· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Septambra, 2010

Bermudes: Miady amin'ny rivo-doza Igor

  23 Septambra 2010

Ny zavatra marina raha jerena ny anarany, ny rivo-doza Igor , hatramin'izao, no lehibe sady natanjaka indrindra tamin'ity vanim-potoan'ny rivo-doza 2010 ity tany Atlantika, rivo-doza izay namely ny nosy kely Bermudes na dia mizotra mankany amin'ny Terre-Neuve, Canada aza izy. Manangona vaovao any ivelan'ny toha-drano ireo mpitoraka bilaogy vitsivitsy any an-toerana…...

Karaiba: Veloma i Arrow

  21 Septambra 2010

Misaona ny fahalasanan'ny iray amin'ireo rain'ny mozika soca any amin'ny faritra - Alphonsus Cassell, fantatra kokoa amin'ny anarana "Arrow", ireo mpitoraka blaogy any Karaiba - ny hirany hoe Hot, Hot, Hot dia be mpitia tokoa ary nitondra nankamin'ny fitiavan'izao tontolo izao ny soca....

Barbados: Olona enina voaroba; navela ho faty tanaty afo

  07 Septambra 2010

Mbola tankina ny Barbados anio noho izy miady amin'ny zava-misy antsoin'ny haino aman-jery any an-toerana hoe "tranga nivoaka mivantana avy any anatin'ny tantara mitohy mampitaintaina CSI", fa hay afaka mitranga any amin'ilay nosy feno fandriam-pahalemana koa izany. Toa nanomboka tamin'ny halatra, dia niafara tamin'ny vono olona noho ireo olona noahiahiana nandrehitra afo tamin'ilay tranobe mialoha ny nitsoahan-dry ireo, ka namela ireo tra-doza voafandrika tao anatiny.

Karaiba: Fanarahana an'i “Earl”

  01 Septambra 2010

Tonga indray ilay fotoana: vanim-potoanan'ny tafio-drivotra. Ka ireo mpitoraka blaogy any amin'ny faritra, voadona tamin'ireo tafio-drivotra mahery be taloha, dia manara-maso akaiky ny tafio-drivotra Earl, izay nosokajiana ho tafio-drivotra sokajy faha-3. Mandritra ireo 36 hatramin'ny 48 ora ho avy dia eritreretina handalo anyamin'ireo nosy Virjinia Amerikana sy Porto Rico izy, ankoatr'ireo nosy hafa.