Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Desambra, 2014
Olom-pirenena Miady Amin'ny Governemanta Mba Hanan-jo Handravaka Ilay Hazo Be Maneho Ny Andro Fety Ho An'i Kyrgyzstan
Tezitra ny vahoaka. Nanaotao foana ny governemanta monisipaly tamin'ny nanaingoany ny Hazon'ny Taombaovao tamin'ity taona ity taminà karazan-javatra plastika boribory.
Mpiasa Ao Rosia Avy Any Azia Afovoany Tezitra Amin'ireo Vehivavy Mpiray Tanindrazana Aminy ho ‘Manala Baraka ny Firenena’
Sary nalaina tany Rosia ahitana ireo vehivavy manao asa fivarota-tena alain'ireo lehilahy mpiray tanindrazana aminy baraka no lasa malaza an-tserasera. Miampanga ireo lasibatra ho manosihosy ny voninahitry ny tanindrazany ireo lehilahy ireo.
Taorian'ny Ady Mitam-piadiana Tao Grozny, Iharam-Panafihana Ireo Mpiaro Zon'Olombelona Ao Chechnya
Iray amin'ireo fikambanana tsy miankina mpiaro zon'olombelona sisa tavela ao amin'ny Repoblika Chechen ilay Vondrona Iraisana Mpanao Fitetezana. Raha toa voatery ilay fikambanana hiala an'i Chechen, ho sarotra be ny fihitaran'ny fahavoazana ho an'ny mponina ao an-toerana.
Fitontongan'ny Vola Zeorziana Aseho Amin'ny Sary Novàna Tamin'ny Photoshop: Miala Avy Amin'ny 50 Cent Ary Tonga Amin'ny Hoe ‘Fanavotana Ny Miaramila Lari’
Nolemen'ireo "trangan-javatra avy ao anatinysy avy any ivelany" ny vola "lari" fampiasa manerana an'i Zeorzia, raha ny filàzan'ny banky foibe, nahatonga azy ho lasibatry ny fanadrohadroana tety anaty serasera.
Manisa Ny Maty i Rosia Rehefa Midaroka Baomba an'i Grozny ny Mpitolona
Farafahakeliny dimy ny manamboninahitra maty, misy fiara nipoaka mirehitra tsikelikely ao afovoan-tanàna, ary ao anaty afo sy tratran'ny fahirano ny "Lapan'ny Gazety" ao Grozny.