Tantara mikasika ny Dominika
Global Voices Dimy Ambinifolo Taona : Ny fiantraikan'ny olan'ny toetrandro sy ny loza mahatsiravina sasany tao Karaiba tamin'ny 2019
Toy ireo hafa Fanjakana Nosy Andalam-pandrosoana, ny ao Karaiba no iray amin'ireo faritra tena marefo indrindra raha ny fiantrakan'ny olan'ny teotrandro no resahana
Volana maro taorian'ny faharavàna nateraky ny Rivo-doza Maria, manao fanentanana fambolena hazo fihinam-boa i Dominika, saingy ampy ve izany?
Tsy afaka mividy zezika sy vokatra simika hikarakarana ny toeram-pambolenay ireo tanora tantsaha ary koa aza ny sasany amin'ireo efa tranainy. Nahoana ny tantsaha no tsy afaka karakaraina tsara kokoa ao amin'ity firenena kely ity?
Antilles : Eo an-dalam-pitadiavana ny vahoaka Karaiba
Nanomboka hatramin'ny fiandohan'ny taona 2009, nanontany tamin'ny fomba samihafa ny momba ny mari-panondroana azy ireo, ny lovam-pireneny sy ny zavatra iainany amin'izao fotoana izao ny Indiana Tandrefana .
Ho voavahan'ny minisitry ny tontolo iainana vaovao ao Dominika ve ireo haika navelan'ny rivodoza Maria?
Amin'izao fotoana izao dia maro loatra ny olona tsy ampy torohay amin'izay azon-dry zareo antenaina amin'ny programa famerenana amin'ny laoniny sy [...] hanomboka hampisy fahasamihafana amin'ny fiainan-dry zareo.
Disadisa Diplaomatika Tamin'ny Fandavan'i Trinite sy Tobago ny Fanamaivanana Fandoavam-bolan'i Dominika Ao Amin'ny OAS
Manantena tanteraka aho fa fantatry ny olona ao Dominika fa tsy ny Trinbagoniana rehetra no tsy malala tanana araka ny mety asehoan'ity fanapahan-kevitra ofisialy ity
Tsirim-Panantenàna Amin'ny Famerenana An'i Dominika Amin'ny Laoniny Taorian'ny Rivodoza Maria
"Ho hitanao ny fahasamihafàna goavana amin'ny fiovan'ny tontolo taza-maso taorian'ny tafio-drivotra[...] Eo am-panomanana horonantsary fohy aho, izay antenaina fa haneho ny fiverenan'ny maitso mandrobona amin'ny tontolo tazan'ny masontsika. "
‘Tsy Nahasahy Nijery Isika': Ravan'ny Rivodoza Maria I Dominica
'Ny faharavana tanteraka no tatitra voalohany. Hatramin'izao very avokoa ny zava-drehetra azon'ny vola novidiana sy soloina. Ny faharatran'olona tamin'ny fotoana [...] nandrava tanteraka...eny, tsy takatry ny saina.'
Ny Riandranon'I Trafalgar Any Dominica
Iray amin'ireo toerana misarika mpizahatany indrindra any Dominica ny Riandranon'i Trafalgar, indrindra ho an'ireo mpizahatany mandeha sambo fitsangatsanganana......
Lalao Cricket An-tanànakely, Amin'ny Endrika Karibeana
Amin'izao vanim-potoana izao, mitodika any amin'ny lalao cricket ny eritreritry ny Karibeana miteny anglisy . Rehefa mivezivezy manodidina ny iray amin'ireo faritra zanatany Britanika teo aloha ianao dia mety hahita sehatra maitso tahaka ity iray ity ao amin'ny tanànakelin'i Howsen, Trinite.
Mifarimbona Hanarina Ny Takaitra Navelan'ilay Tafio-drivotra Tropikaly Erika i Dôminika
Tohin'ny Tafio-drivotra Erika, manana asa fanarenana goavana tsy maintsy atrehany i Dominika, toy ny fiezahany mba hamerina ny lazany maha- "Nosy Natiora" azy ao Karaiba.