Tantara mikasika ny Armenia
Lehiben'ny fampanoavana ao Armenia te-hanara-maso ny votoaty anaty aterineto
Tao anaty taratasy iray nalefa ho an'ny governemanta armeniàna tamin'ny 4 Jolay, nolazain'i Artur Davtyan fa tokony ho ambany fanarahamason'ny fanjakana ary ho arindran'ny lalàna ny aterineto
Atahoran'ny ao Azia Afovoany ny fitomboan'ny milisy ao Afghanistàna, raha i Rosia mbola manani-bohitra any Okraina
Hatramin'ny nakàn'ireo Talibàna azy tamin'ny Aogositra 2021, nikasa ny hiaro ny sisintanin-dry zareo amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny diplaomasia, indrindra fa miantehitra amin'ny hetsika Rosiana, ireo fanjakàna telo ao Azia Afovoany.
Mpanao fihetsiketsehana an'arivony ao Armenia no mitaky ny fialàn'ny Praiminisitra Pashinyan
Nanomboka tamin'ny volana Aprily ny fihetsiketsehana fanoherana ny governemanta rehefa heno siosio fa mety handefitra ny Praiminisitra Nikol Pashinyan mikasika ny sata faran'ny faritra Haut-Karabakh.
Ny misterin'ny niandohan'ny anaran'ny tanàna Armenia tao Kôlômbia
Fanomezam-boninahitra ho an'ny vahoaka Armeniàna ve no misy sa resaka tsy loa-body ara-pivavahana? Mitohy miady hevitra mikasika ilay resaka ireo mpahay tantara.
Miakatrakatra ny tosidrà ao Karabakh satria mifampiampanga ny andaniny sy ny ankilany
Nitondra ho amin'ny fiampangan'ireo manampahefana ôfisialy ao Erevan sy Maosko an'i Azerbaidjàna ho tsy nanaja ny fampitsaharana poabasy ny nakàn'ny tafika azerbaidjaney ny tanàna stratejika ao Farrukh
Tafika Rosiàna misatroka manga, manome toky fa hanara-maso ny fiverenan'ireo Armeniàna rehetra gadra ao Azerbaijàna
Raha miroso amin'ny fampodiana ireo gadra ny andaniny sy ny ankilany, ao anatin'ilay fampitsaharana poabasy nosoniavina tamin'ny 9 Novambra 2020, mbola tsy hay hatrany izay tena isan'ireo Armeniàna gadra an'ady ao Azerbaidjàna.
Hiverina ny sidina mampitohy an'i Torkia sy Armenia
Taorian’ny fihaonana tany Moskoa, nanambara ny firenena roa tonta fa hiverina amin’ny 2 febroary ny sidin’ny orinasa an’habakabaka Tiorka Pegasus Airlines sy ny zotram-piaramanidina mora vidy Moldaviana FlyOne.
Didian'ny Fitsarana Iraisampirenena hanao izay tsy hisian'ny fankahalàna ara-poko i Armenia sy Azerbaijàna
Nodidian'ny fitsarana avo ao amin'ny Firenena Mikambana, ny Fitsaràna Iraisampirenena (CIJ), i Armenia sy Azerbaijàna, mba hiasa “ho fisorohana ny fihantsiana sy fampiroboroboana ny fankahalàna foko” taorian'ilay ady naharitra 44 andro tamin'ny taona lasa.
Miatrika vesatra kolikoly ny filohan'i Armenia teo aloha Serzh Sargsyan
Lazain'ny mpisolovavan'ity filoha teo aloha ity ho fiezahana hanodina ny fifantohana amin'izao krizy ara-politika sy ara-miaramila misy eo amin'i Armenia sy Azerbaijan izao ity fioampangana ny filoha teo aloha ho nanao kolikoly ity.
Mampanantena fivoarana i Armenia sy i Azerbaijan tao anatin'ny fihaonan'ireo mpitarika ao Sochi
Naneho hevitra momba ny fihaonana, nilaza ny filoha Rosiana Vladimir Potinina fa nahatratra fifanarahana momba ireo olana lehibe sasantsasany ireo mpitarika ka tsara ny fihaonana amin'ny ankapobeny.