The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Uruguay Tahiry Firenena

RSS ho an i Uruguay

2009-08-14

Uruguay: CIP, Vohikala ho an’ireo horonantsary sy ireo sarimihetsika fohyVideo post

Antsoin-dry zareo hoe fomba iray hafa hamoahana ireo video vokariny izy ity mba tsy hifaninanany amin’ireny video novokarina tany an-trano ho fankalazana tsingerintaona ireny, ireo videoan-tsaka ary ireo horonantsarin-kira ho an’ny karaoke. Tanora roa avy any Uruguay no nanapa-kevitra hanova ny zava-misy ka namorona ny Cip, vohikala natokana hanehoana ny sarimihetsika novokarin'ireo mpamokatra horonantsary mahaleontena, izay afaka maka ny sarimihetsika nataon-dry zareo avy any amin’ny toeran-drakitra any ary mizara izany amina fiaraha-monina midadasika kokoa

2009-05-18

Uruguay: Fahalasanan'ny mpanoratra Mario Benedetti

Nodimandry teo amin'ny faha-88 taona niainany ny mpanoratra sady poety Orogoaiana Mario Benedetti tamin'ny 17 May. Nihoatra ny 80 ny bokin-tantara noforonina nosoratany, ankoatra ny tononkalo sy sombintantara ary andrana izay anisan'ny asa sorany, ary voadika tamin'ny teny vahiny eo ho eo amin'ny 20 eo. Olobe eo amin'ny fiarahamonina ...

2008-08-21

Kilonga ,
Fanabeazana

Nambaran'i Pablo Flores fa ho avy ny andiany faharoa amin'ny fihaonan'ny Ceibal ao Montevideo, any Orogoay [es]. Fihanonana, tsy ofisialy, ataon'ireo mpahay informatika moa izy ity mba hamoronana rindrankajy “open-source” ho amin'ny solosaina XO.

2008-03-20

Orogoay : Fanontaniana ho an’ny vohikala mpizara rakikira sy sary iray

Soratry ny tonia: Ity lahasoratra manaraka ity dia nadika avy tamin’ny fampiresahan’ny mpamaham-bolongana Orogoaiana, Martin Balao. Ilay mpamaham-bolongana manana ny anaram-bositra hoe E1000 izay iray amin’ny Olobe ao anatin’ny fikambanana Fotos de Uruguay [es] (Sarin’I Orogoay) no noresadresahany tamin’izany, fikambanana niainga tamin’ny fifampizarana sary tamina vohikala izay efa ahafahana itrohana ...

2007-12-31

Arahabaina ireo Rising Voices vaovao

Naharenesantsika feo vaovao sy mahery avy amin’ny fiaraha-monina tsy dia hita matetika amin’ny aterineto ny nisokafan’ny vondron’ny fantsom-panomezam-baovao avy amin’ny olom-pirenena na ny tetikasa midina an-tsehatra Rising Voices. Niantso tolotra vaovao hampiroboroboana ity fantsom-panomezam-baovao ity indray izahay tamin’ny volana lasa, mba hisafidianana dimy hafa hanampy ireo izay efa amperinasa any ...