GlobalVoices anaty

Haiti

Tahiry Firenena · 35 Lahatsoratra

Below is our full archive of Haiti stories. See the Haiti Earthquake 2010 Special Coverage Page for our best posts and recommended citizen media links about the earthquake and reconstruction efforts.


Tantara farany mikasika an'i Haiti

04/12/2012

Video Lahatsoratra
Mivoaka Ny Trano Fidiovana: Haiti Sy Ny Andro Manerantany Ho An'ny Lavapiringa

Tohin'ny lahatsoratra

Andro iraisam-pirenena amin'ny fampiasana lavapiringa ny 19 novambra. Ao anatin'ny mponina eran-tany 7 lavitrisa, 2.5 lavitrisan'ny olona no tsy afaka mampiasa lavapiringa madio - zany dia eo ho eo amin'ny olona 1 amin'ny 3. Ny sasany amin'izy ireo mipetraka any Karaiba; maro amin'izy ireo no mipetraka any Haiti - ary ny tsy fisian'ity zo fototra mahaolona momba ny fidiovana ity no mbola mampirongatra ny aretina sy ny fahafatesana amin'ny tsy antony.

09/04/2012

Video Lahatsoratra
Lahatsary: Fikambanana Tsy Maka Tombombarotra Mampiseho ny Asany an-Dahatsary Nahazoany Loka

Tohin'ny lahatsoratra

Nambara tamin'ny 5 Aprily 2012 lasa teo ny mpandresy tamin'ny Loka doGooder andiany faha-enina ho an'ny lahatsary mendrika indrindra avy amin'ny Fikambanana Tsy Maka Tombombarotra . Ireto avy ny lahatsary nandresy izay...

28/02/2012

Haiti: Fanehoan-kevitra Tanaty Aterineto Momba Ny Raharaha Duvalier

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny faran'ny volana Janoary 2012, ny mpitsara mpanao famotoana mitady vesatra mikasika ny zon'olombelona hanenjehana an'ilay mpanao didy jadona voaongana tany Haiti, Jean-Claude "Baby Doc" Duvalier, dia nanapa-kevitra fa "tapitra ny fe-potoana voafetran'ny lalàna mikasika ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona - tsy izany kosa anefa ny amin'ny fangalàran'i Duvalier ny volam-panjakàna.

16/02/2012

Karaiba: Andron'ny Mpifankatia Izao; Tsapanao Ve Ny Fitiavana?

Tohin'ny lahatsoratra

Ao an-tsainy sy ao am-pon'ny mpamahana bolongana Karaiba ny fitiavana androany; ity topi-maso vetivety hoentin'izy ireo mikasika ny fomba fankalazan'izao tontolo izao izany fitiavana izany – izay eo amin'ny tontolon'ny bilaogy –...

19/10/2011

Peace & Sport : Fifampiresahana sy Filaminana Amin'ny Alalan'ny Fanatanjahantena

Tohin'ny lahatsoratra Katroka 7 Miliara

Meday alimo nandritra ny Lalao Olaimpika 1984, tompondaka erantany amin'ny taranja pentathlon [dimy indray miaraka] maoderina tamin'ny 1987, Joël Bouzou no mpanorina sy filohan'ny Peace and Sport, fikambanana miaro ny fandriampahalemana...

16/10/2011

Video Lahatsoratra
Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

Tohin'ny lahatsoratra

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.

20/03/2011

Sary Lahatsoratra
Haiti: Marainan'ny Fifidianana an-tsary

Androany, 20 Marsa, hamonjy ny biraom-pifidianana ny Haisiana hanapa-kevitra izay ho filohan'ny Firenena Karaiba manaraka. Tsy eken'i Mirlande Manigat sy i Michel Martelly, ireo Kandidà roa heverina ho nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin'ilay fifidianana nahabe resaka notontosaina tamin'ny volana novambra farany teo, moa ity fifidianana anio ity. Ny tatitra androany maraina avy amin'ny mpampiasa Twitter any an-toerana any Haiti moa dia nilaza ny fahataran'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana, raha ny maro ampitan-dranomasina kosa dia mifantoka tamin'ny nitifirana akaiky dia akaiky ilay mpihira rap teraka Haisiana Wyclef Jean, mpanohana an'i Martelly. Indreto manaraka ireto ny sary voafantina nivoaka tao amin'ny Twitter tany Haiti tamin'ny ora nisokafan'ny biraom-pifidianana—na ny fikasana hanokatra azy—tamin'ny maraina.

22/02/2011

Haiti: Fanampiana avy any Slovakia notazonin'ny ladoany mandritra ny folo volana

Kontenera miaraka amin'ny sambo faharoa misy ny fanampiana ara-olombelona avy any Slovakia no notazon'ny ladoany any Haiti efa ho folo volana. Mandika ny fomba fijerin'ny mponina amin'ny aterineto Slovaky ny olana i Tibor Blazko.

19/01/2011

Haiti: Fisamborana tsy ho ela an'i Duvalier?

Efa talohan'ny tamin'ny iraikambinifolo ora io maraina io, rakotry ny sahoan-dresaka ny Twitter fa hoe i Jean-Claude "Baby Doc" Duvalier, ilay mpanao jadona taloha voaozona nitsoak nialokaloka tany Frantsa ary niverina tampoka tany an-tanindrazany tamin'ny Alahady alina, dia tratry ny fepetra fampisamborana.

29/11/2010

Sary Lahatsoratra
Haiti: Fihetsiketsehana hanoherana ny Firenena Mikambana vokatry ny kôlera

Telo andro taorian'ny fanambarana ny trangan'aretina kôlera voalohany tany Haiti, The Life and Times of the Mangine Many namoaka tao amin'ny bilaogy: Tena marina? kôlera? Nataoko fa efa tsy nisy...

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny