Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Jona, 2014
Ahoana Ny Amin'ireo Maherifo Tsy Fantatra Any Bermuda?
Mankalaza ny Androm-pirenen'ireo Maherifo i Bermuda ny 16 Jona, saingy miady hevitra mikasika ny mety hanatsarana ny fomba fankalazana izany ny mpitoraka bilaogy noho ny tsy fisian'ny olona tsarovana manokana tamin'ity taona ity.
Ny Fiankohofana Amin'Olo-malaza Mpanao Politika Ao Trinite sy Tobago
Leo ny adihevitra politika ao Trinite sy Tobago, kapotsaka toy ny trondro ao anaty fotaka, ny mpitoraka bilaogy iray momba ny politika, nandroso hevitra hoe tokony hangatahan'ny vahoaka mpifidy mba hiresaka mikasika toe-javatra misy ireo mpanao politika.
Trinite & Tobago: I Kolkata Ve No Nosafidian'i Narine Fa Tsy i Antilles Andrefana?
Tsy nifantina an'i Sunil Narine izay mpanipy baolina mahay ny kaomity mpitantana ny lalao Cricket any Antilles Andrefana amin'ny lalao andrana rehetra mbola ho avy ka hifaninànana amin'i Nouvelle Zélande satria mieritreritra izy ireo fa efa nisafidy hiditra amin'ny ekipan'ny firenena hafa izy.
Asehoy Ahy Ny Vola : Tsy Mbola Voaloa Ny Onitra Noho Ny Trangam-panavakavahana Karaibiana
Valo volana aty aorian'ny namoahan'ny Fitsaràna Karaibiana didy tamin'ny fandreseny, mbola tsy naharay ny onitra tokony homena azy ihany i Shanique Myrie, izay nampiboridanina nozahàna ary tsy navela niditra tao Barbade.
“Akaro Ny Feonao – Fa Tsy Ny Haavon'ny Ranomasina” : Karaiba Sy Ny Andro Manerantany Hoan'ny Tontolo Iainana
Mandray fepetra manoloana ny fikorontanan'ny toetr'andro ny nosy Karaiba. Miresaka momba ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny Tontolo Iainana ny bilaogera ao amin'ny faritra.
Fanendrena Manatantara Ao Amin'ny Fitsarana Tampony Ao Pôrtô Rikô
Maite Oronoz Rodríguez no vehivavy lesbiana voalohany voatendry teo amin'ny toeran'ny mpitsara ao amin'ny Fitsarana Tampony ao Pôrtô Rikô.
Eny An-Dranomasina ho Fanohanana Ilay Gadra Politika Oscar López Rivera
33 taona izao no nitazonana am-ponja ao Etazonia ilay gadra politika portorikana. Nisy fihetsiketsehana notontosaina tao Porto Rico hanoherana io fitazonana am-ponja io.