Tantara mikasika ny Karaiba
‘Tsarovy ny anarana': Nitondra fifaliana ho an'ireo mpankafy cricket any Antilles ny fandresena tsy nampoizina azon'i Shamar Joseph ao Goyana.
Ho an'ny maro amin'ny mpankafy ny lalao, toy ny fiverenana amin'ny androm-boninahitry ny cricket antillais ny fotoana, ka mahatonga ny sasany hanontany tena raha nanatri-maso fahateraham-baovao indray izy ireo.
Ny fandraràna boky ao Suriname anatin'ny tontolo erantany momba ny fahalalahana maneho hevitra
Mihoatra noho ny maha-olana anatiny azy ny fandraràna ireo boky miresaka ny lokiloky ao Suriname; laokolsy fanairana erantany io ho an'ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety manohitra ny jadona
Mihamandroso i Jamaika, fa inona no very?
Niteraka ahiahy teo amin'ireo mpandala ny tontolo iainana ao an-toerana ireo fanambaràna maro vao haingana milaza ireo fanorenana goavana manamorona ny morontsiraka avaratr'i Jamaika, izay toerana fizahan-tany malaza.
Ny anjara asan'ny fambolena manaraka toetrandro amin'ny ezak'i Goyana hampihenana ny fanafaran-tsakafo
Mba hanampiana amin'ny fanatrarana ny tanjon'ny CARICOM hampihena 25 isanjato ny fanafaran-tsakafo any Karaiba amin'ny taona 2025, dia mitodika amin'ny teknikam-pambolena manaraka toetrandro i Goyana ho fomba iray hampitomboana hatrany ny famokarana ara-tsakafo.
Nampihotakotaka an'i Suriname ny fanjavonan'i Desi Bouterse rehefa nohelohina izy
Niteraka tsi-finoana, fahatezerana ary tsi-fitokisana ny rafi-pitsarana ny fihodin'ny toe-draharaha nahasanganehana.
Mariky ny rariny tamin'ny lasa misamboaravoara tao Suriname ve ny didim-pitsarana an'i Bouterse?
Niteraka fanontaniana momba ny maha-firenena ny fanamelohana an'i Bouterse tamin'ny 20 Desambra 2023. Maneho ny tolona nataon'i Suriname tamin'ny fanjanahantany Holandey taloha sy ny fikatsahany ho avy mampifandanja ny rariny amin'ny fampihavanana ireo fanehoan-kevitra mifanipaka.
Herisetra no nanombohana ny taona vaovao tao Trinidad & Tobago
Na lazaina ho avy amin'ny fanondranana zavamahadomelina sy ny fiantraikany aza ny ampahany betsaka amin'ireo herisetra, mbola itoloman'ilay firenena ihany koa ny momba iroe trangana herisetra an-tokantrano, ny fakàna an-kery sy ny famonoana vehivavy
Raha manomboka ny Tahirimbola ho an'ny Fatiantoka sy Fanonerana ny COP28 dia nasongadin'ny orambe mivatravatra kosa ny fitomboan'ny faharefoan'ireo Nosy Karaiba manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro.
Mitovy tahaka ny any amin'ny faritra hafa any Karaiba ny toe-javatra any Jamaika, izay atahorana ny tsy fanjariana ara-tsakafo noho ny "loza voajanahary" miverimberina ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro vokatry ny ataon'ny olombelona.
Nahoana aho no mampiasa ny zoko ho afaka hanao hetsipanoherana aty Trinidad & Tobago
Tsy hetsipanoherana fanairana fotsiny ity diabe manokana ity : fihetsika fisaonana ihany koa. Maro amin'ireo vahoakanay no maty noho ny herisetra tamin'ity taona ity.
Nodimandry teo amin'ny faha-65 taonany i Benjamin Zephaniah, poeta britanika tsy manam-paharoa manana faka avy any Karaiba ary manintona be ao anatina fiarahamonina manana kolontsaina marolafy
Lasa mpanakanto sy mpandika teny ankafizina izy izay namakivaky ny sisintany rehetra ary nikaroka izay hanasitranana ny fiarahamonina voasamantsamaky ny fanjanahantany, ny fanavakavaham-bolonkoditra ary ny tsy rariny ara-tsosialy.