Global Voices teny Malagasy » U.S.A.
USA: Mampivoitra manokana ireo Silamo ao amin'ny tafika ilay vono-olona tao Fort Hood
Nahatonga ireo Silamo any Amerika ho eo ambanin'ny jirobe mpanazava indray, indrindra fa ireo ao anatin'ny tafika ilay  Tifitra variraraka iray nataon'i Nidal Malik Hasan, manamboninahitry ny tafika Amerikana, nahafatesana 13 sy naharatrana 31 tao Fort hood, Texas.
Fotoana vitsy taorian'ny nilazana fa ny Manamboninahitra  Hasan no voatondro ho ilay mpitifitra, nahitàna fahasahiranana lalina teo amin'ireo mpanolotra vaovao sy mpanadihady ny amin'ny fiaviany ara-poko sy ara-pinoana. Notaterina betsaka ihany koa fa matetika no iharan'ny antsojay avy amin'ireo olona avy ao anatin'ny antokon-tafika misy azy ihany  ireo Silamo.
Howard M. Friedman, mpampianatra lalàna fanta-daza ao amin'ny Anjerimanontolon'i  Toledo, dia milaza ao amin'ny blaoginy  ReligionClause:
“Ny tafika dia nanao fandraisana Silamo noho ny fananana traikefa amin'ny tenim-pirenena sy ny kolontsaina ilaina hiatrehana ny adin'i Iraka sy Afganistana. Na izany aza anefa dia misedra ny fiahiahian'ireo manamboninahitra mpifehy azy ireo Silamo. “
Na izany aza anefa, ny fiahiahiana ireo Silamo mpikambana ao anatin'ny antokon-tafika dia efa nisy talohan'ny nitrangan'ny tifitra, fa ny tena atahoran'ny tsirairay izao dia ny ho fitomboan'ireny noho ny vono-olona tao  Fort Hood. Mipoitra ny fanontaniana sao ny Major  Hasan ka isan'ireo henjam-pihetsika izay manao fanafihana mifototra amin'ny resa-pinoana irony, na koa marary saina tsotra izao fotsiny.
Any Canada, ny mpanoratra Gwynne Dyer, ao amin'ny gazety maimaim-poana mpivoaka isan-kerinandro any Vancouver  Straight.com, dia manoritra fa mamohafoha zavatra maro saro-pady ny fanondroana ny foto-pinoan'ilay mpamono:
“Andro vitsy taty aoriana, raha mbola nihazohazo ny fanadihadiana nanoloana ny fahasamihafan'ireo fitantarana, ny mpampahalala vaovao dia efa nametraka ny fanazavana hoe resa-poko/ fihodirana/ finoana no nahatonga ny hadalan'i Nidal. Ireo olona ratsy manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny maha-Amerikana no tomponandraikitra voalohany indrindra amin'ilay zava-doza, ary misy misy farany io.
Ny fanazavana iray tsy naroso dia ny hoe ireo ady ataon'ny Amerika any amin'ireo tany Silamo ampitan-dranomasina any dia vao mainka manamafy fo ireo Silamo ao aminy.  Tsy miraharaha hoe ireo mpampihorohoro Silamo ao an-toerana izay nanafika ny rafi-pitateran'ny Londres tamin'ny 2005, na ireo mpiray tsikombakomba Silamo isan-karazany izay voasambotra tany amina firenena Tandrefana samihafa talohan'ny hahatanterahan'ny tetik'izy ireo  dia saika nanameloka ny fananiham-bohitry ny  Tandrefana any amin'ny tany silamo avokoa ka vao mainka manamafy ny fon'izy ireo. Tsy miraharaha, indrindra indrindra, hoe ny tena vao mainka nanamafy fo azy ireo dia ny tsy fisian'ny fifandraisan'ireny fananiham-bohitra ireny amin'ny resaka fandriampahaleman'ny  Tandrefana akory”
Ny Fox News, voatsikera matetika noho ny fitsaratsaràna ataony momba ireo olana mifandraika amin'ny fifindra-monina  sy ny pôlitikan'ny fikombonana [conservative], dia voalaza fa nanao antso avo ho an'ny “fitiliana ireo Silamo” ao amin'ny tafika. Ao amin'ny vohikala Veterans Today, manamboninahitra taloha iray tao amin'ny Mpiambina ny morontsirak'i Amerika, Tom Barnes, dia miteny fa mamoromporona hevitra  hambolena fifandroritana tsisy fotony “isika mifanandrina amin-dry zareo” ilay fantsom-baovao:
“… raha fintinina dia “tsy misy ilàna azy” ilay fantsom-baovao, raha ny filazana tsy dia masosotra tany amboalohany azy ity no  hivadika ho tafika masin'ny Fox Channel mifanandrina amin-dry “zareo” atsy ho atsy ity fanontaniana azo leferina ity atsy ho atsy. Tsy hoe lasa mitarazoka ihany ity zavatra ity, fa sady mampidi-doza ihany koa. Eto ny tantara.
Araka ny efa nolazaiko tery aloha, efa nitranga taloha tao amin'ny Tafika Amerikana ny tranga toy izao. Efa leon'ny Fox News manondro amiko hoe iza avy no fahavaloko aho. Isaky ny mihetsika. Tsy ankijanona. Tsy azoko veroka mihitsy fa be loatra ilay  “ry zareo” eny rehetra eny!”
Maromaro izao ireo gazety mandinika ny hoe ahoana ny fiantraikan'ny fihetsik'i Major Hasan amin'ireo Silamo miasa amin'ny tafika Amerikana, sy ireo Silamo monina manodidina an'i Fort Hood.
Ity misy video notaterin'i euroamericannews tao amin'ny YouTube momba ny fomba fijeren'ireo Silamo monina any Fort Hood ireo zava-tranga.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/N8Azg9TxYkM&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/N8Azg9TxYkM&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Satria mbola mitohy ny fanadihadiana momba ilay vonoolona, mbola hitohy hibanjina an'ireo Silamo miasa ho an'ny tafika koa ny mason'ny rehetra.
Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana
Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambàra fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovy fihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”
“Ny lalànan'i Jim Crow” izay nitaky ny fisarahan-toeran'ny Amerikana fotsy sy mainty dia foana tamin'ny 1965, ary ireo lalàna manohitra ny fifangaroan-karazana fihodirana izay nandrara ny fifanambadiana olona tsy mitovy fihodirana na ny firaisana ara-nofo dia foana nanerana ny firenen-drehetra nanomboka ny 1967.
Nefa mbola misy hatrany ny fanavakavaham-bolon-koditra. Na dia hoe tsy hita mitsikafona aza izy ireny matetika, misy kosa fotoana anandratany ny lohany mahatsiravina amin'ny fomba  tsy takona hafenina; nahatonga lohateny lehibe maro manerana an'i Etazonia ity tantara ity, niteraka lahatsoratra blaogy maro avy amin'ny fiaraha-monina ao an-toerana sy ivelany.
Ho valin'ny “fiarovan-tena” nataon'i Bardwell hoe mampivady olon-droa mainty foana izy, nampiseho ny hatezerany ilay blaogy manohitra ny fanavakavahan-bolon-koditra, Stuff White People Do, amin'ny fitenenana fa:
Hay, toa tsara fanahy tokoa ianao, Atoa mpitsara Bardwell. Ny fiarovanao tsy lazaina intsony.
Raha ny tranon'i Bardwell no resahina, izay mino aho fa feno vahoaka keli-na zazakely fotsy sy mainty miara-milalao dia tokony hiteny an'izao koa izy:
Manana namana mainty hoditra maro dia maro tokoa aho. Mankanyany an-tranoko ry zareo, Mampivady azy ireny aho, ampiasain'izy ireo ny trano fidiovako. Raisiko tahaka ny olon-drehetra ry zareo.
Hay moa, namana mainty hoditra koa, maro be. Hatrany amin'ny trano fidiovany!
Mpametraka hevitra iray ao amin'ilay blaogy Siditty (izay nanoratra ny lahatsorany manokana koa  ato), dia nikitika ny momba ny eson-tenin'ny hatezeran'i Bardwell:
Manontany tena foana aho hoe fa naninona ny lehilahy avy any Louisiana, izay manan-tantara goavana momba ny fifangaroana fihodirana (volon-koditra), na amin'ny alalan'ny rafitra fametrahana na amin'ny kolontsaina kiriolona (créole), no toa niditra tamin'ny fiahiana ny ankizy tampoka teo? Tsy niasa saina momba izany ry zareo tany amin'ny taona 1700 tany, tsy tokony koa izy ankehitriny.
Ny blaogy Racism Review dia nanohitra ny “fiasàn'i Bardwell saina momba ny taranaka” tamina porofo momba ireo zaza teraka avy amin'ny fiarahan'olona tsy mitovy fihodirana:
Ary, mba handalinana kokoa ilay porofo, tsy mijaly ireo zaza teraka tamina fifanambadiana tsy mitovy fihodirana raha ampitahaina amin'ireo zaza hafa raha miaina anaty tontolo manaiky ny fahasamihafana sy ny zaza teraka tamina fifanambadian'ny tsy mitovy fihodirana izy ireo. Raha sendra fanavakavahana ireny zaza teraka tamina fifanambadiana tsy mitovy fihodirana ireny (sy tsy fitoviana ara-drafitra hafa), dia mety hisedra adin-tsaina izy ireo, ary koa aretina mifandraika amin'izany adin-tsaina mitombo izany, toy ny fidorohana sy ny fibobohana. Izany no vokatry ny fanavakavahana, ary antony iray hafa tokony hanaovana izay hahafoana ny fanavakavahana.  Fa  tsy tokony ho antony – raha atsimbadika ny lojika – hanamafisana ny fanavakavahana izany.
Ary Black Girl in Maine koa dia niresaka  tsara momba ilay fanontaniana  “ahoana ny momba ireo zaza?”, ka nilaza ny zava-niainan'ny zanakalahiny izay metisy:
Ary ho an'ireo ankizy, ahoana ny momba azy ireo? Eny, indraindray ireo ankizy metisy dia ampijalian'ny hafa nefa tsy matetika izany, ary izaho aza mieritreritra fa amin'ny tanora ankehitriny dia efa saika mahafinaritra izany hoe metisy izany. Araka ny nolazain'ny namako ahy dia tsy mijaly noho ny tsy fananany namana lahy na vavy,  ny zanako lahy. Amiko, ny fotoana mety hananan'ireo zaza metisy olana goavana dia rehefa tsy misy na iza na mba  hiresahany momba izay razambeny. Amiko rehefa mifandray amin'ny razambeny sy ny foko ara-tantara ireo ankizy dia mamorona toeram-piadanana ho azy ireo izany.
Any Etazonia, misy lalàna maro manohitra ny maha-metisy any amin'ireo firenena maro, mandràra ny fanambadiana eo amina Amerikana fotsy hoditra sy Amerikana mainty hoditra (ary Amerikana avy amina fihodirana hafa).  Raha tany amin'ireo firenen-kafa kosa, nofoanana nanomboka tamin'ny taona 1780 ireny lalàna ireny, tany amina firenena enina ambin'ny folo tsy nofoanana ireo lalàna ireo raha tsy taorian'ilay tranga Loving vs. Virginia tamin'ny 1967, izay nisamborana tany am-pandriana mpivady tsy mitovy fihodirana, nivady tany Washington, D.C..  Tonga hatrany amin'ny Fitsaràna Avon'ny Etazonia ny ady ara-dalànan'izy ireo, ary nofoanana tamin'izay ireo lalàna.
Mpitoraka blaogy maromaro no niresaka momba ny endrika araka ny lalànan'ity raharaha ity. Misy mpitoraka blaogy iray, Jay Says, manoratra:
Amin'ny maha-Mpitsara misahana ny fandriampahalemana azy, tokony hahafantatra izy fa tsy voarara intsony ny fanambadiana tsy mitovy fihodirana – nambara ho tsy araka ny lalampanorenana, 40 taona lasa izay. Ity ohatra miavaka ity dia nipoitra taorian'ny Diabem-pirenena  ho an'ny Fitovian-jo tamin'ity herinandro ity, ka nanadihadiako fohy mpifankatia tsotra tsy mitovy fihodirana, ry Newmans (horonantsary) ny momba ny antony anaovan'izy ireo izany diabe izany.
Ny fanavakavahana volon-koditra, sokajy, lahy na vavy, fankahalana vahiny, tsy fandeferana ara-pinoana sy ny sisa dia afaka ary misy eo amin'ny fiaraha-monintsika, nefa tsy tokony hisy izy ireny ho arovan' ny  lalàna. Mahasosotra ny famelàna mpiasan'ny governemanta mikarama amin'ny hetran'ny “olona afak'i”  Etazonia (na amin'ity tranga iray ity, firenena iray any Etazonia) hampiasa ny faharesendahatra azy manokana mba hanapahana ny momba ireo olana izay tantanin'ny lalàna sivily. Raha tsy manaiky ny fifanambadian'ny tsy mitovy fihodirana izy dia tokony hitady asa vaovao – mety hoe Lehiben'ny  Ku Klux Klan ohatra?
Farany, nisy mpitoraka blaogy iray nanaraotra ka namadika ity trangan-javatra iray ity ho fotoana hakàna lesona. Ilay mpitoraka blaogy, manoratra ilay blaogy Inona no mba haiko? [What Do I Know?], dia nangataka ireo mpamaky mba hieritreritra ny fihetseham-pony tsirairay avy momba ity resaka ity:
Raha manahy ianao fa mbola velona anatintsika rehetra ny fanavakavaham-bolon-koditra, eritrereto ny tenanao mivady amin'ny olona iray tsy mitovy fihodirana aminao, indrindra raha fotsy hoditra ianao dia mainty hoditra ilay olona. Eny e, tsy haninona izany ho an'ny olon-kafa, nefa tsy hahita antony tsara sy mitombina ve ianao hoe mety hanasarotra lavitra ny fiainany ny zanakao vavy rehefa hitondra ny fofombadiny mainty hoditra ho any an-trano izy? Aza mihatsara velatsihy e. Na dia miteny aza ianao hoe “Ts'isy olana” tsy ho nisalasala na dia kely fotsiny aza ve ianao? Raha tsia dia olona tsy dia fahita loatra ianao.
Amin'izao Bardwell miteny izao fa tsy hiova hevitra izy ny momba an'io, zavatra iray no tena azo antoka: tsy maintsy ho maro ny vaovao ho avy.
Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonja
Manana ny zony feno ve ny vehivavy bevohoka rehetra, sa tsy manan-jò intsony rehefa voafonja?
Izany no fanontaniana tonga ao amin'ny tena rehefa mieritreritra ny zon'ny vehivavy bevohoka voafonja hamelona sy hitaiza ny zanany raha voaheloka amin'ny heloka sasantsasany izy:
Tahaka ny ahoana moa amin'izy ireo izany hoe bevohoka na mananjanaka [mbola kely] nefa voafonja izany?
Tsy maintsy hoe laharam-pahamehana ve izy ireo raha misy ny vehivavy hafa tsy voafonja tsy mahazo fanaraha-maso ara-pahasalamana?
Ny maha-reny ve no mandrava ny lalàna hafa rehetra mba iantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka?
Etazonia: Tsy azo ekena intsony ny fametahana menôty eo ampiterahana.
Azonao eritreretina ve izany vehivavy hiteraka izany ka voapetaka menôty arakitra amin'ny fandrianany ny tanany sy ny tongony? Miteny amintsika amin'ity fomba fanao any Etazonia hatramin'izao fotoana izao ity i Malika Saada Saar, mpanorina sy tale mpanatanteraka ny Tetikasa Rebecca miaro ny zon'olombelona, fa efa fahazarana any amin'ny toera-pamonjana sasantsasany any Etazonia ny mametaka menôty ny vehivavy bevohoka mandritra ny fisafoana sy ny fiterahana, na dia mety hitera-doza amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza aza izany. Manaraka etoana ny lahatsary fanadihadiana miaraka amin'ny lahatsoratra ho an'ny RH Reality Check, tambajotran-tserasera iray miresaka sy manadihady ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="430" height="264" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/CWj1uHdxnt8&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="430" height="264" src="http://www.youtube.com/v/CWj1uHdxnt8&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Inona no mitranga ho an'ny zanaka voafonja rehefa teraka?
Samy manana ny lalàny avy ny isam-pirenena momba ireny zaza teraka tany am-pamonjana ireny. Any Arzantina, ohatra, araka ny lazain'ny Ajintem, fampahalalam-baovao an-tserasera mampahafantatra ny momba ny fifindra-monina, dia nisy lalàna manokana ho an'ny vehivavy bevohoka voafonja nolaniana tamin'ny herintaona, izay mametraka fa mahazo mamita ny saziny any amin'ny fonenany saingy mahazo alalana vao mahazo mivoaka sady arahi-maso ny vehivavy manan-janaka latsaky ny dimy taona na manana zaza sembana. Mahasoa tsy ny reny ihany izany lalàna izany, satria tsy hahazo fikarakarana ara-pahasalamana azo antoka ho azy izy mandritra ny fotoana itondrany vohoka, fa ny zaza ihany koa, izay mety ho notezaina tao anatin'ny tontolo tsy misy fahafahana sady tsizarizary ny sakafo sy ny fanaraha-maso ara-pahasalamana, na mety hotezaina lavitra an-dreniny, izay mety hiteraka olana maro isan-karazany ihany koa. Na izany aza dia hafatra ampitaina amin'ny Mpitsara io hanarahany ny hevitry ny lalàna sy hanomezany alalana ireo vehivavy tsy tafiditra amina heloka miharo herisetra, ary hanomezana toky ihany koa ny mponina sivily fa tsy lalana malalaka ivoahana ny fonja tsy akory ny fitondrana vohoka.
Any amin'ny nosy Canary indray, araka ny filazan'ny bolongana Prisiones y Penas, izay miresaka ny momba sy ny lohahevitra mahakasika ny toera-pamonjana, dia mahazo alalana hitazona ny zanany hatramin'ny faha-3 taonany hiray efitra aminy ao am-ponja ny vehivavy, saingy miaraka amin'ireo vehivavy hafa miara-voafonja aminy ihany koa, izay tsy ny tontolo tsara indrindra. Avy amin'izany dia efa nilazana ny vehivavy bevohoka na manana zaza latsaky ny 3 taona hiditra ny fonja fa tsy mahasoa ny zaza ny mitombo any ambadiky ny fefy vy, ka omena safidy izy ireo ny hamoaka ny zanany ho any amin'ny fianakaviana. Tahaka izany ihany koa no mitranga any Peru sy Rosia. Any Etazonia dia toera-pamonjana roa ihany no manome alalana tahaka izany, any New York sy any Nebraska, araka izay nolazain'ilay mpaka sary malaza Jane Evelyn Atwood ao amin'ny sary fanadihadiana misy fizarana 3 nataony ho an'ny Amnesty International,  antsoiny hoe Too Much Time[na: Ela loatra], izay nitsidihany toera-pamonjana ampolony manerantany sy nandraketany sy nanangonany fanadihadiana ny fiainan'ny voafonja.
Nahoana moa ny rafi-piarenana [fandraharahana ny fonja] any Etazonia amin'ny ankapobeny no mtsy mamela ny vehivavy hitazona ny zanany hiaraka aminy? Nohazavain'i Atwood fa tsy navela natao izany noho ny mety hisiana fanaovana takalon' aina. Ao amin'ny Prison Photography Blog no hanaovan'izy ireo izao filazana izao:
Tsy mahazo miditra ny fonja afa-tsy amin'ny toerana roa  ny kilonga any Etazonia. Eo amin'ny fiarovana no ambara fa anton'izany: aina marefo lalandava sy mety ho lasa takalon'ania mandrakariva izany kilonga any am-ponja izany. Mihanjahanja izany fanambarana izany rehefa itodihana ny rafi-piarenan'ny firenen-kafa.
Ny ango-panadihadian'i Atwood ao amin'ny songadin'ny vohikalan'ny Amnesty International no ilazany izany miteraka mipetaka menôty izany araka izay efa navoakan'i Vanessa's Baby sy ny momba ny rafi-piarenana sy ny fiainana maha-reny, omban'ny sary mandritra ny hamakiany ny lahatsoratra miresaka ny zavatra hitany tany am-pitsidihana fonja isan-karazany sy nakany saripika.
Entina mifampiraharaha ve ny fitondrana vohoka?
Nahoana no mampiroanahana tahaka izany ny zon'ny vehivavy bevohoka voafonja? Ao amin'ny Russia Today, televiziona Rosiana iray, dia voatonona ity lohahevitra ity rehefa noresahina ny momba ny zaza teraka sy nobeazina tany amin'ny rafi-piarenana rosiana:
Misy ny mihevitra fa manao izay hahabevohoka azy fotsiny ny reny sasantsasany hahamora kokoa ny fiainany any am-pamonjana. Miaina any amin'ny Hopitaly, manana fotoana be dia be voarafitra ahafahana miaraka amin'ny kilonga – tsara kokoa izany rehetra izany noho ny mipetraka anaty tranovato, hoy ny filazan'izy ireo.
Ary misy ny vehivavy taratra ihany fa ny fitondrana vohoka no lalana tokana ahafahana miala amin'ny fanefana sazy, tahaka izay nitranga tamin'ny volana jona teo, raha nogadraina sy nohelohina ho faty ny vehivavy anglisy iray  tany Laos noho ny raharaha zavamahadomelina fa bevohoka tany am-pigadrana izy, rehefa tsy mamono ho faty ny vehivavy bevohoka ny fitondrana any Laos.  Ny filazana nataon'ny Daily Express, gazety anglisy iray, no nahafantarana fa natsaika tamin'ny fomba artifisialy ravehivavy mba hanavotana azy.
Mitantara ny amin'ny zanany sy ny fiainana voafonja araka ny fiteniny ny vehivavy
Geraldin Rodríguez, Arzantiniana voafonja any Ekoatera noho ny fanondranana zava-mahadomelina no niresaka tamin'i Marcos Brugiati, mpanoratra sady nampiroborobo tamin'ny famoahana an-tserasera ny resaka zavakanto Plastica-Argentina, ny tantaran'ny fanaovana teathra any am-pigadrana, izany bevohoka any am-ponja ary ny nananany zaza. Nahazo alalana ny hitazona ny zanany hiaraka aminy izy saingy naleony mihalehibe  any ampahalalahana ny zanany:
“Decidí que salga para vivir, tenía miedo que sufra de grande los traumas que hoy tengo. Se lo llevó al año mi hermano quien se hice cargo con su esposa”.
Nanapa-kevitra aho fa aleoko mandeha izy mba hiaina, matahotra aho fandrao miaina ny takaitra izay iainako ihany koa izy. Herintaona taoriana dia nalain'ny anadahiko sy ny vadiny izy hotezainy.
Migadra any amin'ny fonja Espaniola i Juvinete, ary bevohoka rehefa nohidiana noho ny resaka fanondranana zava-mahadomelina. Nitantara ny fiainany tamina gazetim-paritra NorteCastilla izy. Telo taona taorian'ny niterahany ny zanany tany am-ponja dia tsy maintsy nosarahina taminy ny zaza, ary nalefa tany amin'ny fianakaviana vonon-kandray ny zaza. Mifankahita amin-janany vavy isaky ny 15 andro i Juvinete ary mahazo alalana hivoaka 2 herinandro hiara-miaina aminy isaky ny roa volana. Saingy mety tsy hihatsara ny toe-draharaha: Mety halefa any amin'ny firenena niaviany any Brezila manko i Juvinete, ary manahy ny mety ho fiantraikan'izany fiovana izany amin-janany. Ary dia nanome soso-kevitra  ho an'ny vehivavy rehetra mihevitra ny hitondra vohoka any am-ponja izy:
-Intento convencerlas para que no se queden en estado dentro porque ver a un niño privado de libertad es muy duro, es irresponsable. Ellos no tienen que pagar nuestros errores.
Miezaka aho ny mandresy lahatra azy ireo tsy ho bevohoka am-ponja izany fa manohina tokoa ny mahita ny kilonga tsy manam-pahafahana, maneho tsy fahaiza-mandray andraikitra izany. Tsy tokony hosaziana noho ny fahadisoantsika izy ireny.
Ao amin'ny Woman and Prison,[ny vehivavy sy ny fonja] vohikala natao hanairana ny mhatra amin'ny vehivavy any amin'ny toera-piarenana, no iresahan'i Kebby Warner ny nitondrany vohoka tany amin'ny fonja amerikana, nitantarany ny nanaovana azy nandritra ny nitondrany vohokan niterahany sy ny taorian'izany, rehefa nalaina taminy ny zanany. Toy izao ny notsongaina tamin'izay nosoratany teo ampiterahana:
Tsy misy mahazo miditra ao an'efitra mandritra ny fiterahana. Tsy nahalala ny niterahako zazavavy akory ny fianakaviako raha tsy efa nandao ny hopitaly aho. Mipetraka ao an'efitra ny mpiambina nandritra ny telo andro, saingy mimenomenona matetika ry zareo rehefa asain'ny mpitsabo mpanampy hivoaka ny efitra. Efa reko ny tantara mampihorokoditra milaza fa petahina menôty eo am-pandrianany ny vehivavy. Faly tokoa aho fa tsy mba nanaovana izany. Maro tamin'ny mpitsabo mpanampy no nikarakara ahy amin'ny mahaolona fa tsy amin'ny mahavoafonja ahy.
Mbola misy tantara hafa azonao vakiana momba ny fitomboana miaraka amin'ny havana any am-ponja sy ny fiantraikany isan-karazany amin'ny zanaky ny  vehivavy voafonja koa ao amin'ny Women and Prison[vehivavy sy ny fonja].
Koa ahoana ary ny eritreritrao? Mahita ireo vehivavy bevohoka manerantany tsy mahazo fikarakarana ara-pahasalamana, mbola tokony hisy ve ny ezaka fanampiny omena ireo vehivavy voafonja? Misy ve ny fahasamihafana eo amin'ny vehivavy mamita sazy sy ireo izay ivelan'izany? Tokony hokarakaraina manokana ve izy ireo?
Ny sary nampiasaina handravaka ny lahatsoratra dia “17 de noviembre” an'i daquella manera.
Juliana Rincón Parra
Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
Isaorana ny vaomieran'ny loka Nobel fa nanala andro anay izy androany. Maro angamba ny olona no tsy matoky hoe nahoana moa no nomem-boninahitra ny filoha Amerikana Barack Obama, sady mihevitra fa tsy mendrika azy izany. Saingy faly avokoa izy rehetra, fa mampisy fanantenana azy ireo izao fa hay mety hahazo ny loka avokoa ny tsirairay. Tsy vitan'ny hoe ny olo-tsotra ihany no hendratra, fa na dia ny Associate Press aza dia mitovy fijery amin'izy ireo:
Voninahitra lehibe ho an'ny iray amin'ny filoha Amerikana tanora indrindra, izay tsy mbola ampy sivy volana ny nandraisany ny asany — ary vao 12 andro monja mialoha ny andro farany hanaovana ny fifantenana izany tamin'ny volana febroary izany.
Taratra fa noho ny fampanantenana no tena nahazoan'i Obama ny loka fa tsy noho ny zava-bitany.
Ny hevitry ny Ejypsiana nandritra ny fotoam-panambarana  tao amin'ny Twitter
@amradelamin: Azon'i Obama ny loka Nobel fandriampahalemana.
@fustat: Notolorana ny loka Nobel fandriampahalemana 2009 ny filoha
Ary gaga tanteraka ny sasany.
Ghafari: نعم! اوباما فاز بنوبل للسلام؟ سلام ايه؟ وفين وامته؟.
@Ghafari: Eny! Nomena an'i Obama ny loka Nobel fandriampahalemana? Fandriampahalemana inona? Oviana ary tamin'ny fomba ahoana?
@embee: Obama? WTF?
@alaa: Ompao aho kle. Ny filohan'ny firenena nanangana ady amin'ny firenena roa (tsy lazaiko ny any Pakistan) ve no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
@waelabbas: Nahazo ny loka Nobel tamin'ny fanampiana ny mpanao didy jadona i Obama
@Ssirgany: Nifarana tamin'ny 1 febroary ny faran'ny fifantenana ny olona hahazo ny loka Nobel, izany hoe 10 andro monja taorian'ny nandraisany ny asany. Inona no vitany tao anatin'ny 10 andro?
Ary dia nanomboka nanala azy ny ankamaroany
@nightS: Obama sy ny loka Nobel fandriampahalemana?!?!?! heveriko fa vaovao tsara izany..Ny tiako lazaina dia mety hahazo io ihany koa aho amin'ny 2010 reheefa tena hitan-dry zareo fa mendrika an'io izy!!
@Sarahcarr: Tokony hotontosaina any Afghanistan ny fanolorana ny loka Nobel ary atrehin'ny havan'ireo sivily najedaky ny miaramilan'i Obama.
@minazekri: Azon'Atoa Obama ny lokan'i Nobel fandriampahalemana  noho ny nampitomboany ny isan'ny miaramila hiady any Afghanistan.
@minazekri: Afghanistan, Iraq ary ankehitriny dia HANAFAY an'i Iran koa i Obama, tena matoky aho fa izy no safidy tsara indrindra amin'ny loka Nobel fandriampahalemana
@moftasa: Mampihomehy ny fahazoan'ny mpanao politika ny loka Nobel mialoha ny hanaovany zavatra, nefa ny mpikaroka tsy mahazo azy raha tsy ampolony taona taorian'ny nampody ventiny ny rano natsakaina.
@moftasa: Nahazo ny loka Nobel momba ny fitsaboana i Barbara McClintock tamin'ny 1983 noho ny nahitany ny “gene transposition” tanelanelan'ny taona 40 sy 50.
@alaa: @moftasa ny tena mampihomehy dia ny fotoana niandrasan'i Mandela hahazoany io loka io no sady tsy maintsy nifampizarany azy tamin'ny mpanavakava-bolo-koditra mpamono olona sy ny tsy nahombiazan'i Ghandi in'efatra hahazoany azy
@WilYaWil: Mendrika hahazo ny loka Nobel noho ny kabariny i Obama fa tsy ami'ny fandriampahalemana!
@BooDy: قلت لابوي و انا صغير يابا انا عاوز آخد جايزة نوبل ضحك علي الندل و قالي ذاكر و ابقى عالم و انت تاخدها أتاريني الأسهل اني ابقى سفاح
@BooDy: Niteny tamin'ny raiko aho indray mandeha, fony mbola tanora, fa te-hahazo ny loka Nobel aho. Nitokelaka ny anao sady niteny hoe mianara mafy mba ho mpanao fikarohana raha te-hahazo, saingy hitako fa toa mora kokoa ny manao mpamono olona raha te-hahazo azy.
@WilYaWil: Notapahin'i Kanye West ny kabarin'i Obama momba ny Nobel “Avelako ianao hamarana azy, saingy ity no loka Nobel ho amin'ny fandriampahalemana ratsy indrindra hatramin'izay nisiany”
@Amiralx: Ary tokony ho izaho no hahazo ny Grammy amin'ny fihirana eo am-pandroana an!
Namoaka lahatsoratra manokana momba io ao amin'ny bolongany i Arabawy.
Nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana ny mpanombi- kenan'i (boucher) Iraq sy Afghanistan (ary Pakistan) . Arahabaina e! [Mabrouk!] Andro lehibe ho an'ny tontolo anjakan'ny fahafahana izao. Obama, Manachem Begin, Henri Kissinger–ireo olona rehetra nahatonga ity planeta ity ho  toerana maha-te-honina. Ary maninona raha mba mahazo an'io ihany koa ry Mubarak sy ry Habib el-Adly? Lasa ny hafatra ho an'ireo mpisolelaka any Nôrvezy: Ny famonoana sy ny fanajedahana no lalana atoronareo hahazoana ny loka Nobel.
Ary farany, dia misy ihany ireo manana fijery hafa:
@majdtweets: Eo amin'ny lafiny iray: Rehefa azon'i Obama izao ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana, dia mety hijoro amin'ny voninahitra azony izy ka hametraka ny fandriampahalemana amin'izay!
@sarsour: Tiako i Obama - hitako ho bandy tsara ihany ny akama. Fa mbola  be ny miandry zavatra azy MIALOHA ny hahavitany ireny.
Tarek Amr
Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet
Tamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina  Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny.
Niteny avy ao amin’ny foiben'ny Firenena Mikambana any New York, ilay nitonon-tena ho Mpanjakan’ny mpanjaka, izay mitondra an'i Libya efa ho 40 taona izao, dia niresaka nandritra ny 100 minitra  eo ho eo. Ireo lohahevitra noventesiny dia momba ny fitsikerana ny  Firenena Mikambana tamin’ny ady tany Irak sy tany Afghanistan avy eo nankany amin’ny firesahana momba ny H1N1 hatrany amin’ny faniriana mba hijanona ho Filoham-pirenena foana i Barack Obama… Tsy adino koa ny fangatahana amin’ny fanohizana ny fanadihadihana momba ny famonoana an’I JFK.
Kadhafi, izay misarika media maro ny diany noho ny fombany hafa kely sy ny fihizingizinany hipetraka any anaty  trano lay, ary niteraka hafatra marobe tao amin'ny Twitter. Any New York, natsatony teo amin'ny tanin'ny  tycoon Donald Trump - asa voatery naato noho ny fitarainan'ireo manodidina. Ny fanehoan-kevitra nateraky ny fandraisam-pitenenany dia tonga hatrany amin'ny fiantsona an'io Lehilahy Matanjaka any  Libya io ho ‘fruitcake' (adala) ka hatrany amin'ny fanehoana fitoviam-pijery momba ny toerana raisiny manoloana ireo olana maro iraisan'izao tontolo izao.
Maro tamin'ny mpampiasa Twitter no nanome naoty an'i Gaddafi tamin'ny fanolorana fanalana andro.
ThomasRon miteny:
Kalimark mponina ao New York dia mananihany miaraka amin'ny fanasongadinana tati-baovao:
Mahmoud Ahmadinejad, Hugo Chavez, Kadhafi sy Mugabe nameno ny famoaham-baovao rehetra androany - Sa mankalaza ny andron'ny gaigy isika androany?
Laura Quinny nahita hoe kabary nanala hamohamo ilay izy:
tena afa-diana tamin'ny kabarin'ny Kolonely tao aminny fihaonamben'ny Firenena Mikambana. Tena paiso
Bobonbusiness indray sahiran-tsaina amin'ny fomba fanoratana ny anarany ka manontany tena:
Qadaffi-Kaddafi-Gadaffi ve e? Dia manana endrika maro sy anarana maro ka! Anaty taratsy moforiporitra ve lery no mamaky ny kabariny e? aooouu.
Ary Matt Cundill manampy hoe:
Hafahafa ilay Gadaffi ity. Nandalo fandidiana firy? Mampahatahotra ny lokon'ny volo saritakany. Ny kabary nandritry  ny 95 minitra. Ny tranolay natsangany. N°1 amin'ny fitafy mendrika ny Halloween amin'ity taona ity
Zuzf mila bebe kokoa:
Sao misy any ho any ‘besf of ‘ amin'ny kabarin'i Gadaffi? Mba handre bebe kokoa  ny eritreriny momba ilay fihokoana momba ny gripan-kisoa.
Ary Chickyog kosa manantena ny solika Libiana:
Oh , Gadaffi, tena marary saina ianao miaraka amin'ity volo saritaka sy kabary lavabenao! BTW, AZAFADY vidio ny fitaovam-piadianay dia amidio aminay ny solikareo. Bà mamy,  avy amin'i UK xxx
Na izany aza, @bigajm manamarika fa isika rehetra dia volavolain'ireo media ireo avokoa. Hoy izy:
Mariho ny fomba nisarihan'ny ‘fampahalalam-baovao' antsika hitokelaka amin'ny kabarin'i Gadaffi re:”i Blair tokony hohenjehina amin'ny resaka heloka an'ady, tsy ilaina ny Firenena Mikambana.
Photo credit: Wikipedia
Fifaninanana Horonan-tsary: Solontenan'ny Mponina amin'ny andron'ny faha-64 taonan'ny Firenena Mikambana
Sary avy amin'i Basykes
Inona no ho lazainao ny mpitondra eran-tany raha omena anjara amin'izany  ianao? Aleo ho fantatr'izy ireo ao anatina horonan-tsary tsy mihoatra ny telo minitra ny faharetany izay heverinao fa ilaina tokony atao mba hanaovana an'izao tontolo izao ho toerana voaaro kokoa sy tsaratsara kokoa ary hahazoanao vintana mety hitsidika ny Foiben'ny Firenena Mikambana amin'ny andro fankalazana ny faha 64 taonany.
Iraky ny Fandriampahalemana avy amin'ny Firenena Mikambana ny mpilalao sarimihetsika  George Clooney, ary ao amin'ity horonantsary manaraka  navoakan'ny fahitalavitry ny Firenena Mikambana ity, manazava ny fomba ahafahanao mandray anjara izy, ary mba ho isan'ny 5 mpandresy  mety hahazo vintana handray anjara amin'ity fotoan-dehiben'ny Olo-manan-kaja ambony any amin'ny Tanànan'i New York ity.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="430" height="264" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/DnIIwV0lqqM&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="430" height="264" src="http://www.youtube.com/v/DnIIwV0lqqM&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Tsotra kely ny fitsipika arahana:
1.Forony ny video-nao, tsy atao mihoatra ny 3 minitra ny faharetany.
2. Alefao amin'ny kaontinao ao amin'ny YouTube ilay video-nao.
3. Ampio amin'ny video jerenao amin'izao fotoana izao izany, toy ny hoe VALIN'NY VIDEO.
4. Fotoana farany fisoratana: 10 Oktobra 2009
Fomba fisafidianana:
1. Ny komity no misafidy ny video 5 tsara indrindra izay napetraka tamin'ny fijerena ny votoatiny, ny maha-tokana azy sy ny famoronana.
2. Tondroina ho Solontenan'ny Mponina ireo mpandray anjara farany ireo ary hasaina any amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana any New York amin'ny fankalazana ny andron'ny faha 64 taonan'ny Firenena Mikambana.
3. Hahazo fitsidihina manokana ny Foiben'ny Firenena Mikambana izy ireo, haka sary miaraka aminin'ny Sekretera Jeneraly Ban Ki-moon ary hahazo toeran'ny Olo-manan-kaja ambony amin'ny kaonseritra ny Andron'ny Firenena Mikambana, izay hatao ny Zoma 23 Oktobra 2009.
Taty aoriana, kely noho ny indray mandraoka amin'ny tanana ny valin'ireo video  nandeha, roa avy amin'ny Etazonia (1 sy 2  ), ny iray avy any Canada ary iray avy amin'ny  Emira Arabo Mitambatra. Amin'ny 10 Oktobra ny fotoana farany, raiso ary ny fakan-tsarimihetsikareo, ary manaova vaovao, feno fahaiza-mamorona, ary fahaiza-mandrafitra!
(eSary avy amin'i  basykes, efa zatra maneho lahatsoratra miankina amin'ny Creative Commons Attribution License )
Etazonia: Hajian'ny Idy miteraka fankahalana any Tennessee
Andian'ilay hajia taona 2008 ,  nialoha ny fiakaran'ny vidim- piainana
Raha eo am-pankalazana ny Idy al-Fitr, manamarika ny fiafaran'ny volana Ramadany, indrindra ny Miozolomana any Etazonia, dia mivezivezy haingana dia haingana any ny rojon'imailaka feno fanaratsiana.  Miampanga lainga ny filoha Obama ho mamoaka hajia vaovao fahatsiarovana ny Idy roa sosona ilay imailaka ary mandrisika ny mpamaky azy hanao ankivy ilay hajia, noho ny fanafihan'ny mpampihorohoro tamin'i Etazonia nandritra ny roapolo taona.  Hitanao ao amin'ny lahatsoratr'i Missives from Marx, izay nilazany ny fahasorenany rahateo, ny lahatsoratra feno fanaratsiana iray manontolo:
Nahazo ity mailaka manaraka ity avy tamin'ny havako aho. Noho itony zavatra itony indrindra no mahatery ahy handany efatra herinandro any amin'ny Anjerimanontolo, mandritra ny taranja fivavahana tandrefana no hanapotehana ny fampahafantarana ratsy momba ny Islam. Tsy maintsy atao zava-dehibe mandritra ny fampianarako manontolo ny fananana saina mahay mamakafaka.
Rehefa jerena ihany koa dia tsy misy zava-baovao loatra mikasika ilay taratasy, na ilay hajia.  Azavain'ny About.com fa efa nivezivezy teny hatrany ity taratasy ity hatramin'ny taona 2002 raha kely indrindra, nefa efa tamin'ny 1 Septambra 2001 no nivoahan'io hajia io.
Velabelarin'i Aziz Poonwalla ao amin'ny bolongan'ny BeliefNet City of Brass, ny tantaran'ity imailaka ity:
Tratra hatrany taloha ny (laingan)'itony imailaka, nivezivezy an-tserasera nandritra ny taona maro itony, nefa dia mbola indro eo ihany ry zareo. Efa nazoto namaham-bolongana ny momba ny tantaran'ny hajian'ny Idy, ny adi-hevitra naterany teo am-pivoahany voalohany (matetika ny Repoblikana mpitazona nentim-pahazarana no tia hiady hevitra azy ity), ary ny fiarovan-tena nataon'ny filoha Bush sy ny Mpitondra teny Hastert aho. Raha fehezina, tamin'ny 1 Septambra 2001, folo andro mialoha ny fanafihan'ny 9-11 no nivoahan'ny hajia, nandritra ny fitondran'i Bush. Tafiditra ao amin'ny lisitry ny manao politika mpandala ny nentim-pahazarana tsy manakana ny isian'ny hajia ho fahatsiarovana (na fankalazana) ny Hanukkah, Kwanzaa, eny fa na dia ny teh taombaovaon'ny  Shinoa aza ny Ben'ny tanàna Piper - fa manavaka ny hajian'ny fankalazana ny fety miozolomana Idy kosa ho mampatahotra, ka mila valinteny avy amin'ny “tia tanindrazana” Amerikana?
Lahatsoratra iray hita ao amin'ny Clarksville Online, bolongana ho an'ny tanànan'i Clarksville, Tennessee, no ahitana ny mahatonga ny imailaka hivoaka lohateny lehibe amin'ny gazety tamin'ity taona ity:
Nandefa imailaka mirehidrehitra mamely ny miozolomana ho an'ny mpiasa ao amin'ny tanàna, sy mandrisika ny hanaovana ankivy ny hajia avoakan'ny paositr'i Etazonia ny Ben'ny tanànan'i Clarksville Tennessee, Johnny Piper…
…Niezaka ny nanamari-tena amin'izay ataony ny Ben'ny tanàna Piper hatramin'io fotoana io, saingy tsy fiaro velively ny heviny. Efa singa anatin'ity firenena ity ny Miozolomana. Nanompo amim-pahamendrehana ny firenentsika sy ny fahafahantsika izy ireny. Tsy misy sokajin'olona azo atao ho ambinambin'olom-pirenena, noho ny finoany, na noho ny hadalan'ny extremista sasantsasany. Miteraka henatra ho an'ny tananantsika, ny fanjakantsika ary ny firenentsika ity nataon'ny Ben'ny tananantsika ity.
Nozohin'i Sheila Musaji tao amin'ny The American Muslim (TAM) ny fihodin'ilay rojon'imailaka hatramin'ny 2005 no mankaty, ary tamin'ny fanakotrihana nataony, no nanamarihany ny fihetsika mihoam-pampana  nataon'ny Ben'ny tanàna Piper:
Hitako tsara hoe hanakory ny hagagan'ny Ben'ny tanàna raha mahalala ny nanaovan'ny filoha Obama Iftar (fanapahana fifadian-kanina) tao amin'ny Trano Fotsy(fr: Natomboky ny filoha Clinton).
Ary mazava loatra fa ho fiarovan-tenany tahaka ny mpivavaka tery saina rehetra dia hoe:  “Manana namana miozolomana ihany koa aho,” hoy ny fanampi-teniny.”
Angamba afaka manazava azy tsara hoe nahoana no manohintohina ITY (PDF).
Jillian C. York
Etazonia, Meksika: Mi-tweet avy eny an'habakabaka ilay mpanamory sambondanitra José Hernández
Eo am-piodinana manodidina ny tany izao ilay mpanamory sambondanitra José Hernández ao anatin”ilay iraka ataon'ny sambondanitra ho eny  amin'ny Toby an'habakabaka iraisampirenena, ary mi-tweet  izy mandritra ity iraka 13 andro ataony ity.
Amin'ny maha zanaka Meksikana mpifindra monina azy teraka tany U.S.A, tany an-tanindrazan'ny ray aman-dreniny no nandaniany ny antsasaky ny fiainany ary ny ambiny sisa tany Etazonia.  Araka an'i Mexico Reporter, mahery fo nasionaly any Meksika izy ary aingam-panahy ho an'ny olona maro any amin'ireo firenena roa ireo ny tantaram-piainany. Mpiasa mpifindra monina i Hernández taloha, niasa tao amin'ilay saha teo anilan'ireo ray aman-dreniny, ary izao  no fivahinianany voalohany any an'habakabaka.
Ny mpanamory sambondanitra José Hernández, avy amin'ny Wikimedia Commons
Ny kaonty  twitter-ny amin'ny tenim-pirenena roa dia nanome fanampim-baovao foana nandritra ny fanomanana ny fandefasana azy, izay tokony ho tamin'ny 25 Aogositra. Noho ny olana ara-mekanika anefa dia nahemotra andro maromaro izany.  Taoriana kely dia lasa fahatsapana tsy vaovao intsony ny fiaingana tsy tena izy sy ny raharaha fanomanana miverimberina:
Ndeha hihazakazaka kely aloha. Toa tsa ho an'ny fiaingana rahalina amin'ny 1:10 izany toetr'andro androany izany! Ohatran'ny Andron'ny ‘Ground Hog'!
Nandritra ireny fanomanana ireny no niresahan'i Hernández an-tariby tamin'ny filoha Meksikana Felipe Calderón.
Tonga ihany ilay andro nony farany, ary nalefa hiodidina ny tany ilay sambondanitra tamin'ny 28 Aogositra. Vao tonga tany an'habakabaka  i Hernández dia  nizara ny eritreriny momba ny androny voalohany any an'habakabaka any:
Mipetraka aho ary manatanteraka ny nofiko… Milay be ny ‘Micro G'. Avy nandrindra ny solosainako ka ndeha hatory aho! Tsy mila ondana!
Ho an'ireo roa herinandro manaraka, hanome fanampim-baovao momba ireo asa atao amin'ny iraka sy ireo asa manaraka i Hernández:
#onorbit Vita ny sidin'ny andro faha-3 ary efa tonga aty amin'ny toby aho. Nifankahita tamin'ireo mpiray vodirindrina 6 ary mahafinaritra be ry zareo  ireo! Tena mahafinaritra loatra ka dia ho entinay mody ny iray amin'izy ireo!
Araho ny tweet-ny momba ny andro sisa amin'ilay iraka ao amin'ny @Astro_Jose
Etazonia: Fihetsiketsehana manohitra ny fanondranana olona
Olana mbola tsy re tsaika matetika ny fanondranana olona any Etazonia satria afenina amin'ny besinimaro (ny momba) izay niharan'izany. Andevozina ho amin'ny asa an-tsokosoko any anaty toeram-piasana miafina tsy manara-dalàna na  any amin'ny toerana fivarotan-tena miafina any. Mazàna dia zaza tsy ampy taona no tena lasibatry ny fikambanan-jiolahy ka aondrana any Etazonia.
Ny fikambanana Stop Child Trafficking Now (Ajanony ny Fanondranana ankizy) no manombatombana fa ankizy maherin'ny 2.5 tapitrisa - ankizy vavy no ankabeazany - isan-taona no amidy any amin'ny tsenan'ny fivarotantena. Zaza hatramin'ny 4 na 5 taona dia efa lasibatra, matetika angalarina any an-tranony ary tsy hita intsony. Fikambanana miaro ny zon'olombelona sy olona hafa no mampahafantatra ny olona izany olana izany, ary mandray anjara amin'ny ady atao amin'ny fanondranana olona any Etazonia, sady manampy ireo niharan'izany ka mbola voagejan'ny tambajotran'ny mpanondrana olona.
Sarin'ny firaisankinan'ny fanoherana any Los Angeles avy amin'ny aclu.socal ary voaaron'ny Creative Commons license.
Ao amin'ny bilaogy nampitondraina ny lohateny hoe “Iza no mangalatra ny ankizy vavikely mainty hoditra?” ilay mpitoraka bilaogy sady mpanohana ny hetsika hiadiana amin'ny fanondranana olona, Amanda Kloer, no manoratra mikasika ny olana fangalarana zaza afrikana -amerikana io any Etazonia:
Manerana an'i Etazonia dia mahatratra 800 000 isan-taona ny zaza very ka ny 33% amin'izy ireny dia zaza afrikana-amerikana. Any New York tamin'ny taon-dasa dia mainty hoditra ny antsasaky ny zaza very ka ny 60% amin'izany no ankizy vavy. Any amin'ny tanàn-dehibe hafa toa an'i Atlanta, Washington DC, Chicago sy Los Angeles izay ahitana afrikana-amerikana maro dia ahitana ankizy vavy mainty hoditra maro very na “mitsoaka”. Kanefa inona no zavatra mihatra amin'ireny ankizy ireny? Manjavona fotsiny amin'izao ve izy ireny?
Very izy, azo antoka fa any an-davaky ny fivarotan-tena; zary lasa lasibatry ny orinasa mpampiasa makorela izy ireny. Mifanena amin'ny mpivaron-tena eny an-dalana ny sasany ary voasintona koa hijorojoro eny amin'ny sisin-dalana. Ny sasany indray terena hiditra any amin'ny club mpampiasa olona miboridana na mpanao sary mihetsika mamoafady. Ny sasany koa avoaka any amin'ny vohikala mpandefa antso madinika, any amin'ny vohikala mitady vehivavy sy any amin'ny aterineto rehetra any. Lasibatry ny fanondranana olona izy ireny ary mitovy lenta amin'ny vehivavy any Vietnam izay andevozina any amin'ny fanaovana makorela any Thailande izay ahitana ankizy vavy kely avy any Goatemala nohidiana tao anaty trano iray tany El Paso.
Luis C deBaca, masoivohon'i Etazonia ao amin'ny Departemantam -panjakana, tompon'andraikitry ny bilaogy Office to Monitor sy ny Ady amin'ny Fanondranana olona no manoratra mikasika ireo loza mitatao amin'ny tanora any Etazonia. Nampanao fiofanana ireo matihanina mikarakara ankizy tahaka ny mpampianatra izy vao tsy ela izay.
Izay rehetra mikarakara tanora dia tokony hahatsapa ny loza mitatao amin'ireo mpianatra. Lasa fitaovana fanaovana varo-maizina ny teknolojia, miaraka amin'ireo resadresaka ao amin'ny internet izay tsy ampiasaina fotsiny hifanakalozana trano na fanaka, fa lasa resaka hanaovana fotoana hivarotan-tena. Mampiasa ny fifampiresahana (karajia=chat) sy ny resaka mandeha ary ireo vohikala voafantina ireo mpanao izany hahazoana vaovao mikasika ny toerana hahitana haza. Ny zazavavy tena mety dia ireo heverina ho “very” na ireo nandositra ny ankohonany. Tandindonin-doza izy ireo satria mety ho lasa mpivaron-tena, ka mety lambolamboina amin'ny fampanantenana fitiavana sy fiarovana, ny tanjona anefa dia ny hanipazana azy ireo any amin'ny tontolon'ny faharatsiana sy ny herisetra.
Mampiseho ny lisitr'ireo toerana eran-tany azo hitoriana ireo fampijaliana mifandraika amin'ny fanondranana olona koa i C deBaca ao amin'ny bilaoginy, na koa ireo zava-mitranga mampiahiahy any amin'ireo ONG iraisam-pirenena sy ny mpiara-miasa amin'ny fanjakana.
Mba hanairana bebe kokoa ny fahatsiarovan-tenan'ny tsirairay dia misy koa ireo olona miasa ao amin'ny sehatry ny lalàna amin'ny anaran'ny tenany manokana, tahaka ilay mpanao sary mihetsika Tara Hurley, izay miasa ao amin'ny fanjakany ao Rhode Island. Ao amin'ny bilaoginy izy no milaza ny heviny momba izay tokony hatao hampanan-kery kokoa ny lalàna:
Miaro ny volavolan-dalàna aho. Manantena aho fa ny volavolan-dalàna nataon'ny loholona Perry no hotanana sy hahazo fankatoavana eo anivon'ny loholona. Heveriko fa ny zavatra tena lehibe indrindra amin'ny lalàna mikasika ny fanondranana olona dia ny fanofanana. Ahoana moa no hahafahan'ny mpitandro ny filaminana mamantatra ireo niharan-doza raha tsy hofanina izy ireo? Tsy maintsy manangana rafitra maty paika isika amin'ny fomba hitondrantsika ireo niharan'izany. Tsy maintsy entintsika ho tahaka ny niharan-doza izy ireo fa tsy tahaka ny meloka.
Tsy mitovy hevitra amin'ny fampahalalam-baovao sasantsasany koa izy ny amin'ny famaritan'izy ireo ny zava-mitranga, tohanany amin'ny tantaran'ilay ankizy vavy 16 taona niseho vao haingana:
Ny tena tsy azoko dia hoe maninona ny fampahalalam-baovao no tsy milaza mihitsy hoe “fanondranana olona” no miseho ankehitriny. Efa nandritra ny taona maro no nitaky ny hanovana ny fitsipika harahina any amin'ny trano fanorana aziatika ireo fampahalalam-baovao ireo. Ankehitriny anefa, tena misy niharan'izany fanondranana olona izany dia tsy tononiny ho niharan-doza ilay olona fa nataony hoe “nandositra” indray?!?!
Fanampin'izany, fikambanana maro manerana ny firenena tahaka ny Stop Child Trafficking Now no mampiasa ny fampahalalam-baovaon'olo-tsotra hizarana teny mikasika ny ezaka atao hiadiana amin'ity olana ity. Mpikarakara ny DC Stop Child Trafficking Now Walk no miteny fa ity no hetsika goavana indrindra hiadiana amin'ny fanondranana olona hatramin'izay. Mampiasa ny twitter ny Austin-based Child Trafficking Now Walk ary manasa ny rehetra hiombona aminy amin'ny dia atao amin'ny lalana 5km.
Raha araka ny hevitro manokana, Tina Frundt, mpiara-dia amin'ny ady amin'ny fanondranana olona any Washington DC, no nizara ny tantarany manokana amin'ny maha niharan'izany taminy. Ny zavatra niainany no nahatonga azy hanangana ny fikambanana Courtney’s House , izay hanampiany ireo tanora tafala tao anatin'ny tsikombakomban'ny fanondranana olona.
Gina Cardenas
Bangladesh: Misaona ny loholona namana, Edward Kennedy
Senator Edward Moore “Ted” Kennedy (22 febroary 1932 – 25 aogositra 2009), mpikambana faharoa zokiny indrindra ao amin'ny loholona amerikana, dia matin'ny homamiadana ny talata lasa teo. Mitomany ity olo-malazan'ny politika ity daholo i Etazonia sy izao tontolo izao noho ny asany manohana ireo olona manana olana, ireo mpitsoam-ponenana Bengalais nandritra ny adin'ny fanafahana, ireo olona mosarena any Etiopia, ary nandray anjara betsaka tamin'ny fandriam-pahalemana tany Irlande Avaratra. Ny praiministra any Bangladesh, Sheik Hasina, no manao an'i Ted Kennedy ho “namana mahatoky an'i Bangladesh” ary mampahatsiahy ny andraikitra notanany nampahafantatra an'i Bangladesh teo an'ivon'izao tontolo izao nandritra ny adin'ny fanafahana. nanoratra i Habib Siddiqui, mpitoraka bilaogy avy any Bangladesh monina any Etazonia:
Amin'alahelo lehibe no hiondrehako manoloana ity olona malaza ity izay tsy hadino mandrakizay ny zavatra nataony ho an'i Bangladesh.
Inona no nataon'ny loholona Kennedy ho an'i Bangladesh? Manazava ilay mpitoraka bilaogy.
Nanokatra ady hevitra ho an'ny bilaogy ao amin'ny Open Salon i Smith Barney:
Taorian'ny nanafihan'i Pakistan andrefana (atao hoe koa Bengale, Bengladesh ankehitriny) an'i Pakistan antsinanana tamin'ny taona 1971 dia mpitsoam-ponenana 9 tapitrisa no namakivaky ny sisintanin'i Inde. Tsy nanaitra an'izao tontolo izao sy Etazonia (Nixon/Kissinger, mbola variana tamin'i Vietnam, ary nirona bebe kokoa tamin'i Pakistan andrefana). Niavaka tamin'izany anefa ny loholon'i Massachussets, 39 taona, Edward Kennedy.
Tao anatin'ny hafanana be sy ny rivotry ny volana aogositra no tonga tany amin'ny tobin'ny mpitsoam-ponenana nanerana an'i Bangale andrefana (manakaiky ny sisintanin'i Inde) ny loholona Kennedy ary nanao tatitra tamin'ny loholon'i Etazonia manontolo, fanadihadihana mahatalanjona momba ny fijalian'ireo mpitsoam-ponenana any Inde sy ilay nantsoiny hoe “ny fanjakan'ny ramatahora mianjady amin'i Bangladesh antsinanana”.
Nofintininy hoe: “Ny fanohanana mafy ataon'i Amerika amin'i Islamabad (Pakistan andrefana) dia tsy misy dikany raha ampitahaina amin'ny zava-doza iainan'ny olona sy ny politika any Bengale antsinanana.”
Tsy vitan'ny hoe vavolombelona fotsiny i Kennedy fa nanaitra an'izao tontolo izao izy hahatsiaro tena hanampy ireo mpitsoam-ponenana ireo, tsy voatery hoe ireo mpiady mahaleo tena an'i Bengale antsinanana akory.
Unheard Voices, bilaogy any Bangladesh miompana amin'ny zon'olombelona no namoaka ny tatitra nataon'ny loholona Kennedy tamin'ireo loholona amerikana, izay namelabelatra ny fangirifiriana nahazo ireo mpitsoam-ponenana.
Mehrab Shahriar posts no namoaka ny santionany amin'ireo sarin'ny mpitsoam-ponenana sy ny fitsidihana nataon'ny loholona Kennedy tany amin'ny tobin'ny mpitsoam-ponenana tamin'ny taona 1971.
H. A. Mahmud no nilaza[bn]:
বাংলাদেশ স্বাধীন হওয়ার পর ১৯৭২ সালে এডওয়ার্ড সদ্য স্বাধীন রাষ্ট্র বাংলাদেশে আসেন। এখানে তিনি একটি শোভাযাত্রায় অংশ নেন এবং ঢাকা বিশ্বদ্যিালয়ে ভাষণ দেন। এডওয়ার্ড কেনেডি’র স্মৃতিবিজড়িত ঐতিহাসিক বটগাছটি এখনও কালের সাক্ষী হয়ে দাঁড়িয়ে আছে ঢাকা বিশ্ববিদ্যালয় এলাকায়।
Tonga tany an-toerana i Edward Kennedy tamin'ny fiandohan'ny taona 1972 taorian'ny fanafahana an'i Bangladesh. Nandray anjara tamin'ny matso izy ary nikabary nanoloana ireo mpianatra ao amin'ny anjerimanontolon'i Dhaka. Mbola ao amin'ny anjerimanontolo ny hazo banyan nambolen'i Kennedy hatramin'izao hahatsiarovana ireo soa vitany.
Shada Kalo no mahatsiaro an'i Kennedy noho ny soa nataony:
Ted, naman'i Bangladesh ianao. Tsy nitondra vato ho anao izany, tsy nisy olona nanome tsiny anao raha nandeha tany anaty fotaka tany amin'ny tobin'ny mpitsoam-ponenana tanatin'ny hafanana mangotraky ny volana aogositra ianao. Kanefa nataonao izany, satria tokony ho natao. Nanampy anay ianao satria zavatra mety sy tokony ho natao koa izany.
Rezwan