Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Azerbaijan

03 Desambra 2012

Lalao Virtoaly Nahazoany Asa Tena Izy, Lasa Mpitantana Baolina Kitra Ao Azerbaijan Izy

Tamin'ny 21 Novambra 2012, namafisina fa i Vugar Huseynzade no mpitantana vaovao ny ekipan'ny FC Baku, Azerbaijan, 21 taona izy ary nahavita fianarana ambony teny amin'ny oniversite, ny filalaovana lalao Football Manager (Mpitantana  Baolina fandaka) amin'ny aterineto na ny lalao video no tena fialam-boliny. Tsy mbola nisy tahaka izany fa voasongony ireo mpilalao...

20 Jolay 2012

Azerbaijan: Mirehitra Ny Foibe Ara-Kolontsaina Heydar Aliyev

Naharaisana tatitra ny hoe mirehitra ny Foibe ara-Kolotsaina Heydar Aliyev ao Baku, Azerbaijan. Ilay tranobe dia nosokafana tamin'ny May 2012 ary rafi-tranon'ilay mpanao maritrano metisy iraniana-britanika Zaha Hadid.

Lahatsary: Internet Society Miresaka Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Sivana Iraisam-pirenena Eny Anivon'ny Aterineto

Handresy manoloana ireo fitaovana fanaraha-maso vaovao ve ny teknolojian'ny tsy fitononana anarana? Ary hampiroborobo ny demaokrasia va re ny teknolojia finday - sa hitarika bebe kokoa ho any amin'ny fihazàna sy fanaraha-maso misimisy kokoa? Resadresaka iray teo Washington, DC ny 25 Jona 2012 niarahana taminà mafàna fo 6 avy any...

05 Janoary 2012

Zeorzia: Fodian'ireo Tiorka Meskhetian

Silamo maherin'ny 100.000 no nailik'i Joseph Stalin tamin'ny 1944 avy ao amin'ny faritra Meskheti ao Zeorzia. Ankehitriny, 60 taona mahery aty aoriana, manomboka miverina tsikelikely ny sasany ao anatin'ny andraikitry ny firenena manolona ny Folankevitr'i Eraopa.

15 Jona 2011

Mpandika asongadina: Fabienne Der Hagopian

Mpandika an-tsitrapo ho an'ny Global Voices i Fabienne. Avy aminà fianakaviana Armeniana, nandika betsaka ho amin'ny teny Frantsay izy tamin'ireo lahatsoratra momba an'i Kaokazy, nefa koa mahaliana azy ny mikasika izao tontolo izao amin'ny lafiny rehetra. Miverina mijery ny niainany ny maha-mpandika an-tsitrapo azy eto amin'ny Global Voices i Fabienne

10 Mey 2011

Azerbaijan: Tanora Mafàna Fo Voaheloka

GV Mpisolovava

Jabbar Savalan, tanora 20 taona, mafana fo amin'ny fanoherana, voasambotra tao Azerbaijan tamin'ny 5 Febroary, dia voampanga hifonja roa taona sy tapany noho ny fihazonana zava-mahadomelina. Na izany aza, ireo namany sy mpanohana azy ary ireo mpampahalala vaovao maro mpanara-maso ny resaka fahalalahana sy zon'olombelona ihany koa, dia manohana ny...

02 Mey 2011

Serba : Mendrika Hananganana Tsangambato ve ny Filoha Azeri izay efa Nodimandry?

Iray amin'ireo zaridaina maitso tsara indrindra ao Belgrady ny sahan'i Tasmajdan, izay vao avy nohavaozina, noho ny fanomezana vola 2 tapitrisa euro avy amin'ny governemanta Azerbaïdjan. Niteraka resabe teo anivon'ny bilaogera sy ny mpiserasera serba anefa izany ny herinandro lasa teo ny nanomezana ity vola be ity avy any Azerbaïdan :...

27 Avrily 2011

Nandroaka Mpiasan'ny Fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan

GV Mpisolovava

Nitatitra ny The Commitee to Protect Journalists fa nandroaka mpiasan'ny fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan,izay tonga mba haka sary fanadihadiana iray momba ny zon'olombelona eo amin'io firenena io.

21 Marsa 2011

Azerbaijan: “Andron'ny olona mahafinaritra” Tsikera momba ny fihetsiketsehana

Taorian'ny  fihetsiketsehan'ny tanora tao Baku ny faha-11 ny volana martsa izay nahitana ireo tanora mpitolona voatàna sy voasambotra teo aloha, nandritra ny zava-nitranga sy taoriana, nitsikera ireo mpikarakara ny bilaogera sasany ao Azerbaijan izay nanjary fantatra amin'ny anarana hoe “Andron'ny olona mahafinaritra.” Analoqu olmayan bloq [AZ],ohatra, mitsikera ny momba ireo...

13 Marsa 2011

Azerbaijan: Maro Ny Fihetsiketsehana, Maro Koa Ny Fisamborana…

Taorian'ny hetsi-panoherana nataon'ireo tanora mafàna fo omaly tao Baku, renivohitr'i Azerbaijan, nanao ny azy koa androany ireo mpanohana ny antoko mpanohitr'i Musavat. Nalaina tahaka ihany koa tamin'ny hetsiky ny mpandàla ny demaokrasia tany Ejipta sy Tonizia, tsy tena goavana toy ireny ilay hetsika fa raha ny vivavina dia vitsivitsy ka...