Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Mey, 2012
Zeorzia: Andianà Mpitondra Fivavahana Ortôdôksa Nanafika Mafàna Fo LGBT
Teo am-panaovana diabe hanamarihana ny 17 May, Andro Manerantany Hiadiana Amin'ny Fanilikilihana, dia nosakanan'ny andianà Kristiana Ortodoksa ireo Olona Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana LGBT Zeorziana,tao Tbilisi, renivohitra Zeorziana. Tatitr'i Mirian Jugheli
Armenia: Nitera-doza Ny Fipoahan'ireo Balaonina Nandritra Ny Fampielezan-kevitra
Niharan-doza ny famoriam-bahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra fifidianana solombavambahoaka tao Yerevan, renivohitr'i Armenia, tamin'ny Zoma 4 Mey, noho ny sigara voalaza fa nandrehitra ireo balaonina mandeha amin'ny entona. Mahery ny 140 ny olona naratra nandritra ny fipoahana araka ny tatitra voaray. Nisy rindran-kira ihany koa ny fampielezan-kevitra nokarakarain'ny antoko Repoblikana andro vitsy mialoha...
Armenia: Fandresen'ny Mpikatroka Miaro Ny Tontolo Iainana
Taorian'ny telo volana nisian'ny fihetsiketsehana sy sit-ins tsy ankiato nokarakarain'ireo mpikatroka ho amin'ny tolona hanavotana ny zaridainan'i Mashtots, nanome baiko ny hanesorana hatramin'ny fakany ny foto-drafitrasa efa tafaorina noho ny faharatsian'endriny ny filoha Armeniana, Serzh Sargsyan, antony iray tsy tafiditra tao anatin'ny fandaharam-potoanan'ireo mpitolona manohitra ny fananganana tsy ara-dalàna atao amin'ny iray...
Lahatsary: Mifampizara Ny Fiainany Ny Reny Manerantany
Hita ao amin'ny fampirantiana an'aterineton'ny Mozea iraisampirenena Momba ny vehivavy avokoa ny momba ny reny rehetra. Nampahafantatra ireo karaza-pijery momba ny reny tamin'ny alalan'ny fanadihadiana an-dahatsary natao tamin'ny vehivavy avy ao Nizeria, Kenia, Afganistana, Etazonia, Kolombia, Hongria, Shina ary Norvezy ny MAMA: Ny Fiainan'ny reny manerana ny glaoby. Mama to Be (Ho reny atsy...