· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Mey, 2012

Kiobà: Ny Toetry Ny Zon'olombelona

  29 Mey 2012

Nahatonga ny mpamahana bolongana haneho hevitra ny fangataham-baovao vao haingana nataon'ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana Manohitra ny Fampijaliana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Kiobà.

Karaiba: Ho Fanohanana Ny Renintsika

  29 Mey 2012

Ho fanomanana ny fetin'ny reny hodiavintsika, andao hojerena ny eritreritra mandalo sy ny resaka ataon'ny any amin'ny faritra Karaiba izay nankalaza izany tamin'ny alahady nialoha ny pentekositra teo. Samy manana ny andro hankalazana ny fetin'ny reny manko...

Kiobà : Bilaogera voatsiratsira tamin’ny fanambaran’ny Arseveka

  23 Mey 2012

Tahaka ny tsy mbola ampy tamin'ny arseveka ny nikosikosehana ireo bilaogera tamin’ny fitsidihana farany nataon'ny Papa farany teo tany Kiobà indrindra ny fangatahany hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny fiangonana ary ny tsy fitadiavany fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fifampiresahana eo amin'ny papa sy ireo vondrona mpisintaka – nandritra ny fandraisam-pitenenana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Harvard. Milaza ireo mpanao fihetsiketsehana...

Martinika: Sarimihetsika “Think Like A Man”, Afa-tsy Ao Frantsa Ihany

  14 Mey 2012

Fanavaozam-baovao: 23 Mey 2012, 9:20 pm Takatray ny filazana avy ao amin'ny vohikala Allo Ciné cinema fa “hivoaka tsy ho ela” araka ny efa voasoratra elaela ihany ny sarimihetsika “Think Like a Man” . Miala tsiny ho an'ny mpampiely ny sarimihetsika, araka ny fanambarana ato, milaza fa tsy nisy mihitsy fikasana famoahana...

Kiobà: Aiza Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-Gazety?

  07 Mey 2012

Andron'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny andro androany (3 Mey 2012) – saingy eo amin'ny tontolon'ny bilaogy ao Karaiba, mpamahana bolongana vitsy an'isa no hany mba naneho hevitra mikasika ny lohahevitra. Nandefa vaovao mikasika izany andro izany ny Notes from the Cuban Exile Quarter, izay nanazava hoe:’ Nanambara ny Firenena Mikambana tamin'ny 20 Desambra 1993 fa ny...

Frantsa : Fihetseham-po An-tsary ny Valim-Pifidianana Filoham-Pirenena

  06 Mey 2012

Nivoaka ny valim-pifidianana ny filoham-pirenena frantsay 2012, ny fahafolo nandritra ny Repoblika fahadimy ny 6 mey 2012. Tamin'ny fifidianana fiodinana voalohany 22 avrily, nitarika i François Hollande ka teo alohan'i Nicolas Sarkozy tamin'ny ampaham-bato 28,63 % sy 27,18 % tamin'ny vato manankery. Tamin'ny fiodianana faharoa kosa, François Hollande nahazo ny...