2009-08-18
2009-08-13
Mitondra VIH mamaham-bolongana: Mbola azo atao ny mitia
Na dia sarotra aza ny miresaka malalaka momba ny VIH/SIDA, dia mitombo hatrany ireo mpamaham-bolongana manerantany mireska ny fomba fiainany mitondra ny tsimok'aretina.
2009-07-30
Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia
Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo izay mameno ilay fehezanteny hoe "Ny Demokrasia dia..."
2009-07-18
Irana: Horonantsary amin'ny aterineto mampita hafatra ho an'i Joe Biden
Eo amin'ny Iraniana, Amerikana sy Iranana-Amerikana 100 eo no nandefa hafatra manokana fohy tao amin'ny YouTube mba hanohanana ny hetsiky ny mpanohitra Iraniana izay miantso ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona ho hosoka. Miantso an'i Joe Biden, filoha lefitra Amerikana, sy ny governemanta Amerikana tsy hankatoa ny governemanta Iraniana ...
2009-07-14
Tontolo Arabo: nanao veloma an'i Michael Jackson
Nanao veloma farany ilay mpanjakan'ny pop Michael Jackson ny mpitoraka bilaogy arabo manerana ny tany androany 07 jolay, tahaka ireo mpankafy marobe hafa izay nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy tao amin'ny Staples Center any Los Angeles. Indreto misy fanehoan-kevitra avy any Arabie Saodita sy Koety ary ...
2009-06-23
Korea Avaratra: Mpanao gazety Amerikana roa voasazy hiasa an-terivozona
Tsy dia mandrisika loatra ireo vaovao avy any Pyongyang. Taorian’ny niampangana azy ireo ho niditra an-tsokosoko tany Korea Avaratra, voasazy hiasa an-terivozona mandritra ny 12 taona ireo mpanao gazety Amerikana Laura Ling sy Euna Lee (araka ny re tao amin’ny CNN). Namoaka fintina am-blaogy momba ity raharaha ity ho an’ny ...
2009-06-11
Raharaham-pitiavana/fankahalan'ny Maraokana an'i Obama
Ny kabary nataon’ny filohan’ny Etazonia Barack Obama tany Kaira ho an’ny tontolo Silamo dia niteraka fihetsika niredareda tany an-toerana sy tany ivelany koa; tsy ny kely indrindra tamin’ireo mpitoraka blaogy avy any Mahgreb izay nandrakofan’ireo lahatsoratra mafana tanaty blaogy sy tweets mivantana hevitra manalokaloka mankany amin’ny fanohanana feno sy tsy ...
2009-06-08
USA: Mpanao gazety miatrika fitsarana any Korea Avaratra
Tamin'ny 4 Jona, mpanao gazety amerikana roa no notsaraina tany amin'ny Repoblika Demokratika Entim-bahoakan'i Korea (Korea Avaratra) noho ny fidiràna an-tsokosoko tao amin'ity firenena ity. Vehivavy roa, Laura Ling sy Euna Lee, izay samy mpanao gazety teratany avy ao Azia mizaka ny zom-pirenena Amerikana miasa ho an'ny Current TV, voatazona ...
2009-06-07
Kiobà, USA: Nanaiky an'i Kiobà ny Fivondronan'ny Firenena any Amerika
2009-06-04
Ejipta: Tsy ‘tongasoa' ve i Obama?
Valo amby efapolo ora mialoha ny kabary andrasan'ny tontolo arabo sy silamo fatratra hataon'ny filoha amerikana Barack Obama avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Cairo, dia saiky miray feo daholo ny tontolon'ny fitorahana blaogy Ejiptiana. Tsy faly amin'ny endrika mibaribary sy tafahoatra atao ho fikarakaràna sy fiarovana raisin'ny governemanta ejiptiana ho an'ity ...





