· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Jona, 2011

Zeorzia: Governemanta 2.0

  23 Jona 2011

Amin'ny fananana mpisera Facebook 621.640 ao amin'ny firenena, Zeorzia no tafiditra lalina indrindra amin'ity valantserasera ity eo amin'ny faritra. Miezaka ny hahazo ny olona an-tserasera ankehitriny ny sampandraharaham-panjakana sy ny manam-pahefana.

Mpandika asongadina: Fabienne Der Hagopian

  15 Jona 2011

Mpandika an-tsitrapo ho an'ny Global Voices i Fabienne. Avy aminà fianakaviana Armeniana, nandika betsaka ho amin'ny teny Frantsay izy tamin'ireo lahatsoratra momba an'i Kaokazy, nefa koa mahaliana azy ny mikasika izao tontolo izao amin'ny lafiny rehetra. Miverina mijery ny niainany ny maha-mpandika an-tsitrapo azy eto amin'ny Global Voices i Fabienne

Zeorzia: Tara amin'i Sharon Stone Ny Firenena Iray Manontolo

  07 Jona 2011

Tsy ny tale irery no tonga tao an-tanàna ho an'ilay hetsika, fa hatramin'ireo mpilalao sarimihetsika toa an'i Andy Garcia, Dean Cain sy ny hafa. Na izany aza, ny olona nasaina isan'ny tena nanana ny toerany indrindra dia ilay mpilalao sarimihetsika avy any Hollywood, Sharon Stone.