The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Afghanistan Tahiry Firenena

RSS ho an i Afghanistan

2009-10-10

Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?

Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr

2009-08-31

Afganistana: Androm-pifidianana an-tsarySary post

Amin'izao fifidianana faharoa ho an'ny firenena izao, ireo mpitoraka blaogy an-tsary dia nizara sarin'ireo fifidianana mampiseho ny fisian'ny miaramila sy ny fahavitrihan'ny mpifidy.

2009-08-22

Afghanistan : Androm-pifidianana

Afghans an-tapitrisany no nihaika ny fandrahonan'ny Talibans ka nandeha nifidy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena faharoa nisy hatramin'izay teo amin'ny firenena tamin'ny alakamisy, araka ny filazan'ny gazety tandrefana. Nisy ihany, araka ny tatitra herisetra madinika niseho tetsy sy teroa ary tahaka ny vitsy ny mpifidy tao an-drenivohitra sy tany atsimon'ny faritany ...

2008-07-26

Fifidianana ,
Politika

The Rumi no mitatitra fa nesorin'ny Filoha Karzai tamin'ny toerany ny Minisitry ny Fitsarana tamin'ny 16 jolay rehefa nilaza ny fikasany hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin'ny taona ho avy io.

2008-07-09

Ady & Fifandirana

Sanjar no mitatitra ny fanafihan'ny Talibana tamin'ny alalan'ny fiarakodia misesika baomba ny masoivoho Indiana ao Kabul izay nahafatesana olona 41 sy naharatrana 141.

2008-05-18

Fifidianana ,
Fanoherana

Manangona ny vaovao nandritra ny herinandro i Ny Mpandinika Armeniana (The Armenian Observer) ary milazalaza ny heviny ihany koa. Efa nampoizina ihany ny lohahevitra nibahana tamin'ny fampahalalam-baovao fa ny toe-draharaha taorian'ny fifidianana, ny tena nifantohan-dresaka tamin'ny vaovao tao an-toerana moa dia nirona tamin'ny adin'izy mirahalahy nitondra voalohany ny firenena fa tsy ilay vao voafidy sy ilay mpifaninana aminy loatra.

2008-01-17

Ady & Fifandirana

Abu Muqawama no nitati-baovao momba ny“the Rambo Syndrom” na ny tsimok'aretin'i Rambô.Nosoratan'ny mpamaham-bolongana ary fa ny gazety New York Times no namoaka lahatsoratra mitanisa ny herisetra maro ataon'ireo menavazan'ny ady tany Iràka sy Afghanistan.

2008-01-15

Ady & Fifandirana

Mohammad Fahim Khairy no manoratra fa maro tamin'ny mpitarika faratampon'ny Taliban noafahana avy any am-ponja hatramin'ny taona 2002 ho eo ambany fiarovan'ny governemanta Afghan no nandeha nankany amin'ny Al Qaeda na hita any amin'ny sehatra maro ao anatin'ny governemanta ankehitriny.