Tantara farany mikasika an'i Jamaika
23/03/2013
24/02/2013
Karaiba: Ho An'Ireo Mpitoraka Bilaogy Ny Andron'ny Mpifankatia
Mihevitra ve ianao fa mahafantatra ny atao hoe fitiavana? Nampiasa ny Andron'ny Mpifankatia ho fomba hahafantarana izany ny mpitoraka bilaogy vitsivitsy avy any amin'ny faritra...
23/01/2013
Jamaika: Ho Avy Ny Tafiotran-Trosa?
Somary nanindrona ihany ny tontolon'ny bilaogy Jamaikana, hatramin'ny namoahan'ny Chicago Tribune lahatsoratra iray tamin'ny 08 Janoary 2013 izay mampitaha ny toe-bolan'i Jamaika sy Gresy, firenena izay heverin'ny sasany fa ny marefo indrindra ara-toe-karena eto amin'izao tontolo izao.
30/11/2012
Manintona Ny Saina Ho Any Amin'ireo Olona Manana Fahasembanana Any Jamaika Ny Fampirantiana Zava-kanto Vaovao
Nanan-danja ny fiandohan'ilay fampirantiana voalohany indrindra notanterahin'ilay mpanakanto Jamaikana Astro Saulter, tsy noho ny fanolorany mpanakanto iray vaovao eo amin'ny sehatry ny zava-kanto ao an-toerana ihany, fa koa noho ny fitarihany ny fahalinana amin'ny filàna fidirana amin'ny fanabeazana haikanto tsara kokoa, indrindra ho an'ireo olona manana kilema.
31/10/2012
Karaiba: Tsy Afa-Miala; Mamely i Isaac
Maro amin'ireo nosy no miezaka miala amin'ny korontana navelan'ny fandalovan'ny rivodoza na dia teo aza ny fanantenan'ny mpitoraka bilaogy Karaibiana fa handalo mora foana eo amin'izy ireo ny Rivodoza tropikaly Isaac. Efa niaina ny voka-dratsy nateraky ny haratsin'ny andro i Haiti; tondra-drano sy fihotsahan'ny tany niteraka fahafatesan'olona vitsivitsy. Ny olona sasany tsy maintsy nasaina niala teo amin'ny tranony.
10/09/2012
13/07/2012
Oganda: Mahatsiaro Ny Fipoahana Baomba Tamin'ny 2010
Naka ny Facebook sy Twitter ho sehatra hanehoany ny fahatsiarovana ny tra-doza tamin'ny fanapoahana baomba tamin'ny 2010 tao amin'ny Rugby Club Kyaddondo sy trano fisotroana tao aminà tanàna Etiopiana ao Kampala ry zareo Ogande. Nitranga ilay fanafihana raha iny teo am-pijerena ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany nihaonan'i Pays-Bas sy Espaina tao Afrika Atsimo iny indrindra ireo mpankafy baolina fandàka.
29/05/2012
Karaiba: Ho Fanohanana Ny Renintsika
Ho fanomanana ny fetin'ny reny hodiavintsika, andao hojerena ny eritreritra mandalo sy ny resaka ataon'ny any amin'ny faritra Karaiba izay nankalaza izany tamin'ny alahady nialoha ny pentekositra teo. Samy manana ny andro hankalazana ny fetin'ny reny manko...
10/04/2012
Andro Iray Eto An-Tany: Nivoaka Ny Rakikira Niaraha-Mientana Manerantany
Nisy rakikira an-dahatsary iray nivoaka ho fanomanana ny fiaraha-mijery manerantany [mg] ny sarimihetsika nifarimbonana manerantany One Day on Earth [Andro Iray Eto An-Tany], izay hotontosaina any amin'ny toerana maro samihafa manerana ny planeta mandritra ny Andron'ny Tany (22 Avrily 2012). Asongadin'ny lahatsary ny mpihira, poety, mpandihy noraketina an-tsarimihetsika nandritra ny fotoana mitovy 24 oran'ny 10 Oktobra 2012, izay niangalian'i Cut Chemist ny fanapatapahana sy ny fanambatambarana azy.






























RSS ho an i Jamaika
Karohy Wikipedia ny Jamaika






Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa