· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Jolay, 2012

Lahatsary: Internet Society Miresaka Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Sivana Iraisam-pirenena Eny Anivon'ny Aterineto

Handresy manoloana ireo fitaovana fanaraha-maso vaovao ve ny teknolojian'ny tsy fitononana anarana? Ary hampiroborobo ny demaokrasia va re ny teknolojia finday - sa hitarika bebe kokoa ho any amin'ny fihazàna sy fanaraha-maso misimisy kokoa? Resadresaka iray teo Washington, DC ny 25 Jona 2012 niarahana taminà mafàna fo 6 avy any Syria, India, Burkina Faso, Kambodza, Venezoela sy Azerbaijan no niezaka hamaly ireo fanontaniana ireo.

Afganistana: Resabe Nateraky Ny Lahatsarim-Pamonoana Noho Ny Fijangajangana

  16 Jolay 2012

Tao amin'ny tanàna kely tsy lavitra loatra an'i Kabul renivohitra, vehivavy Afgana iray 22 taona no novonoina imasom-bahoaka noho ny fiampangana azy ho nijangajanga. Ny famonoana azy dia niteraka hatezerana, na tao amin'ny fireneny na tany ivelany. Nidina an-dalambe hanameloka ilay namono sy hitaky ny fiarovana ny zon-dry zareo ny vehivavy tao Kabul.

Ozbekistana: Tambajotra Sosialy ‘Nasionaly’ Hala Tàhaka Tamin'ny Facebook

  15 Jolay 2012

Nokianin'ireo mpiondana aterineto ny Youface, ilay tolotra tambajotra "nasionaly" natomboka ao Ozbekistana, ho toy ny "hala tàhaka ratsy" ny Facebook. Nefa kosa, ilay tolotra izay lazaina fa miezaka ny "hampiroborobo ny fitiavana ny an'ny tena" dia samihafa amin'ny Facebook sy ny tambajotra sosialy mampiasa ny fiteny Rosiana malaza eny anivon'ireo Uzbek mpanjifa. Ny sasany amin'ireo mpiondana aterineto sy ny manampahaizana dia matahotra sao ny tena tanjona amin'io sehatra "nasionaly" io dia ny hanaraha-maso ireo mpampiasa aterineto ao amin'ny firenena.

Oganda: Mahatsiaro Ny Fipoahana Baomba Tamin'ny 2010

  13 Jolay 2012

Naka ny Facebook sy Twitter ho sehatra hanehoany ny fahatsiarovana ny tra-doza tamin'ny fanapoahana baomba tamin'ny 2010 tao amin'ny Rugby Club Kyaddondo sy trano fisotroana tao aminà tanàna Etiopiana ao Kampala ry zareo Ogande. Nitranga ilay fanafihana raha iny teo am-pijerena ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany nihaonan'i Pays-Bas sy Espaina tao Afrika Atsimo iny indrindra ireo mpankafy baolina fandàka.