· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Afganistana tamin'ny Aogositra, 2012

Afganistana: Mpianatra Eny Amin'ny Lisea Nahita Raikipohy Matematika

  18 Aogositra 2012

Mpianatra amin'ny Sekoly Ambaratonga faharoa fototra any Afganistana no nahita ny raikipohy matematika hamahana ny olana mikasika ny fampimiràna ambaratonga faharoa. Nandray tsara ny vaovao ny mpampiasa ny Twitter ho famantarana ny fivoarana eo amin'ny sehatry ny fampianarana eo amin'ny firenena.

Afghanistan : Hatezerana Sy Hetsi-Panoherana Fa Mitarazoka Ny Raharaha Shakila

  16 Aogositra 2012

Mpianatry ny anjerimanontolo sy mpiaro ny zon'ny vehivavy am-polony no nidina an-dalamben’ i Kaboul hanohitra ny fitarazohan'ny fanadihadiana mahakasika ny nanjo an'i Shakila, Tovovavy 16 taona izay voaolana avy eo novonoina ny taon-dasa teo tao amin'ny faritra Bamyan ao Afghanistan. Tao an-tranon'i Wahidi Beheshti, mpikambana  ao amin'ny antenimieram-paritra, no nitranga ny noheverina ho famonoana...

Tontolo: BRICS vs. NATO – Tolona Am-batolampy Momba Ny Hevitra Fitsabatsabahana

  04 Aogositra 2012

Ny fanapahan-kevitra vao haingana norasin'i Shina sy Rosia hampiasa ny vato tsy azo ivalozana tao amin'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana ho vahaolana ao Syria - dia nanainga indray ny adihevitra mikasika ny fifandraisan'ireo hery 'vaovao' tahaka an'i Brezila, Rosia, India, Shina ary Afrika Atsimo - ny BRICS - amin'ireo hery 'tranainy' tahaka ny Fifanaraham-piaraha-misan'ireo Firenena Any Amerika Avaratra (OTAN) rehefa misy ny fitsabahana iraisam-pirenena.

Ireo pejinay momba an i Afganistana

افغانستان