Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Jolay, 2014
Tsy Tian'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Anti-Gay ao Jamaika Ny Antsoina Hoe Mpankahala Pelaka
Niala an-daharana mba tsy hopetahana anarana "hômôfôby" ireo vondrona manohitra izay mety ho fanafoanana ny lalàna manohitra ny sodomia tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahan-tany. Nilaza kosa ireo bilaogera ao Karaiba fa rehefa hômôfôbia dia hômôfôbia.
Ireo Amerikana Mainty Ve No Taitra Kokoa Amin'ny Resaka Fiaviana Raha Mitaha Amin'ireo Mainty Avy Any Karaiba?
Lazain'ilay bilaogera, Aidan Neal, fa ny Amerikana mainty no "tena iharan'ny tsy rariny amin'ny resaka fanavakavahana ka mahatonga azy ireo saika manana fitondrantena manafintohina ny ankamaroany," raha tsy lohahevitra mahazatra kosa izany ho an'ny fifanakalozan-dresaka any Karaiba.
Kiobàna Mifofotra Manohana Ny Zon'ireo LGBT
Ny "Andiany faharoa amin'ny Fifanorohana am-pitorevahana ho an'ny Fahasamihafàna sy ny Fitoviana, na "besada" amin'ny fiteny Espaniôla, nahasarika olona maro manohitra ny Lalàna Vaovao Momba ny Asa ao Kiobà, izay manilikilika ny famantarana ny lahy sy vavy ary ny mitondra ny VIH ho toy ny antom-panavakavahana eo amin'ny tontolon'ny asa.
Oscar López Rivera: Porto-Rikàna Nandany 33 Taona Tany Am-ponja Tao Etazonia, Miteny Hoe Tafahoatra Izay
Nisarika ny sain'ireo famoaham-baovao isan-karazany ary avy amin'ireo olona ao amin'ny Firenena Mikambana manohana ny famotsoana azy ny raharaha Oscar Lòpez Rivera tato anatin'ny herinandro vitsivitsy
Lisitr'ireo Vakiteny Fahavaratra Avy Amin'ireo Mpikambana Global Voices Teny Frantsay
Mila vakiteny amin'izao fahavaratra izao? Indreto lisitry ny boky avy amin'ireo mpanoratra mpiteny frantsay ny ankamaroany izay atolotr'ireo mpikambana ato amin'ny GV.
Miverina Tsy Misy Ireo “Birds”: Mahazo Governemanta Vaovao I Antigoa & Barboda
Nahavita ny fifidianana faobe i Antigoa sy Barboda miaraka aminà governemanta iray vaovao, hamarana ny fitondrana teo aloha izay naharitra 10 taona.
Misy Tsara Sy Ratsy Ao Anatin'ilay Lalàna Vaovao Mifehy Ny Asa Ao Kiobà
Ankoatry ny resaka hafa dia niteraka resabe manodidina ny antony miteraka fanavankavahana, sy fifamondronana sendikaly ary ny fandroahana ilay Lalàna vaovao Mifehy ny Asa ao Kiobà.
Mitady Fanohanana Avy Amin'ny Vahoaka ny Fikambanana Mpanao Tantara An-dampihazo iray Hamokarana an'Ity Tantara an-tsehatra “Mahery vaika” mikasika ny fifankantiavan'olon-droa mitovy fananahana ity any Kioba
Mitantara ny fanararaotana ny sy ny fanagadrana ny olon-droa mitovy fananahana mifankatia tany Alemana Nazi ka nitarika ny Ady Lehibe II ny "Bent".