· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Janoary, 2013

Jamaika: Ho Avy Ny Tafiotran-Trosa?

  23 Janoary 2013

Somary nanindrona ihany ny tontolon'ny bilaogy Jamaikana, hatramin'ny namoahan'ny Chicago Tribune lahatsoratra iray tamin'ny 08 Janoary 2013 izay mampitaha ny toe-bolan'i Jamaika sy Gresy, firenena izay heverin'ny sasany fa ny marefo indrindra ara-toe-karena eto amin'izao tontolo izao.

Richard Blanco: Poeta Latina Voalohany Tamin'ny Fianianan'ny Filoha Amerikana

  23 Janoary 2013

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity] Nankinin’ny filohan'i Etazonia, Barack Obama tamin'ilay poeta Richard Blanco (@rblancopoet), zanaka lahinà kiobàna mpifindra monina ny fanoratana ny tononkalo tamin'ny fianianana nataony. Izy no poeta Latina, mpiteny espaniola ary “gay” (pelaka) voalohany nahazo izany voninahitra izany. Araka ny filazan'ny lahatsoratra tao amin'ny New York Times, mahatsiaro «...

“Ny fanjaitra” Tantara Iray Hafa Mikasika Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Nanova Taovam-pananahana Any Porto Rikò

  23 Janoary 2013

Matetika amin'ny alina no mivenjivenjy manao ny asany eny amin'ny sisin-dalan'ny tanan-dehiben'i San Juan, ireo mpikambana avy amin'ny vondrompiarahamonin'ireo 'trans' (olona nanova taovam-pananahana) ao amin'ny faritr'i Santurce avy any Porto Riko.“Ny fanjaitra”, fanadihadiana iray vaovao tarihin'ilay mpamokatra horonantsary iray avy eo an-toerana antsoina hoe Carmen Oquendo-Villar, izay tsy miompana loatra amin'ny zava-mitranga eny an-dalana; fa mifantoka kosa amin'ny endrika ambadiky ny sehatra dia ny hatsaran'ny asa hita eny an-dalana izay ametrahan'ireo mpiasan'ny sisin-dalana fitokisana.

Tsy Misy Fahazoan-dàlana Hivoaka: Miteny Ireo Kiobàna Any Am-pielezana

  16 Janoary 2013

aorian'ireo vinavina, nitranga ihany ilay izy nony farany. Nofoanan'ny governemanta Kiobàna ny filàna fahazoan-dàlana hivoaka - indrindra fa ny fanomezan-dàlan'ny fanjakana - handao ny firenena. Ireo bilaogera, avy amin'ny Kiobàna any am-pielezana no ankamaroan'izy ireny, dia nizara ny fomba fisainany mikasika ity fivoaran-draharaha vaovao ity.

Miaro Tena Amin'ireo Fiampangàn'i Esperanza Aguirre Ny Kiobàna

  12 Janoary 2013

Nilaza ny filohan'ny antokom-bahoaka (Partido Popular-PP) ao Madrid, Esperanza Aguirre, fa tsy nankato "fitsaràna tao Kioba izy, na endrika ahoana na ahoana." Nantsoiny hoe "fampijaliana" ny fotoana lanin'i Ángel Carromero, Sekretera lefitry ny Sampana Tanora ao amin'ny Antokom-bahoaka tany am-ponja, taorian'ny nanamelohana higadra tao La Havane noho ny "famonoana olona tsy niniana," tanaty lozam-pifamoivoizana izay nahafaty an'ireo Kiobana mpanohitra, Oswaldo Payá sy Harold Cepero. Mihetsika ny tontlon'ny bilaogy Kiobàna.

Fitsidihan'ny Mpanjaka Telo An'i New York

  11 Janoary 2013

Tonga ireo mpanjaka telo ary lasa, saingy tsy maintsy nandalo ny tanànan'i New York hiara-hankalaza amin'ny kilonga an-jatony nanatrika sy nandray anjara tamin'ny lanonana. Anisan'ny kolontsaina nentin-drazana hatramin'ny taonjato maro ity fomba fankalazana krismasy PortoRikana sy Amerikana Latina ity.

Tsaitsaikan'ny Nenti-paharazana, Nandray Ny Taona Vaovao i Kiobà

  09 Janoary 2013

[Amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana] Nanamarika ny taona 2012 ny fitsidihan'ny Papa Benoît XVI tao Kiobà, ny fahasimbana nateraky ny tafio-drivotra Sandy, ny fametrahana lalàna mampiady hevitra momba ny fampiasan'ny vahoaka ny mozika, anisan'ireo zava-niseho nanamarika ihany koa ny tontolon'ny bilaogy tao amin'ny...