Global Voices teny Malagasy » Uruguay
Uruguay: CIP, Vohikala ho an’ireo horonantsary sy ireo sarimihetsika fohy
Antsoin-dry zareo   hoe  fomba iray hafa hamoahana ireo video vokariny izy ity  mba tsy hifaninanany amin’ireny video novokarina tany an-trano ho fankalazana tsingerintaona  ireny, ireo videoan-tsaka ary ireo horonantsarin-kira ho an’ny karaoke. Tanora  roa avy any Uruguay no nanapa-kevitra hanova ny zava-misy ka namorona ny Cip, vohikala natokana hanehoana ny  sarimihetsika novokarin'ireo mpamokatra horonantsary mahaleontena, izay afaka maka ny sarimihetsika nataon-dry zareo avy any amin’ny toeran-drakitra any ary mizara izany  amina fiaraha-monina midadasika kokoa, tsy misy fahasamihafana betsaka amin'ny fomba fiasa any amin'ny tantara tsangana ireny izy it, misy fampahafantarana mialoha, fandaharana manaraka vanimpotoana sy toeram-pijerena sarimihetsika samihafa.
Isaorana i @damianemanuel1 ao amin’ny twitter izay nahitanay ity vohikala ity, raha namoaka fa:
Cine virtual desde Uruguay para combatir la chatarra de YouTube  http://bit.ly/V39pT
Toerana virtoaly fijerena sarimihetsika avy any Uruguay hiadiana amin'ny hagaigen'ny Youtube.
puede ser vista en http://www.cip.com.uy/
Raha ny filazan'ireo mpamorona ilay vohikala, Andrés Nicolón ary José Luis Elizalde, ity vohikalan-dry zareo ity dia  mamaly ny filàn’ireo mpamokatra horonantsary izay te hampahafatatra ny asany:
¿Dónde puedo exhibir seriamente mis obras en un medio tan masivo, económico y accesible como Internet? ¿Cómo puede ser reconocida mi labor (actriz, actor, guionista, director, camarógrafo, productor, músico, etc.) en cine? ¿No tengo alternativa y debo publicar mi trabajo junto con los top 10 de mejores bloopers de gente montando a caballo? ¿Siempre los más conocidos son los que ocupan el lugar más importante?
Aiza no ahitako toerana tena hanehoana ny asako amina media manan-danja,  ekonomika sy malalaka kokoa toy ny aterineto? Ahoana ny asako  (amin’ny maha-mpilalao sarimihetsika, mpandrakitra an-tsary [cameraman], mpamokatra, mpiangaly zavamaneno, sns.) any anaty horonantsarimihetsika mba ho be mpahalala.  Tsy manana fomba hafa ve aho ary tsy maintsy mametraka ny asako hilahatra amin'ireo video folo fanta-bahoaka  izay misary gaigy eny  ambony soavaly? Ireo izay efa be mpahalala ve no mitazona hatrany ny toerana tsara?
Tsy ny fahafahana maneho courts metrages ao amin’ny vohikala ihany no omen’ny Cip fa sady mbola manome tolotra  hafa ihany koa ry zareo: afaka manampy ireo mpamokatra sarimihetsika amin’ny fikarakarana ny famokarana sy  ny famoahana, ireo effects sy ireo fanehoana an-tsehatra. Afaka manao ny fampahafantarana rehetra sy ny reaska ara-barotra ihany koa ry zareo  ho an’ireo sarimihetsika ohatra ny afisy goavana, ireo ampahan-tsary fampahafantarana [trailers] ary ireo dokam-barotra amin’ny ankapobeny, na mampahafantatra sarimihetsika iray amin'ny fanomezana kintana [fomba fanomezana laharana any anaty aterineto] mba hisongadina kokoa.
Amin’izao fotoana izao, manana sarimihetsika 7 ry zareo ao amin’ny vohikala, ka 4 espanola, ny iray dia ezaka niraisana, ary 2 courts metrages avy any Uruguay, iray tantara foronin'ny saina sy iray hafa fanadihadiana. Ireo sarimihetsika rehetra ireo dia azo alaina amina format compatible ho an'ny iPod. Indrisy, ny vohikala dia tsy mamela ny hametrahana ireo sarimihetsika any amina blaogy hafa, saingy azonareo jerena  ireo sarimihetsikan-dry zareo  ao amin’ny vohikala,http://www.cip.com.uy/
Uruguay: Fahalasanan'ny mpanoratra Mario Benedetti
Nodimandry teo amin'ny faha-88 taona niainany ny mpanoratra sady poety Orogoaiana  Mario Benedetti tamin'ny 17 May. Nihoatra ny 80 ny bokin-tantara noforonina nosoratany, ankoatra ny tononkalo sy sombintantara ary andrana izay anisan'ny asa sorany, ary voadika tamin'ny teny vahiny eo ho eo amin'ny 20 eo. Olobe eo amin'ny fiarahamonina Orogoaiana tokoa i Benedetti, indrindra noho ny tantarany tahaka ny an-tsesitany sy noho ny fitondra-teniny nandritra ny fitondrana jadon'ny miaramila anelanelan'ny taompolo 1970 ka hatramin'ny taompolo 1980.
Maro tamin'ny mpamaham-bolongana Orogoaiana no mamakafaka ny dikan'ny tsangan'asany amin'izy ireo taona maro taty aoriana rehefa nandre ny fahafatesany. Ny mpamaham-bolongana ao amin'ny Psicosesion [es] no mamelabelatra ny mety ho hitan'ny tsirairay ao amin'ny asa soratr'i Benedetti amin'izao toe-draharaha mamaivay diavin'ny tantaran'ny faritra izao:
Su escritura refleja los tiempos más difíciles de una Latinoamérica oprimida, por el autoritarismo, donde no se respetaron los derechos humanos, donde deja ver el sufrimiento humano a flor de piel, opresión que hizo que Mario se mantuviera durante largo período exiliado del país.
Pero siempre Mario desde donde cualquier lugar, hacia sentir su voz….jamás lograron callarle.
Ahitana taratra ny fahasarotana lalina indrindra nodiavin'i Amerika Latina nogiazan'ny jadona, fa tsy voahaja ny zon'olombelona, ka anehoany amim-pahakingana fijalian'ny olona, nahatonga an'i Mario nandeha an-tsesitany nandao ny fireneny nandritra ny fotoana maharitra  ny asa-sorany.
Na izany aza dia nataon'i Mario matetika izay handrenesana ny feony na aiza na aiza misy azy…tsy nampangina azy velively ireny.
Nanoratra ny fahatsapany manokana koa i Gaba en Montevideo [es] ary nasehony fa niritsoka taminy nandritra ny fiainany ny tenin'i Benedetti':
Murio benedetti, asi, con solo dos palabras se fue su inspiracion y dejo mil poesias. Mil poesias y una historia que se repetia una y otra vez, como marcada en fuego, en la vida de muchos uruguayos, en mi vida. Benedetti formo parte de mi memoria. Con Benedetti pase noches y dias y encuentros leyendo sus vivencias, su audacia, su historia de hombre comun. Su literatura ha sido parte de mi sangre, de mis entrañas, ha sido como el aire que he respirado para crecer. Y desde siempre mi brujula.
Maty i Beneditti , ary tahaka izany ihany koa, tamin'ireo teny roa (telo amin'ny teny malagasy) monja ireo dia nandao ahy aingam-panahiko ary  niafina tao ambadiky ny tononkalo anarivony. Tononkalo anarivony sy tantara iray miverimberina, tahaka ny voamariky ny afo eo amin'ny fiainan'ny Orogoaiana maro dia maro sy amiko ihany koa. Anisan'ny tsiaroko i Benedetti. Nandany ny androko sy ny aliko niaraka tamin'i Benedetti aho namaky ny traikefany, ny fahasahiany, ny tantara maha-olo-tsotra azy. Lasa ao anatin'ny rako, ao anatiko, ny sangan'asany, ary tahaka ny rivotra fohiko  hitomboako. Ary (ny asa-sorany no) famantaranvaratro.
Mpamaham-bolongana Orogoaiana, Mario Blanco, no mahatsiahy ny fotoana nihaonany tamin'i Benedetti sy nahazoany fanolorana voasonia tamin'ny bokiny (dedication) [es]. Mirehareha manokana noho ny maha-“tocayo” amin'ny Benedetti i Blanco, izany hoe mitovy anarana ry zareo. Ankoatra izany dia mbola mitovy fanombohan'anarana ihany koa fa samy “MB”
Nandritra ny naha-antsesitany azy nandritra ny folo taona dia nandany ny androny tany Espaina, Kiobà ary Però i Benedetti. Tsy hoe izy nonina tany amin'ny firenena miteny Espaniôla ihany no nampalaza azy manerana ny faritra, fa nanakoako tany amin'ny firenenkafa iharan'ny fitondrana jadona ihany koa ny teniny sy ny fandresendahatra tao aminy.
Nihoatra sisintany ny asa sorany, ary dia nizara ny traikefany ihany koa ny mpamaham-bolongana any amin'ny firenena Amerikana Latina tahaka an'i  Modestamente Humano [es] avy any Goatemalà izay nanoratra hoe:
por dedicar un poema de él que a fin de cuentas decía las cosas tal y como uno hubiera querido pero tal vez no tenía el talento para decirlas de una forma tan clara, tan franca, tan sencilla y tan bella.
Amin'ny fanolorana ny tononkalony, any amin'ny farany, milaza ny zavatra tian'ny hafa holazaina, saingy angamba tsy manana talenta mahalaza azy mazava amin'ny fomba tsotra, mahitsy ary mahafinaritra.
Avy any amin'ny Repoblika Dominikana i Alexéi Tellerías ao amin'ny Catarsis Diaria [es] nomanoratra “Mario, manao veloma anao ara-batana fotsiny izahay satria fantatray ianao fa miara-mipetraka aminay.” Nanamarika i Zenia Regalado fa nandalo tany Kiobà i Benedetti raha nandeha an-tsesitany [es] ary niasa tao amin'ny House of the Americas (Tranon'i Amerika) tao La Havanne.
Mpamaham-bolongana hafa avy any amin'ny firenena nandehanany an-tsesitany dia ilay Peroviana Juan Carlos De La Fuente oo amin'ny Noticias del Interior [es] no nanoratra fa niaina tanteraka ny fiainany ilay mpanoratra Orogoaiana:
A estas altura de mi vida, después de tantas muertes y tantos renacimientos, sé que Mario Benedetti vivió de lo que escribió y escribió de lo que vivió. Y sé que fue feliz, por más sospechosa que pueda parecerle esta palabra a algunos despiadados críticos, es decir –como decía Borges y lo repite mi amiga Luz María Sarria- no pasó un solo día sin estar un instante en el paraíso.
Eto amin'ny dingany fiainako izao, taorian'ny fahafatesana sy fahaterahana indray nodiaviko izay, dia fantatro fa niaina izay nosoratany i Mario Benedetti ary nanoratra izay niainany. Ary fantatro fa sambatra izy, araka ny teny mety hampiahiahy ny hafa ho tsy misy fo, amin'ny teny hafa - araka izay nolazain'i Borges sy ny namako Luz María Sarria hoe - tsy nisy andro izay tsy naha-tany am-paradisa azy tamin'io fotoana io.
Eduardo Avila
Orogoay : Fihaonan'ny Ceibal faharoa mikasika ny solosaina xo
Nambaran'i Pablo Flores fa ho avy ny andiany faharoa amin'ny fihaonan'ny Ceibal ao Montevideo, any Orogoay [es]. Fihanonana, tsy ofisialy, ataon'ireo mpahay informatika moa izy ity mba hamoronana rindrankajy “open-source” ho amin'ny solosaina XO.
Orogoay : Fanontaniana ho an’ny vohikala mpizara rakikira sy sary iray
Soratry ny tonia: Ity lahasoratra manaraka ity dia nadika avy tamin’ny fampiresahan’ny mpamaham-bolongana Orogoaiana, Martin Balao. Ilay mpamaham-bolongana manana ny anaram-bositra hoe E1000 izay iray amin’ny Olobe ao anatin’ny fikambanana Fotos de Uruguay [es] (Sarin’I Orogoay) no noresadresahany tamin’izany, fikambanana niainga tamin’ny fifampizarana sary tamina vohikala izay efa ahafahana itrohana ny hiran’ny artista Orogoaiana ankehitriny. Azonao jerena ao amin’ny rohin’ny Martin's blog ny lahatsoratra loharano nadika .
1. Oviana, tamin’ny fomba manao ahoana ary nahoana no natsagana ny Sarin’I Orogoay?
Rehefa nankany Espaina aho dia nalahelo ny tanindrazako tahaka ny mpifindra monina maro hafa ihany. Rehefa tratran’izany (alahelo izany) moa ianao ny zavatra tianao hatao voalohany indrindra dia ny hisintona ny tanindrazanao. Tianao ny handre, ny hikasika, ny hahita na ny hahazo ny fofompofon’ny avy any an-tanindrazanao. Diso fanantenana tanteraka aho rehefa mba nitady zavatra tamin’ny aterineto. Tsy nisy na inona na inona nikasika an’i Orogoay mihitsy taa tamin’ny 2003 ka nahatonga ahy hanapa-kevitra hanao azy. Tsy mbola nahalala na dia kely variraiventy ny amin’ny fananganana ny vohikala akory aho ary tsy mbola nalaza tahaka ny ankehitriny ny bolongana tamin’izany fotoana izany. Niainga tamin'ny HTML bitika indrindra aho ary namorona ny takelako voalohany. Pejy iray ihany tamin’izany fotoana izany, hitako avy eo ny fampahalalana ny fametrahana rakitsary ary dia teraka nanomboka hatreo ny Uruguay Photos (sarin’i Orogoay). Nikambana tamina seraseramailaka maro aho ka niangavy tamin'ny rehetra mba handefa sary. Azoko ny sary (ary nasehoko) fa vitsy ny nitsidika (ilay vohikala). Teo no fantatro fa mila misakaiza amin’ny Google aho, saingy teny no tian’i Google fa tsy sary. Nitsidika ny PHPNUKE aho, vohikala ahitana zava-mahaliana hafa ankoatra ny sary. Nanomboka nanangona ny rohin’ny gazety sy ny fampielezam-peo mandeha amin’ny aterineto aho, ary niatomboka ihany koa ny famoahana mozika rehefa nahalala mpifindra monina hafa aho. Mbola tsy nisy ny Rapidshare, Megaupload sy ny hafa hametrahana ny angonasa (tahiry azo zaraina). Nametraka fihazonana ho an’i Bit Torrent aho ka nanomboka nanana angonasa 1000 izaho sy Miriam noho i Bit Torrent sy eMule, ary dia niatomboka ihany koa ny fahazoamitroka mivantana (downloads).
2. Inona no dikan’ilay anarana ary naninona no anaram-pihaviana Argentina no nalaina?
Noho ny nanombohany tamin’ny alalan’ny famoahana rakitsary aloha no nahatonga ny anarany, ary ny anaram-pihaviana .ar indray dia noho io anaram-pihaviana io azo alaina maimaim-poana. Lafo ny fahazoana anaram-pihaviana Orogoaiana. Manana famaritam-pihaviana .tk koa izahay fa be loatra ny dokambarotra sy ny (tosatsary) popups avy ao.
3. Azonao lazaina anay ve ny endrikendriky ny fahavitrihan’ny vohikala? (mpitsidika sy ny isany ary ny hafatra sy ny fanehoankevitra)?
Izany hoe mihoatra ny 5 000 ny isan’ny mpitsidika isan’andro, indraindray dia mihoatra ny 20,000 ny fitambaran’isan-takelaka voatsidika isan’andro, nefea dia vitsy dia vitsy ny isan’ny fanehoan-kevitra. Taloha, raha nametraka ny fahazoana mitroka (hira) izahay dia maro no misintona (mitroka hira) ary dia mandao ny vohikala avy eo. Ankehitriny vao mba maresadresaka kely ny sehatry ny dinika.
4. Inona avy ny fitaovana ilaina sy ny saram-pandaniana hikolokoloana ny vohikala? Ahoana ny ifanarahanareo amin’ny mpanohana (ara-bola)?
Tsy fantatro aloha ny amin’ny fitaovana, fa mila solosaina roa mifandray amin’ny aterineto kosa ianao mandritra ny andro ho fikarakarana, fitrohana (hira…) sy ny zavatra hafa. Noraisin’i Mirian ho andraikitra kosa ny saram-pandaniana amin’ny serveur, izay ialan’ny vola avy any ampaosiny. Mila adiresy tena tsara kalitao kosa izahay saingy noho ny tsy fananana kara-pananambola (carte de crédit) dia tsy afa-mandoa vola ho amin’izany. Be ny olana mianjady amin’i Orogoay amin’ny resaka fandoavam-bola ampitain-davitra. Tsy misy banky mahavaha olana momba ny fandoavam-bola ho an’ny sampan-draharaha ivelan’ny firenena manko, ka mba hoe tsy mandoa vola fanampiny mihoatra izay tokony ho tena aloa amina saran-draharaha iray.
5. Nanao ahoana ny traikefanareo tamin’ny fampiasana ny PHP-Nuke?
Tsara ny Nuke ka. Manampy izay tsy mahay na inona na inona izy. Ha ha. Sarotra ny mifidy CMS (Content Management System na fomba fandrindrana ny votoaty), samy manana ny karohiny ny tsirairay, saingy tsy misy kosa ny manana izay tadiavinao.
6. Iza avy no mandrafitra ny ekipa ary ahoana ny hifampizaranareo ny asa?
I Mirian no mandrafitra ny ekipa. Ifampizaran’i Mirian sy i Mirian ny raharaha. Ha ha. Tsy hanome anarana aho re no tena marina satria betsaka izy ireo no azonao jerena ao amin’ny Sarin’i Orogoay, tahaka ny mpandrindra, ny (mpametraka sary) sy ny hafa ihany koa. Sehatra fifandrimbonan’asa ny vohikala ka izay te-handray anjara fampiroboroboana dia afaka manao azy araka ny fahaizany azy. Ny miasa mandritra ny 8 ka hatramin’ny 12 ora isan’andro kosa dia i Mirian.
7. Inona avy ny fanamby nampanantenainareo ny mpitsidika?
Zavamanahirana ny mifandray amin’ny mpitsidika/mpampiasa (ny vohikala). Sarotra ny mampifaly olona 35,000. Mahazo hafatra aho isan’andro manontany ahy ny fomba hitantanana ny vohikala. Sahala amin’ny baolina fandaka io e, samy manana ny fomba fandaharany mpilalao.
8. Efa nahazoanareo olana ve ny fiompanana amin’ny zon’ny mpamorona (copyright)?
Efa niresaka tamina mpanakanto ve ianao? Ahoana ny eritreritrao momba an’io? Efa nanatona anay indray mandeha ny Cudisco niangavy ny hanalanay ny fahafaha-misintona (mitroka) hira nalaina tamin’i DSUS4 (tarika Orogoayana) na zavatra mitovitovy amin’io. Niangaviany hoesorina avokoa ny rakikirany rehetra dia notanterahinay izany. Tsy hamingana ny mpanakanto akory izahay no mieritreritra ihany koa aho fa tsy manao izany izahay. Tsy misy tena mahafantatra ny sandan’ny vola very isaky ny rakikira. Ary tsy misy mahafantatra ihany koa ny isan’ny artista hita eto amin’ny aterineto. Raha ilaina ny mandoa vola 300-400 pesos ahafaha-mihaino rakikira iray dia tsy hiditra ho ao mihitsy aho raha 200 pesos isan’andro ny vola raisiko. Misy olana hafa ihany koa any Orogoay, tsy mba tongan’ny artista ny any anivontany. Miaina amina tanàna misy mponina 15 000 aho nefa dia tsy misy trano fivarotan-kapila ao. Misy mpandraharaha roa manana kapila mangirana 10-20 any ho any saingy mpanakanto iraisam-pirenena ireo. Tsy misy mahasahy mitondra rakikira vinyl kosa aty. Efa mifankazatra isan’andro amin’ny mpanakanto moa aho noho Ny Sarin’i Orogoay. Tsy mahatakatra anay ny fandefasam-peo maro any Montevideo na tsy misy mihaino. Indray maka nisy mpanakanto iray niteny hoe raha tsy voarakitra ao amin’ny aterineto ny rakikirako dia ratsy izy izay (na) tsy fantatro. Manontany tena aho hoe raha esorina moa ny fahafaha-misintona hira, hanjavona ve ny fampidirantongotra manontolo anaty kiraro (izany hoe araka ny fahazoan’ny mpandika teny azy dia hoe hanafoana ny fanao efa mahazatra ve izany na hoe fangalarana hahazo maimai-poana? Mila ny hevitry ny mpahay teny anglisy aho eto)? Aoka hazava: iray ihany no niangavy ny hanalana ny rakikirany, ary ny 12-15 hafa kosa nangataka ny hametrahana ny hirany ao amin’ny vohikalanay. Pepe Guerra izao mizara ny rakikirany ao amin’ny vohikalany, fampidirantongotra manontolo anaty kiraro ataon’ny tenany ihany ve izany? Nozaraina ny rakikira ao amin’ny Sarin’i Orogoay ka misy ny taranaka vaovao mety ho tsy naheno ireo rakikira ireo velively. Efa nisy mpanao mozika telo malaza aloha nilaza fankasitrahana ny nataonay e! ary mihamaro ny mozisiana no mpitsidika an’i Sarin’i Orogoay.
9. Inona ny fikasanareo ho amin’ny ho avy?
Toy ny mampitonatonana ny mametraka drafitra anatina tontolo mora miova sy tsy mitsahatra ny mivoatra. Tamin’ny fotoana nanombohan’ny fisintonana (fitrohana hira) mivantana dia noheverina ho tahaka ny ho tsotsotra avokoa ny zavatra rehetra. Saingy nisy boay anankiray  izay nitondra rakikira 300 sa 400 avy hatrany indray maka, ka io toe-javatra io no nanova tanteraka ny teti-panorona rehetra.
10. Misy zavatra hafa azonao ambara ve?
Fampirisihana fotsiny ihany ity tetikasa ity. Tsy natao hitadiavana tombombarotra izy ka nanjary tsy nahaliana, nandreraka, nahasorena izany ny nanao azy saingy ho fanehoanam-pankasitrahana ny namana Orogoaiana manerantany dia notohizanay ny famelomana azy.
Arahabaina ireo Rising Voices vaovao
Naharenesantsika feo vaovao sy mahery avy amin’ny fiaraha-monina tsy dia hita matetika amin’ny aterineto ny nisokafan’ny vondron’ny fantsom-panomezam-baovao avy amin’ny olom-pirenena na ny tetikasa midina an-tsehatra Rising Voices. Niantso tolotra vaovao hampiroboroboana ity fantsom-panomezam-baovao ity indray izahay tamin’ny volana lasa, mba hisafidianana dimy hafa hanampy ireo izay efa amperinasa any Bangladesh, Bolivia, Colombia, India, ary Sierra Leone.
Tolotra tetikasa 63 avy amin’ny firenena 35 samihafa no azonay. Na dia latsaka noho ny 142  tamin’ny volana jolay aza ny dosie nipetraka, dia sarotra kokoa ny fifantenana noho ny hatsaran’ny tolotra tsirairay sy ny fitondrany zava-baovao ao anatiny avy. Toera-midadasika indray koa no namaly ny fifaninanana hahazo ny lokan’ny Rising Voices ary porofoin’ny fahazotoan’ny olona hatrany ambanivohitry Oganda ka hatrany amin’ny fokonolona Ortodoksa any Isiraely, avy any amin’ny tangorombohitry Goatemala ka mipaka hatrany amin’ny sarangan’ny mpiasa manodidina an’i Serbia.Mahasolotena ny fitondrana zava-baovao, tanjona sy antom-pisian’ny  Rising Voices amin’ny fanohanana ireo dimy nandrombaka ny loka.
Diniky ny Fantsom-panomezam-baovaon’ny Tanora ao Nakuru, Kenya
Hitarika ireo mponina manodidina an’i Nakuru, Kenya hanangona ny vaovao sy tantara samihafa ao an-toerana ary hizara izany amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fampiasana sary, lahatsary famahanam-bolongana ary hatramin’ny fanontana magazine ry Dennis Kimambo, Collins Oudour, ary ireo hafa rehetra ao amin’ny ekipan’ny REPACTED. Mbola handrisika ny fampiasana ny teknikan’ny Magnet Theater ihany koa ny REPACTED mba hiresahan’ny mpandray anjara anatin’ny fahalalahana ireo lohahevitra atao fadifady toy ny fifindran’ny tsimokaretina VIH. Azonao vakiana manontolo ao amin’ny wiki ny volavolan-tolotra fenon’ny REPACTED.
Fanapahan-kevitra hamahanan-dahatsarim-bolongana Iraniana
Hiara-miombon’antoka amin’ny Young Cinema Society (orinasan-dahatsarin’ny tanora)  miorina ao Teheran ry Shaghayegh Azimi sy ireo Iraniana efa kalaza amin’ny famahanan-dahatsarim-bolongana mba hamantarana ny hetahetan’ireo tanora mpanatontosa tantara amin’ny lahatsary ary hampitombo ny fahaizan’izy ireo manatontosa tantara fohy sady mamoaka azy ireny amin’ny aterineto. Nosoratan’i Shaghayegh fa, “Ny tanjona roa lehibe tianay hovitaina dia 1) ny hampiditra sy hitari-dalana ny tanora avy amin'ny fiaraha-monina tsy voasahana loatra hifandray amin’ny tontolon’ny zatra aterineto ary singanina manokana ny hifandraisany amin’ny tontolon’ny mpamahan-dahatsarim-bolongana ary eo koa 2) ny hanabe sy hizatra ny fahazakana fahasamihafan’ny fiainan’ny olona hafa amin’ny alalan’ny tantara.” Azonao jerena ny ohatra vitsivitsy amin'ny asan’i Shaghayegh teo aloha ao amin’ny PBS's Frontline/World website.
Bloggers Desde la Infancia (Mpamaham-bolongana hatramin’ny fahazazana) - Uruguay
Nanaitra sy nahasarika ny fantsom-pamoaham-baovao iraisam-pirenena ny  One Laptop per Child (OLPC na findain-tsolosaina isan’ankizy) volavolan-tolotra natsangan’ny mpikambana ao amin’ny MIT Media Lab izay mikendry ny hananan’ny mpianatra rehetra manerantany fidain-tsolosaina tsirairay avy. Saingy amin’ny ankapobeny dia hitantsika hoe ahoana ny fanatanterahina izany amin’ny tanora mpianatra any Uruguay, Peru, Nigeria, sy ny hafa ankoatra ireo ny hampiasana ilay findain-tsolosaina kely miloko maitso matsoraka. Hikarakara atrikasa maro hamoriany mpamaham-bolongana ao antoerana sy iraisam-pirenena i Pablo Flores ao amin’ny Ceibal, fikambanana miankina amin’ny fanjakana miandraikitra ny fitsinjarana ny findain-tsolosaina OLPC any Uruguay, hampianatra ny ankizy (sa ny mpanabe?) ny fananganana bolongana mba hahazoany tombondahiny amin’ny fampiasana fantson-tseraseram-piaraha-monina hafa. Aorian’izay dia hisy ny loka fampirisihana ireo mpamaham-bolongana vaovao hampiely ny tantaran’ny fiaraha-moniny ao an-toerana sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miranty ao amin’ny wiki (amin’ny teny Espaniola) ny volavola natolotry Pablo
Hisarika ny mpanao dinika Malagasy ho amin'ny tontolon’ny famoaham-baovaon’olom-pirenena - Madagasikara
Sehatra fiadian-kevitra teny malagasy manana ny lazany miorina eto Antananarivo, Madagasikara ny  Serasera izay manana mpikambana mihoatra ny 400. Hiditra an-tsehatra ao amin’io vondrona mavitrika amin’ny dinika io ry Mialy Andriamananjara, Lova Rakotomalala, Harijanka ary ny mpikambana hafa ao amin’ny Foko Madagascar ary hampianatra azy ireo ny handray anjara ao amin’ny tontolon’ny bolongana, fandefasam-pao ary ny fandefasan-dahatsary an-tserasera. Ao amin’ny volavola nasehony no navoitrany fa “hamela feo sy dian-tanana eto an-tany … mba hotopazan’izao tontolo izao maso ny hevitra, asa ary ny fijerin’ny Malagasy” ireo mpikambana amin’ny serasera ireo.
Andavanandro-na voafonja iray - Jamaika
Nanamarika ny mpanorina ny tetikasa Kevin Wallen fa “nihoatra ny roa tana mahery izay, i Jamaica izay manana mponina 2.600.000, dia fantatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho ‘renivohitr’izao tontolo izao amin’ny vono olona.' Tamin’ny taona 2007 fotsiny dia nihoatra ny 1 400 ny isan’ny mpamono olona.” Voahitrikitrika noho io fiakaran’ny famonoan’olona ambony be io ny kolontsaina Jamaikana ami’ny fanandratan’ny vahoaka ho ambony (fankalazana) ireo lehiben’ny jiolahy. Ity tetikasa Diary of an Inmate (na andavanandro-na voafonja iray) ity dia hiezaka ny hifanandrina amin’io ‘fankalazana ny jiolahim-boto’ io mba hitaraihana ny any ampamonjana hamaham-bolongana sy hamaham-peom-bolongana. Nofariparitan’i Kevin moa fa ny tanjon’ny tetikasa dia: “mba ho afa-mitantara ny fiainany amin’ny alalan’ny famahanam-bolongana ny voafonja. Mba ho voalalotr’izy ireo ao anatin’izany ny lokom-piainana ambadiky ny toeram-pisotroana sy ny fiantraikan’ny fanaovana heloka bevava. Ankehitriny moa ny mozika sy ny fantsom-panomezam-baovao Jamaikana dia ‘midera fatratra’ ny ‘badman' na 'shotta' ary mametraka ho olona tarafina (maodely) ireo izay efa nigadra. Maro noho izany ny tanora no mieritreritra fa toerana mahafinaritra izany figadrana izany, kanjo moa zavatra hafa no atrehina rehefa hitany ny zava-misy any. Hampahafantatra ny Jamaikana noho izany ny bolongan’ny Diary of an Inmate hahalalany ny zavamisy amin’ny fahamaroan’ny mpigadra any amin’ny fonja sy ny fahasahiranam-be iainana any ka antenaina fa ho voatosika noho ny fisian’ny bolongana ny hevi-diso naelin’ny fantsom-pampitam-baovao any an-toerana (gazety sy haino aman-jery).”
Faly izahay miarahaba ireo tetikasa dimy vaovao ireo hiroborobo mandrakariva ary hahabe voho (na hahamatotra) ny tontolon’ny mpamoaka vaovaon’olom-pirenena Rising Voices anie izy ireo.
David Sasaki