· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Trinite sy Tobago tamin'ny Aogositra, 2011

Trinite & Tobago: Fahatsiarovana An'i Profesora Julian Kenny

  21 Aogositra 2011

Ny Talata lasa teo, 9 Aogositra,Trinité sy Tobago dia very tia tanindrazana iray. Julian Kenny, Profesora momba ny valan-javabohary tao St. Augustine Augustine ao amin'ny Oniversite an'i West Indies, fa efa nisotro ronona, natoralista, Senatera tsy miankina teo aloha tamin'ny Parlemanta fahadimy sy fahaenin'ny Repoblikan'i Trinité sy Tobago, mpanoratra , mpanao lahatsoratra an-gazety, mpaka sary sy nahazo ny Medaly lehibe Chaconia (Volamena ) noho ny fiarovana ny tontolo iainana , maty teo amin'ny faha 81 taonany. Ilay vaovao mampalahelo dia niparitaka be teo noho eo tamin'ny alalan'ny filazam-baovao ara-piarahamonina, miaraka amin'ireo mpianatra teo aloha nandefa lahatsoratra ho fanomezam-boninahitra noho ny lova navelany.