Tantara misongadina momba ny U.S.A.
Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonja
Mbola tolona hatramin'izao ny hiantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka manerantany, ary raha tarafina aza, dia voaramaso [ara-pahasalamana?] tafahoatra matetika ny vehivavy bevohoka voafonja. Inona avy moa ny dingana efa vita hanamarihana fa voakarakara tsara izy ireo, miaraka amin'ny [menaky ny] aina entin'izy ireo?
2009-10-31
Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana
Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”
2009-10-10
Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr
2009-09-30
Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet
Tamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny. Any anaty Twitter, be ny fanehoan-kevitra navoakan'ireo mpampiasa izany momba ilay kabary.
2009-09-24
Etazonia: Hajian'ny Idy miteraka fankahalana any Tennessee
Andian'ilay hajia taona 2008 , nialoha ny fiakaran'ny vidim- piainana
Raha eo am-pankalazana ny Idy al-Fitr, manamarika ny fiafaran'ny volana Ramadany, indrindra ny Miozolomana any Etazonia, dia mivezivezy haingana dia haingana any ny rojon'imailaka feno fanaratsiana. Miampanga lainga ny filoha Obama ho mamoaka hajia vaovao fahatsiarovana ny Idy roa ...
2009-09-07
2009-09-05
Etazonia: Fihetsiketsehana manohitra ny fanondranana olona
Bangladesh: Misaona ny loholona namana, Edward Kennedy
Senator Edward Moore “Ted” Kennedy (22 febroary 1932 – 25 aogositra 2009), mpikambana faharoa zokiny indrindra ao amin'ny loholona amerikana, dia matin'ny homamiadana ny talata lasa teo. Mitomany ity olo-malazan'ny politika ity daholo i Etazonia sy izao tontolo izao noho ny asany manohana ireo olona manana olana, ireo mpitsoam-ponenana Bengalais ...






