GlobalVoices anaty

Saint Lucia

Tahiry Firenena · 7 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Saint Lucia

20/05/2013

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Mendrika Ny Fampiasàm-bola Natao Ve Ny Fetiben'ny Jazz Festival Tany Sainte-Lucie ?

Tohin'ny lahatsoratra

Ny fiafaràn'ny Fetiben'ny Jazz sy ny Zavakanto any Sainte Lucie tamin'ity taona ity, indrindra indrindra tao anatin'ny vanim-potoanan'ny adihevitra mikasika tetibolan'ny firenena mandeha amin'izao fotoana, dia nitondra ireo marobe mpisera anaty aterineto hanontany tena mikasika ny fiantraikan'io hetsika io ara-toekarena

19/05/2013

Mpitarika Vaovao Ho An'ny Mpilalao Cricket West Indies

Tohin'ny lahatsoratra

Nampahafantarin'ny Komitin'ny mpitantana ny lalao Criket any Indies Andrefana ny ekipany ho any amin'ny Champions Trophy an'ny Filankevitra Iraisam-pirenena ho an'ny lalao Cricket (ICC) , saingy izay tena maresaka ao amin'ny faritra dia ny fanapahan-kevitra hanoloana an'ilay St. Lucian Darren Sammy amin'i Dwayne Bravo teraka tany Trinidad ho mpitarika ilay ekipan'ny Andro Iray Iraisam-pirenenane - One Day International (ODI).

12/05/2013

Notsarovana Ilay Mpandalim-baovao Mikasika Ny Tantaran'i Sainte Lucie

Tohin'ny lahatsoratra

Mpahay tantara sady mpitahiry ny nentin-drazana i Robert Devaux ilay niato tamin'izay nisasarany tamin'ity herinandro ity, nodimandry ny marainan'ny 16 aprily 2013, taorian'ny ady tamin'ny homamiadana. Ireo mpisera anaty aterineto ao Ste Lucie dia nanome voninahitra lehilahy iray izay heverina ho maherifo mpiaro ny tontolo iainana sy mpanao vina lavitra ho an'ny fireneny.

23/03/2013

Karaiba: “One Billion Rising” na “Iray Lavitrisa Mijoro”

Tohin'ny lahatsoratra

Ny fanentanana "One Billion Rising" , noforonina ho setrin'ny antonan'isa izay milaza fa iray amin'ny vehivavy telo no niharan'ny herisetra na fanolanana nandritra ny androm-piainany, antso natao ho an'ire vehivavy rehetra manerantany handihy miaraka, hanoherana ny herisetra atao amin'ny tsy mitovy amin'ny tena, tamin'ny 14 Febroary. Vondrona samihafa nanerana an'i Karaiba no nandray anjara...

04/11/2012

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Saint Lucia: Fetin'ny Jounen Kwéyòl (Andro Kiriolona)

Tohin'ny lahatsoratra

-sTamin'ny alahady (heriny) no nankalazan'ny tao Saint Lucia ny fety fanao isan-taona antsoina hoe Jounen Kwéyòl (Andro Kiriolona). Ny androm-pankalazana no faratampon'ny Iray Volan'ny Vakoka Kiriolona.

03/11/2012

Saint Lucia : Akondro Loharanon'Angovo Azo Havaozina Hoe?

Tohin'ny lahatsoratra

Lahatsoratra iray tanaty blaogy tamin'ny 2011 mikasika ny fampiasàna ny akondro amin'ny famoronana solika avy amin'ny zava-maniry no nanome aingam-panahy an'i Dane Gibson hametraka fanontaniana vitsivitsy mikasika ny sehatry ny angovo azo havaozina ao amin'ny firenena kelin'i Santa Lucia ao Karaiba

09/12/2011

Karaiba: Fisaina Ho An'ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny SIDA

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny 1 Desambra teo ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny SIDA. Nandefa ny heviny sy ny fanohanany ho an'ny ady atrehana, atao amin'ny VIH sy ny SIDA ny mpitoraka bilaogy avy any Karaiba.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny