· Oktobra, 2008

Tantara mikasika ny Karaiba tamin'ny Oktobra, 2008

Haiti: ny faneken'i Powell

  23 Oktobra 2008

Lavitra dia lavitry ny fahatalanjonana mahita ny fanohanan'i Colin Powell an'i Barack Obama, The Haitian Blogger no miteny: “Eto Haiti, Powell no ‘Mpitarika Mainty niandraikitra ny’ fandravana ny demôkrasia teto Haiti sy nametraka ny saribakolin'ny fitondran'i Bush, Gerard Latortue.”

Barbada, Trinite sy Tôbagô: Dokambarotra ratsy

  23 Oktobra 2008

Satria moa nipongatra indray ny fanafihana mpizahatany tao Tobago, Bajan Global Report no miteny: “fa na  toy ny tsy misy dikany io na mampatahotra, dia tsy tokony ho ekentsika velively ny lazan'ny fanafihana mpizahantany. Amin'ny mahavahiny azy ireo eto amin'ny faritra misy antsika, ny adidintsika dia ny miaro ny diany...

Belizy: Tondra-drano

  21 Oktobra 2008

“Nampitoka-monina ny tanàna kely sy lehibe maro sy nahatonga fialana tamin'ny toerana iva, nanimba ny voka-pambolena sy fikatonan'ny sekoly maro any amin'ny faritra afovoany sy andrefan'i Belizy ny fitondrahan'ny rano (raiso amin'ny teny hoe tondra-drano) tany amin'ity firenena ity…”: hoy Belizean namelabelatra tamin'ny antsipiriany.

Jamaika:Fisaonam-pirenena

  05 Oktobra 2008

Iray volana sy tapany lasa izay dia firenena ravo sy tretrika i Jamaika raha nankalaza ny fandresena azon’ireo mahery fo Olaimpikany. Tamin’ity herinandro ity, dia firenena iray fanina no nisaona tamin’ny nahitàna ny vatana tsy nisy lohan’ilay tovovavy kely Ananda Dean novinavinaina ho eo amin’ny 11 taona eo efa ho...

Dominika : Fahaleovantena

  03 Oktobra 2008

Dominica Weekly no manapariaka sarin'ny fety fanokafana ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny fahaleovantenan'ny nosy Dominika.