The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Trinidad & Tobago Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Trinidad & Tobago

2008-06-13

Trinidad & Tobago,
U.S.A.

Inoan'ilay mpamaham-bolongana Trinitita Attillah Springer fa hampivoatra zavatra maro ny onjam-piovana entin'i Barack Obama:

 “Onjam-piovana iray tiako handom-baravarana aty amintsika izy ity ka hanaisotra amintsika ny fiesonana sy ny fahabangan'ny fototra politika eto amintsika. Eny indrindra, isika koa afa-manova. Afa-manova ny politikantsika isika.”

2008-04-22

Jamaica,
Martinique,
Trinidad & Tobago

Miaiky ny ezaka nataon'i Aimé Cesaire ny mpamaham-bolongana Jamaikana Geoffrey Philp , Manonona azy ho “ilay poeta hajaina manerana ny tontolo miteny frantsay sy mpitolona ho amin'ny zon'ny Indiana andrefana (mena hoditra)”, ary ny Caribbean Beat Blog kosa miteny azy hoe: “Amin'ny hafenoan-drano ( fo mavesatra) no hanaovana veloma ilay zanaky ny tanin'ny Indiana andrefana sy misaotra azy noho ny tolona tsy nanampitsaharana nanoherany ny fanjanahantany.”

2008-04-20

Trinite sy Tôbagô , USA, Afrika, Italia : Fivavahana sy Pôlitika

Jeremy Taylor no manapariaka ao amin'ny blaoginy Notes from Port of Spain [tanana any Trinite sy Tôbagô ny Port of Spain] izay fijeriny ireo lohahevitra misongadina vokatry ny fandalovan'ny Papa Ray Masina tany Zamerika [USA]: It's not enough for the Pope to be ‘ashamed' of his American paedophile priests…he also has ...

2008-03-17

Trinidad & Tobago

Notes avy any Port of spain dia manontany hoe :”Ary iza no hiambina ny mpiambina?”

2008-02-01

Trinite sy Tôbagô : Lozan'ny rano

OpenDepth no manontany tena hoe nahoana raha tena manana traikefa amin'ny fitrandrahana ny solika ambanin'ny tany tokoa i Trinite sy Tôbagô, no dia matetika karakaina ny tolotra rano [delestazy] ? : I spent a good portion of the evening running the pump so that it can fill the water tanks [...] I ...

2008-01-25

Trinite sy Tôbagô : “Taranaka” nangalarina ?

Jumbie's Watch no mitatitra momba herisetra nitranga tany am-pianarana tany Trinite sy Tôbagô : Today I saw an article about a boy, a schoolboy in school, beating a fellow student and her pregnant mother ! [...] How and when did society ‘tief' our children, and their innocence? And how did we ...

2007-12-28

Porto Rico, trinite sy Tobago, Pakistana: Fodiamandrin'i Bhutto

“Namelona ny aingam-panahiko i Benazir Bhutto. Nahery vaika izy. Nahery fo ihany koa. Sady tsara tarehy no nahay nihaingo ary tsy natahotaho-poana”: Izany no ambangovangon-tenina mpamahambolongana teraka Porto Rikana Liza Sabater izay nametraka an'i Bhutto ho “sheroe”-ny na "tsangan'ny herimpom-behivavy" (mariho ny s alohan'ny heroe) fitarafany, fa i  Coffeewallah, mpamaham-bolongana avy ao Trinite, ...

2007-11-23

Vondronosy Karaiba: Ny Fanehoam-pankasitrahana

Dia mitohy ihany ny fitantarana ireo fomba aman-danonana manerantany. Ao anatiny indrindra ny any Etazonia amin’izao fotoana izao. Dia resaka momba ny fomba avy any indray no resahintsika na dia ny any amin’ny nosy manodidina aza no ho tantaraina etoana. Mety hoe fialantsasatra mahazatra ny Amerikana Tavaratra ny Thanksgiving (androm-panehoam-pankasitrahana) ...

2007-10-16

Trinite sy Tôbagô : Ny vesatry ny HIV/SIDA andavan'andro

Ny blaogy Now is Wow [Anglisy] dia mitatitra ny diany tany amin'ny faritra Atsimon'ny nosy Trinite sy ny fihaonany tamin'ny ramatoa voan'ny otrikaretina HIV/SIDA izay miresaka mazava sy am-pahatsorana izay mombamomba ny fiainany andavan'andro. Janine Mendes-Franco

Trinite sy Tôbagô, Dôminika : « Blog Action Day »

Ireo blaogy Haveworld sy Living Dominica [Anglisy] dia manatitra ny anjara birikiny amin'ny Blog Action Day amin'ny fanolorana soso-kevitra izay heveriny fa mety hanampy amin'ny fitadroana sy ny fikolokoloana ny tontolo iainana. Janine Mendes-Franco