· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Trinite sy Tobago tamin'ny Novambra, 2012

Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena

  27 Novambra 2012

Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena io firenena io tamin'ny lalao Olympique ary faharoa izao teo amin'ny tantara izay isaorana manokana an'i Keshorn Walcott nohon'ny ezaka nataony teo amin'ny fanipazana lefona.

Trinidad & Tobago: Mpitokona Tsy Hihinankanina Niomana Handeha Lavitra Hanohitra Ny Fanaovana Lalambe Migodàna

  24 Novambra 2012

Niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina i Dr. Wayne Kublalsingh, mpikatroka mafàna fo amin'ny fiarovana tontolo iainana sady profesora mpampianatra literatiora, mba hanoherany ny fanorenana ilay ampahana-dalan'ilay lalambe migodana antsoina hoe Debe to Mon Desir miainga avy ao San Fernando mankany Point Fortin any atsimo atsinanan'i Trinidad. Mifanakalo resaka ireo bilaogera raha toa tokoa ka mendrika ny hamoizany ny ainy ny tolona atrehany.