Tantara mikasika ny Goiana Frantsay tamin'ny Desambra, 2008

Noelin-dry zareo any Karaiba

  28 Desambra 2008

Noely ny andro – Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba! Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna… Ny mpitoraka blaogy avy any  Guyana dia nanao “meme” amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa...

Goyana Frantsay: Fitokonambe tsy misy milaza

  03 Desambra 2008

Nisafotofoto ny toe-draharaha any amin'ny faritry Goyana Frantsay efa herinandro mahery izay. Manohitra ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy amin'ny alalan'ny fametrahana barazy manerana ny lalana, fanakatonana ny sekoly sy orinasa ny mponina. Amin'izao fotoana izao dia €1,77 isaky ny litatra ny vidin'ny lasantsy (US$ 2,25), izay mifandaka amin'ny fidinan'ny solika izay tafidina ambanin'ny US$ 50,00 ny iray baril herinandro vitsivitsy lasa izay. Manome ny akon'izany fihetsiketseham-bahoaka izany ny tontolom-bolongana Goyaney Frantsay.