The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

U.S.A. Sokajy ara-tany

RSS ho an ny U.S.A.

2008-04-27

Siria:Vaovao mipoapoaka momba ny niokleary

Omaly, Ny CIA dia namoaka vaovao momba ilay tondroina ho foto-drafitrasa (reacteur) niokleary Siriana naorin’ny Koreana tavaratra. Nitalakotrokotroka ny fivoak’izany tamin’ireo fampahalalam-baovao samihafa. Ny tantara dia nanomboka tamin’ilay fanafihana an’habakabaka tsy fantatra antony nataon’i Israely tany avaratr’i Siria tamin’ny Septambra 2007. Taorian’izay dia nandeha be ny resaka momba ny mety ho ...

2008-04-20

Trinite sy Tôbagô , USA, Afrika, Italia : Fivavahana sy Pôlitika

Jeremy Taylor no manapariaka ao amin'ny blaoginy Notes from Port of Spain [tanana any Trinite sy Tôbagô ny Port of Spain] izay fijeriny ireo lohahevitra misongadina vokatry ny fandalovan'ny Papa Ray Masina tany Zamerika [USA]: It's not enough for the Pope to be ‘ashamed' of his American paedophile priests…he also has ...

2008-04-15

Fampielezan-kevitra anaty tranonkala ho an’i Obama mampizarazara ny mpitoraka blaogy Etiopiana

Nanambatra ny hery ara-politikany ny Diaspora Etiopiana any Etazonia, manomana tranonkala, fihaonana sy fampielezan-kevitra amin’ny mailaka mba handresena lahatra ireo mpiray fiaviana aminy hanohana ny fihazakazahan’i Barack Obama ho filoham-pirenena. Etiopiana maro mpitoraka blaogy no tonga namaly ny antso, nampanantena vola sy vato ho an’ny mpilatsaka Demokraty izay avy any Kenya ...

2008-04-05

Breaking News ,
War & Conflict

Emgee ao amin’ny Qatar Living (miaina i Qatar) no manome rohy amin’izay tantarain’i Al Jazeera izay milaza fa:

“Nisy fiaramanidina mpiady Amerikana iray tra-doza tao amin’ny tobim-pamaharana tao al-Udeid any Qatar. Nanana olana ara-teknika ilay mpandatsaka baomba B1 teo ampidinana ary nipoaka raha vao nikasi-tany tao amin’ny toby miaramila izay miala tokony ho 35km avy eo Doha renivohitra tamin’ny Zoma alina.”

2008-03-26

Tontolo iainana : Mpanao hatsikana Colbert momba ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny RanoVideo post

Tim Hurst no manapariaka ao amin'ny blaogy ecopolitology lahatsary vitsivitsy ahitana an'i Colbert mankalaza ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano : Stephen Colbert celebrates World Water Day - the way only he could “Nankalaza ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano arak'izay fomba tokana azony natao i Stephen Colbert” Stephen Colbert dia mpanao hatsikana fata-daza any ...

2008-03-17

Elections ,
Media

Mamela hafatra momba ny op-ed nosoratan'ny prezidanta voafidy Serge Sargsyan sy ny mpisolo vava tao amin'ny parliamanta taloha Artur Baghdasarian, voatontan'ny Washington Post i Unzipped. Ity op-ed ity dia valin'ny op-ed anankiray nosoratan'ny lehiben'ny mpanohitra sy prezidanta taloha Levon Ter-Petrossian, natonta tao amin'io gazety io ihany.

2008-02-21

Arabia Saodita : Tsy misy kafe hoan'ny vehivavyPhotos post

Lalla Mona avy any Arabia Saodita no manapariaka sary fandraràna roa : ny voalohany nalaina tany Amerika tamin'ny taona 1931 “Dobo filomanosana : Natokana hoan'ny fotsy hoditra” ny faharoa kosa mbola fahita ankehitriny any Arabia Saodita “Araky ny fanapahan-kevitry ny Sampana misahana ny fanapariahana ny fitondra-tena “maotina” sy fiarovana ...

2008-01-30

Elections ,
Religion

“Tokony hanahy ve aho amin'ny fanaovana ny Islam ho toy ny zavatra mampandositra ny olona? Tsy maintsy hieritreritra ve aho fa mety hahatonga ny olona ho azo fidîna na tsia ny fivavahana arahina olona iray?” hoy ny nosoratan'i Subzero Blue avy any Tonizia, rehefa avy namaky ny voasoratry ny  senatera Barack Obama namaly bontana (valim-panafihana) ny heverina fa lainga ataony momba ny finoana arahiny sy ny lalana politika nodiaviny.

2008-01-28

Hôngria : “Dia mampihoro-koditra tokoa noho i LA ve i Bodapesta ?”

Pestiside.hu no mamaly mpamaky iray avy any LA [Los Angeles, USA] izay milaza azy matahotra ny hitsidika an'i Bodapetsa : Anyway, we'll take it as a compliment. “Na izany na tsy izany raisinay ho toy ny fandòkana izany.”

2008-01-26

History ,
International Relations

Nanomboka namoaka andian-dahatsoratra mikendry ny handika ho amin'ny teny paortiogey ny antontan-taratasy ofisialy (an'ny fanjakana) miresaka ny nanohanan'i Etazonia ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 1964  nitranga tany Brezila Luiz Carlos Azenha [pt], Amin'izao fotoana izao moa dia hita ao amin'ny tahirin-kevitry ny Sekoly Ambony momba ny fiarovam-pirenena George Washington no misy ireo antonta-taratasy ireo. Ao amin'ny lahatsorany faharoa no amoahany ny “ hafatra avy amin'ny masoivoho tany Brezila tamin'izany fotoana izany, ho an'ny lehibeny any Washington”.