· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Oktobra, 2010

Handray anjara amin'ny Iray andro manerantany ny Rising Voices

Rising Voices  17 Oktobra 2010

Hampiseho ny fahasamihafany ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Rising Voices amin'ny fandraisany anjara amin'ny hetsika Andro Iray eto Ambonin'ny Tany. Haka sary ny manodidina azy ny olona mpampita vaovao maneran-tany amin'ny 10 Oktobra 2010 mba hitehirizana ny sary indray mihelatry ny fiainana eto an-tany. Jereo ny sasany amin'ireo mpandray anjaran'ny Rising Voices.

Azerbaijan: Ny karatra Armeniana no lalaovina

  10 Oktobra 2010

Raha mbola eo ampanomanana ny fifidianana izay ho ao amin'ny parlemanta hatao amin'ny 7 Novambra i Azerbaijan, ireo mpitoraka bilaogy avy amin'ny mpanohitra kosa efa maneho sahady ny tsy hafaliany momba ny ho fomba fizotran'ny fifidianana. Tamin'ity herinandro ity ohatra, nipoitra ny olana momba ny fandraketana ny anaran'irao mpirotsaka avy amin'ny mpanohitra, ary ankehitriny ny gazety ao an-toerana dia manomboka mamoaka ny kiana avy amin'ny governemanta milaza azy ireny ho fampielezan-kevitra maloto mikendry fotsiny ny hanaratsy endrika azy ireo eo imason'ny mpifidy