The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Azia Afovoany & Kaokazy Tahiry Faritra

RSS ho an i Azia Afovoany & Kaokazy

2009-11-03

Georgia: Mampitabataba orthodoksa

Any amin'ny firenena mpivavaka indrindra ao atsimon'i Kaokazy izay ahitana Patriarka an'ny fiangonana Orthodoksa mbola mandrisika ny fiterahana maro, dia mbola fady izany mitsikera mpitondra fivavahana izany. Mbola ratsy kokoa noho izany sady mampidi-doza ny manivaia azy ireny, araka ny taterin'ny This is Tbilisi Calling [miantso ity i Tbilisi]. The ...

2009-10-31

Kazakhstan: Fifanoheran-kevitra ara-ekonomika, fanavakavahana araka ny maha-lahy na vavy ary ny fitotonganan'ny siansa

Manohy ny resaka momba ny fifandraisana ara-sosialy ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan. Tamin'ny herinandro lasa teo, ny adihevitra teto amin'ny aterineto dia nampiseho lohahevitra samihafa. Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia novangian'ireo tomponandraikitry ny hetra izay nanambara fa tsy ampy araka ny tokony ho izy ireo mpiasa ao amin'ny orinasany, ambanin'ny “salanisa ...

2009-10-10

Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?

Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr

2009-10-08

Georgia: misongadina ny tontolom-bolongana

4 na 5 taona lasa izay no nipoitra tany Georgia ny bolongana voalohany. Zava-baovao izany tany ampiandohana, fa ankehitriny kosa dia ny bolongana no iray amin'ny endrika vaovaon'ny fampitàna ny maresaka tahaka ny gazety sy ny gazetiboky ho an'ny maresaka mahazatra. Ao amin'ny tontolo maoderina moa dia mihamiadana kokoa ...

2009-09-23

Kazakhstan: Tsy fahazakàna fampielezan-kevitra

Araka izay amaritan'i megakhuimyak azy, tamin'ny herinandro lasa iny tao Kazakhstan,  “miha-henjana ny fikorosiana.” Mbola manalokaloka sy mibahana ao an-tsain'ny firenena iray manontolo ny vinantolahin'ny filoha teo aloha, Rakhat Aliev, fahavalo  émigré ho an'ny fitondrana # 1. Ny tahotry ny olona ny fiandrianana mahafehy ny zavatra rehetra sy ...

2009-08-31

Afganistana: Androm-pifidianana an-tsarySary post

Amin'izao fifidianana faharoa ho an'ny firenena izao, ireo mpitoraka blaogy an-tsary dia nizara sarin'ireo fifidianana mampiseho ny fisian'ny miaramila sy ny fahavitrihan'ny mpifidy.

2009-08-22

Afghanistan : Androm-pifidianana

Afghans an-tapitrisany no nihaika ny fandrahonan'ny Talibans ka nandeha nifidy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena faharoa nisy hatramin'izay teo amin'ny firenena tamin'ny alakamisy, araka ny filazan'ny gazety tandrefana. Nisy ihany, araka ny tatitra herisetra madinika niseho tetsy sy teroa ary tahaka ny vitsy ny mpifidy tao an-drenivohitra sy tany atsimon'ny faritany ...

2009-08-14

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael BogarPodcasts post

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.

2009-08-09

Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity ...