· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Febroary, 2013

Tiorkmenistana: Zon'Olombelona? Zon'Olombelona Inona?

  11 Febroary 2013

Ao Tiorkmenistana, miaraka amin'ny laharany tafiditra ho ny "ratsy indrindra amin'izay ratsy" eran-tany mpanitsakitsaka zon'olombelona, toy ny 'nofinofy' no fahitana ny mety ho tena fisian'ny zo tahaka izany. Manakiana ny fitondrana mpamoritra tantanan'i Ashgabat mikasika ny fitsinjaràna politika isam-paritra ny maro amin'ireo mpisera anaty aterineto. Kanefa ny sasany kosa milaza fa manana zo hamepetra ny olom-pirenena ilay firenena.

Mandao An'i Tiorkmenistana Ireo Mpirotsaka An-tsitrapon'ny Peace Corps

  05 Febroary 2013

Nolazaina fa hanakatona ny fandaharan'asany any Tukrmenistan ny Peace Corps - fandaharanasan'ny mpirotsaka an-tsitrapo tantanan'ny governemanta Amerikana - ary hiala ny firenena izy ireo ny faran'ny 2012. Maro ireo Turkmen mpampiasa aterineto no mihevitra fa handatsaka lalina kokoa ny firenena anatin'ny fitokana-monina sy hametra ny fahafahan'ny tanora hahazo fanabeazana izany fisintahana izany.

“Helo ho an'ny pelaka” i Tajikistan

  03 Febroary 2013

Lohahevitra fady ny resaka pelaka ao Tajikistan. Na dia efa ho dimy amby folo taona aza izao no tsy mahavoasazy intsony ny fiarahan’ny mitovy fananahana ao amin’ity firenena, dia mbola vitsy ireo mahazaka ny fisian'izy ireo ao amin’ny fiaraha-monina mitandro ny fomban-drazana. Ankoatra ny fihetsika fankahalana pelaka, lasa lasibatry ny...