaka an'i Kosovo ve?

Raha nanambara samirery ny fizakan-tenany i Kosovotamin’ny 17 febroary 2008, dia nizarazara be ihany ireo fiorenena maro manerantany ny amin’ny maha-aradrariny na tsia iny fihetsika iny Amin’izao fotoana izao, 45 amin’ireo firenena 192 mpikambana ara-dalàna ao amin’ny Firenena Mikambana no nankato tanteraka ny Repoblikan’i KosovoSinganina amin’izany ny firenena maromaro ...

2008-08-14

Ady & Fifandirana ,
Fifandraisana iraisam-pirenena

Soratan'i Frencheagle ny fifandraisan'i Zeorizia amin'ny fitondrana any Etazonia[Fr]: “Nahoana moa isika no manameloka ny ataon'i Rosia nefa manadino kosa ny fanamelohana ny politika aimperialistan'i Etazonia izay mody mampiasa ny fitolomana ho amin'ny fahafahana sy ny demaokirasia nefa ahafahana mametraka antoka ho fiarovana ny tombotsoany manokana.”

2008-08-13

Olympics

Osteuropablog no miresaka (GER) ny fitovitoviana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena samy kely sady malemy na io Zeôrizia na i Estonia, ary dia mieritreritra sahay izy amin'izay hitranga mandritra ny lalao olaimpika fanao amin'ny ririnina hotanterahina any Sochi tanàna iray any Rosia, manakaiky an'i Zeôrizia isian'nyady amin'izao fotoana amin'ny 2014.