Tantara farany mikasika an'i Trinite & Tobago
23/03/2013
24/02/2013
Ny Fandraisan'i Trinidad & Tobago Ny Harlem Shake
Ny hala-tahaka 'meme' farany tety anaty aterineto nifandroritana, ilay Harlem Shake, izay nandihizan'ny olona tamin'ity hira ity, dia tonga toy ny tafiotra ihany koa any Trinidad sy Tobago ankehitriny –lafy iray any ambadiky ny tany, any Queensland, Aostralia izay nanombohan'ny 'meme' rahateo. Mitondra vitsivitsy amin'ireo lahatsary ity lahatsoratra ity...
Karaiba: Ho An'Ireo Mpitoraka Bilaogy Ny Andron'ny Mpifankatia
Mihevitra ve ianao fa mahafantatra ny atao hoe fitiavana? Nampiasa ny Andron'ny Mpifankatia ho fomba hahafantarana izany ny mpitoraka bilaogy vitsivitsy avy any amin'ny faritra...
25/12/2012
Trinidad & Tobago: Tsy Misy Làlambe Vita Mora
Manana bilaogy miresaka zavatra maro noho ny làlana ilay mpampianatra eny amin'ny Oniversite sy mpandala ny tontolo iainana Dr. Wayne Kublalsingh, izay nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina teo ivelan'ny biraon'ny Praiminisitra ny 15 Novambra, ho fanoherana tetikasa fanamboarana làlam-be migodana, ampahany iray any atsimo atsinanan'i Trinidad, izay handaniana vola iray lavitrisa dolara, dia manana bilaogy milaza zavatra maro ankoatra ny làlana- fihokoana ho fitakiana ny mangarahara amin'ny fampiasana ny volam-bahoaka sy hetsika manohitra ireo fomba mahamenatra izay hifehezan'ireo ao amin'ny fanjakana ny ahiahin'ireo mpifidy no ahitan'ireo mpiserasera amin'ny aterineto maro izany.
27/11/2012
Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena
Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena io firenena io tamin'ny lalao Olympique ary faharoa izao teo amin'ny tantara izay isaorana manokana an'i Keshorn Walcott nohon'ny ezaka nataony teo amin'ny fanipazana lefona.
24/11/2012
Trinidad & Tobago: Mpitokona Tsy Hihinankanina Niomana Handeha Lavitra Hanohitra Ny Fanaovana Lalambe Migodàna
Niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina i Dr. Wayne Kublalsingh, mpikatroka mafàna fo amin'ny fiarovana tontolo iainana sady profesora mpampianatra literatiora, mba hanoherany ny fanorenana ilay ampahana-dalan'ilay lalambe migodana antsoina hoe Debe to Mon Desir miainga avy ao San Fernando mankany Point Fortin any atsimo atsinanan'i Trinidad. Mifanakalo resaka ireo bilaogera raha toa tokoa ka mendrika ny hamoizany ny ainy ny tolona atrehany.
04/11/2012
Inde: Nanakiana Mavesatra Ny Fanomezana Maripankasitrahana An’i V.S. Naipaul Ilay Mpanoratra Tantara An-tsehatra Girish Karnad
Gaga ny mpijery ny fetibe Tata Literature Live! izay natao tao Mumbai ny 02 Novambra rehefa tonga ny mpanoratra tantara an-tsehatra, mpilalao sady mpanatontosa, Girish Karnad ka niresaka an-katezerana mikasika ny fanomezana loka an’ilay tompon'ny Loka Nobel V.S. Naipaul.
10/09/2012
29/05/2012
Karaiba: Ho Fanohanana Ny Renintsika
Ho fanomanana ny fetin'ny reny hodiavintsika, andao hojerena ny eritreritra mandalo sy ny resaka ataon'ny any amin'ny faritra Karaiba izay nankalaza izany tamin'ny alahady nialoha ny pentekositra teo. Samy manana ny andro hankalazana ny fetin'ny reny manko...
25/02/2012
Trinite & Tobago: Nandray Anjara Tamin'ny Fetibe ny Mpamahana Bolongana
Androany ny Talatan'ny Fetibe ao Trinite sy Tobago ka mpamahana bolongana maro no mandray anjara amin'izany fetibe izany, nahavita namoaka sary nandritra ny fanatrehany izany Fetibe 2012 izany…ny sasany amin'izy...






























RSS ho an i Trinite & Tobago
Karohy Wikipedia ny Trinite & Tobago





Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa