Global Voices teny Malagasy » Paraguay
Paragoay : miresaka ny tantarany ireo mpifindra monina
Efa tantara mahazatra izy ity manerana an'i Amerika Latina, izay hikarohan'ny mpifindra monina ny tany tsaratsara kokoa amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina aminy na any amin'ireo firenena lavitra. Tsy hafa fa mitovy amin'izany koa ry zareo Paragoiana izay mandao ny namany sy ny fianakaviany mba hitady ny tsaratsara kokoa, na izany ao Amerika Atsimo na any lavitra hatrany Erôpa. Ny sasantsasany amin'ireny tantara ireny no voambara ao amin'ny seraseran'ny terantany. Ny bilaogy antsoina hoe  Somos Paraguayos [es] (paragoiana izahay) no manasa ireo mpifindra monina manerana ny tany mba hitantara ny mikasika ny zavatra niainany voalohany ary hanome valiny ho an'ny Paragoiana ao amin'ny serasera manampy ny valan-dresaka.
Mampihetsi-po ny ankamaroan'ireo tantara mahakasika ny fiezahana miaina any amin'ny tany vaovao, ary ny tantara sasany aza moa dia tena lasa malaza tokoa. Ny zavatra iraisan'ireo tantara rehetra ireo dia ny fikarohana ny tsaratsara kokoa eo amin'ny lafiny ekônômika. Nanoratra ny 30 taona niainany tant Arzantina i Gabriela raha nandao an'i Paragoay izy hitady vola hanampiany ny ray aman-dreniny. Na izay aza dia tsy mora ho azy ny mandao ny tanindrazana :
Este dolor por la distancia y la angustia de no ver y escuchar a mis seres mas queridos, de no ver el cielo tan azúl ni los árboles mas verdes y frondozos, la tierra colorada, la polca y el dulce idioma guaraní despertaron en mí la curiosidad por saber mas de mi tierra, y también para defenderme de los interrogatorios a los que me sometían todos quienes se daban cuenta de mi acento
Ny fangirifiriana vokatry ny fahalavirana sy ny tsy fahafahana mihaino sy manatri-maso ireo olon-tiako, ny tsy fahafahana mijery ny lanitra manga sy ny hazo maitso manim-pofona ary ny lokon'ny tany, ny polka (karazana dihy), ny hamamin'ny fiteny Guarani manainga ny fisainako hahalala bebe kokoa momba ny taniko, ary koa ny mba hahafahako miaro tena amin'ireo fanontaniana apetraka mahakasika ny fomba fiteniko.
Mora kokoa ny miaina lavitry ny tanindrazany noho ny miditra any amin'ny tany hafa noho ny famerana atao amin'ny mpifindra monina. tsy izay rehetra nahavita niditra any amin'ny tany hivahinianany akory dia tafavoaka daholo. Nahita asa tamina mpivady monina any Angletera i Olinda ary nanoratra ny nanaovana tsinontsinona azy nandritra ny fahatongavany teny amin'ny seranam-piaramanidin'i “London's Hearthrow airport” :
Finalmente llegue al mostrador y me atendió una que me hablaba todo en ingles, no le entendía nada, después de una rato trajeron un traductor y me pregunto para que venia y otras cosas mas. Me llevaron a una oficina para preguntarme mas cosas, y ahí ya me asuste. Me preguntaron cuanto pague por el pasaje, cosa que yo no sabia, también me preguntaron de que nacionalidad era mi amiga y su marido (los señores que me contrataron), yo le dije paraguayos pero había sido ella era de nacionalidad argentina y el señor tenia nacionalidad italiana por medio de su papa, ellos antes vivían en Paraguay, pero no sabia todos esos otros detalles. Hasta llamaron a la señora y le preguntaron cosas mías y ella tampoco sabia mucho… y así se dieron cuenta que yo venia a trabajar y me denegaron la entrada al país.
Me dijeron que el vuelo salía al día siguiente recién, por lo que me iba a quedar retenida en el aeropuerto hasta que ellos me embarquen mañana. Y así me llevaron a una habitación con cama, baño y televisión. Donde descanse y espere el día siguiente. La verdad me trataron muy bien los ingleses, y no me puedo quejar, fue mi inocencia y la de los patrones que pensaron que era fácil entrar y cuando no era. Inclusive ellos me dijeron que si algún día quería volver a Inglaterra era bienvenida porque no arme escándalo ni llore como algunos hacen. La verdad no entendí porque me dijeron eso, me hubiesen dejado entrar nomás, no?
Después volví a Asunción al día siguiente, y unos meses después me anime a intentar otra vez, pero esa vez a España. Preste plata para pagar el pasaje esta vez, pero tampoco pude entrar… por tercera y última vez, preste una vez más plata y compre otro pasaje a España y esta vez si pude entrar.
Tonga teo amin'ny latabatra fandraisana aho dia olona tsy miteny afa-tsy teny Anglisy no nandray ahy teo, ary tsy nisy azoko izay nolazainy, ny farany dia nitondra mpandika teny ry zareo ary nanontany ahy ny antony hahatongavako any sy zavatra maro hafa koa. Nasainy nankany amin'ny birao indray aho ary nanontaniany zavatra hafa marobe, ary nanjary natahotra aho. Nanontaniany ahy hoe hoatrinonana no naloako tamin'ny saran-dalako, izay zavatra tsy fantatro, ary nanontaniany ahy koa ny hoe terantany inona ilay namako sy ny vadiny (ireo mpivady naka ahy), ka nolazaiko azy ireo fa Paragoiana izy ireo, kanjo tsy marina izany fa Arzantina ilay ramatoa ary Italiana ilay rangahy avy amin'ny rainy, fa nonina tany Paragoay fotsiny ry zareo, ka tsy fantatro ny pitsopitsony rehetra. Nantsoiny ilay ramatoa ary nanontaniany zavatra maro mikasika ahy ka tsy dia nahalala koa izy… teo vao fantatr'izy ireo fa hiasa no nahatongavako any amin'ny taniny.
Nolazain'izy ireo fa ny andro manaraka vao misy fiaramanidina indray, ary tsy maintsy hotazonina ao amin'ny seranana aho mandra-pandehanako miverina ny ampitso maraina. Napetrany tao amin'ny efitrano iray aho, misy fandriana sy efitra fandroana ary fahitalavitra, ary nijanona tao aho mandra-pahatongan'ny andro manaraka. Nokarakarain-dry zareo Anglisy tsara aho ary tsy misy zavatra hitarainako, ny fahatsorako sy ireo niantso ahy no niheveranay fa tsy dia ho sarotra ny hidirana any kanjo tsy izay no zava-nitranga. Nilaza tamiko izy ireo fa raha hiverina any Angletera aho indray andro any dia horaisin-dry zareo tsara satria tsy mba nanana tantara ratsy aho ary tsy nitomany tahaka ny fanaon'ny sasany. Tena tsy azoko hoe maninona ry zareo no niteny izany tamiko, ary raha marina izany, naninona aho no navelany teo ?
Niverina tany Asuncio aho ny andro manaraka ary afaka volana vitsivitsy taty aoriana dia niverina indray aho, tamin'ity indray mandeha ity dia tany Espaina indray. Nentiko ny vola handoavako ny saran-dalako, fa tsy afaka niditra ihany aho… ny fahatelo sady farany, dia nitondra vola bebe mihitsy aho ary nandoa ny saran-dalako mankany Espaina ka izay vao tafiditra aho.
Raha vao tonga any ivelany ianao dia maro amin'ireo mpifindra monina no manomboka fiainana vaovao indray ary mamorona fiaraha-monina miaraka amin'ireo mponina any amin'ny tanondrazana vaovao. Ao amin'ity bilaogy ity, Angel, terantany Espanôla, no nitantara zavatra mampalahelo iray niaraka tamin'ny vadiny Paragoaiana :
He estado casado dos años y tres meses con una chica paraguaya de San Lorenzo (tres años en total desde que la conocí). Digo he estado porque me he quedado viudo con una preciosa beba que me dejó cuatro días antes de fallecer y un chico de 10 años que lastimosamente volvió con sus abuelos y tuve que separar de su hermanita por asuntos mas legales que sentimentales…..
Una complicación en la cesárea desencadenó en la peor semana de mi vida, la beba nació lunes y mi esposa falleció viernes. Tengo muy claro que en Paraguay el mismo lunes hubiese fallecido, pero eso no tiene vuelta atrás para discutir si acá o allá.
Nanambady tovovavy Paragoiana avy any San Lorenzo aho 2 taona sy 3 olana lasa izay (3 taona raha atotaly amin'ny fotoana nahitako azy). Lazaiko hoe nanambady satria ankehitriny dia mananon-tena aho ary manan-janaka mahafatifaty 4 andro monja talohan'ny nahafatesan'ny reniny, ary zazalahy kely 10 taona izay voatery niverina any amin'ny raibeny sy ny renibeny ary tafasaraka tamin'ny anabavikeliny, na dia eo aza ny firaisam-po.
Fahasarotana avy amin'ny fiterahana natao sezarenina no niatombohan'ny herinandro maizina indrindra teo amin'ny fiainako, terak any alatsinainy ny zazakely ary maty zoma ny vadiko. Azoko antoka fa raha tay Paragoay dia efa maty ny alatsinainy ihany izy, saingy tsy misy antony tokony hiresahana izany intsony izao.
Eduardo Avila
Paragoay: Ny 100 andro voalohany nitondran'ny filoha Lugos
sarin'i Fernando Lugo APC ary ankatoavina noho ny Creative Commons license.
Nandalo ny 100 andro voalohany nitondran'ny filoha Paragoaiana voafidy Fernando Lugo hatramin'ny nandraisany ny fitondrana tamin'ny volana aogositra lasa teo. Nangetaheta fanovana ny Paragoaiana, fanovana izany nantenaina be avy amin'ny Filoha vaovao, izay mpitondra fivavahana teo aloha, sy avy amin'ny governemantany. Nisy ary ny mpamaham-bolongana vitsivitsy naka fotoana hanoratana ny andro 100 voalohany nitondran'ny Filoha LUgo.
Nataoon'ny bolongana Rescatar [es] fampitahana tamin'ny hazo Pau D’arco (Tajy) ny ny 100 andro voalohany nitondran'i Lugo tamin'ny filazany fa nanantena hahita voninkazo (izany no tena voninkazo) mamelana eny amin'ny hazo ny olona, saingy mbola mila jereny aloha izany.
No se han visto mucho los cambios pero se han sentido. Para situarlo en un plano botánico a fin de graficar lo que a nuestro juicio aconteció en estos primeros tres meses es que la gente quería ver al Tajy florecer y lo que hizo el árbol fue fortalecer sus raíces para prenderse más fuerte al suelo y evitar que los vientos que han comenzado a soplar lo tumben fácilmente.
Tsy mbola hita ny fiovana, fa efa tsapa. Raha atao eo amin'ny sehatry ny zavamaniry no ilazana izay nitranga nandritra izay telo volana voalohany izay, dia naniry hahita ny tajy hamelana ny olona, saingy ny hita dia namaka lalina tany anaty tany ilay hazo hampatanjaka azy tsara mba tsy ho voazeran'ny rivotra mora foana izy.
Nomen'i Edgar Ruiz Diaz isa 1 ka hatramin'ny 10 tsirairay avy tao amin'ny bolongany Las Preguntas de Venerando [es] Lugo sy ny mpikambana ao amin'ny governemantany tamin'ny zavabitany.
Presidente Fernando Lugo: El viaje se constituyó en sinónimo de trabajo presidencial porque desde que asumió la Presidencia de la República todas las semanas utiliza uno o más aviones para trasladarse a ciudades del exterior o localidades del interior del país. Con su promesa de traer el cambio al país, transformó algunas modalidades de atención a la gente en ese sentido estableció Mburuvicha Roga como sitio de reuniones con sintechos y sintierras para discutir sobre invasiones. Por sus actitudes, el ex obispo parece haber pensado en serio que un vicepresidente se asemeja al florero sobre un escritorio y pese a sus desaciertos o errores creo que el Jefe de Estado puede mejorar y por eso mi calificación para él es cinco en este post.
Filoha Fernando Lugo: Ny fivezivezeny etsy sy eroa moa dia lasa midika hoe asan'ny filoha satria hatramin'ny nitondrany dia nampiasa voromby iray na mihoatra izy hivoahany mankany ivelany na manofa ihany koa izy handehandehanany eto amin'ny firenena isan-kerinandroHis travels . Tamin'ny fampanantenany hitondra fiovana eto amin'ny firenena, dia voaovany ny fomba fijery ary izany no nanaovany ny Mburuvicha Roga (ny trano iasan'ny filoha) ho toerana fihaonana iresahany amin'ny tsy manan-kialofana sy ny tsy manan-tany raha jerena ireo olona mameno azy. Amin'izay fihetsiny izay, dia tahaka ny manao izay hampieritreritra lalina izy fa ny filoha lefitra dia mitovy amin'ny vazy eo ambony birao, ka na dia maro aza ny fahadisoana vitany, dia mieritreritra aho fa mbola afaka manao ny tsaratsara kokoa ny Lohan'ny Firenena ary noho izany dia omeklo isa 5 izy.
Lopez Barrios ao amin'ny El blog de Lopez Barrios [es] no niteny fa, niezaka hitondra ny firenena ao anatin'ny filaminana ny filoha Lugo, saingy tsy nizotra araka izay efa nomaniny ny fandehan-javatra.
Fernando Lugo según mi manera de ver ha tratado de llevar con cierto grado de pacifismo los rumbos de su patria, la verdad es que al día de la fecha las cosas ya no están pacificas… el caos reina por doquier… y aun cuando nos esforcemos en tener una mirada optimista, la urgente determinación sobre asuntos de seguridad de índole prioritaria brilla por su ausencia.
Fernando Lugo kosa araka ny fomba fijeriko zavatra dia niezaka hitondra ny firenena amina ambaratongam-pilaminana avoavo kokoa, ny marina anefa dia dia efa tsy milamina intsony ny raharaha… manjaka ny baranahiny… koa na dia miezaka mafy ny ho tsara fijery zavatra aza izahay, dia banga ny laharam-pahamehana ilana fanapahan-kevitra maika.
Fohy loatra ireo andro voalohany nitondran'ny governemanta vaovao ireo hananana fehin-kevitra, saingy ampy kosa ijerena ny heriny sy ny kilemany, araka izay efa nasehon'ny maro amin'ny mpamaham-bolongana ao an-toerana. Tsy misy ny fahagagana, tsy afenina izany, ary lalanan-javatra izany. Amin'ny maha-lalanan-javatra azy, dia maka fotoana sy mila paika mahomby, asa mafy ary angamba vintana kely koa, dia antenanina fa handresy ireo fahalemeny ireo ny filoha vaovao ka hahatonga ny firenena ho firenena manankarena indray.
Paragoay: Tolobidina voromby hoan'ny filoham-pirenena
Te-hividy voromby ho an'ny filoham-pirenena ny filoha Paragoaiana Fernando Lugo hanatontosany fitsidihana iraisam-pirenena.  Tsy manohitra ireny fitsangatsanganana ireny i Carlos Rodríguez ao amin'ny Rescatar [es] fa  lainy kosa ilay vidiny $7 000 000, ka aleo mitandrina kokoa hanofa raha izany, hoy izy.
Paragoay : Sary tamin'ny fandraisan'ny filoha ny fahefana ao amin'ny Flickr
Tamin'ny faha-15 Aogositra lasa teo no nanao fihanihanana i Fernando Lugo, Eveka Katolika taloha ary lasa filoham-pirenena ao Paragoay. Nampientana ny vahoaka paragoaiana, na ny any an-toerana na ireo monina any ivelany izao fandraisan'ny filoha ny toerany izao. Misy sary ao amin'ny flickr ho an'ireo tsy afaka nanotrona ny lanonana tany Asuncion.
Tamin'ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra tamin'ny volana Janoary 2008 no niatombohan'izao ezaka hitahirizana ny fivoahana sy ny hetsika ataon'i Lugo izao. Efa mananika ny 2500 ny sary ary samy arovan'ny Creative Commons daholo. Hotohizana izao fampiasana ny citizen media izao mandritra ny fotoana hitondrany.
Nandritra ny andro maromaro izao dia hita tamin'ny sary ny nametrahana azy ho filoha ny hafaliana noho ity tranga manan-tantara ity.
Tamin'ny fihanihanan'i Lugo. Sary nalain'ny Fernando Lugo APC, ary ampiasaina araka ny fanomezan-dalan'ny Creative Commons.
Hita ao koa ireo sary miaraka amin'ireo filoham-pirenena avy any Amerika Atsimo.
Hugo Chavez avy ao Venezoela sy Lugo. Sary nalain'ny Fernando Lugo APC, ary ampiasaina araka ny fanomezan-dalan'ny Creative Commons.
Evo Morales avy ao Bolivia sy Lugo. Sary nalain'ny Fernando Lugo APC, ary ampiasaina araka ny fanomezan-dalan'ny Creative Commons.
Lula de Silva avy ao Brezila sy Lugo. Sary nalain'ny Fernando Lugo APC, ary ampiasaina araka ny fanomezan-dalan'ny Creative Commons.
Cristina Kirchner avy ao Argentina sy Lugo. Sary nalain'ny Fernando Lugo APC, ary ampiasaina araka ny fanomezan-dalan'ny Creative Commons.
Rafael Correa avy ao Ekoatera sy Lugo. Sary nalain'ny Fernando Lugo APC, ary ampiasaina araka ny fanomezan-dalan'ny Creative Commons.
Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo
Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra any Amerika Atsimo no indray miara-miravoravosy mizara ireo fihetseham-pony.
Ekoatera - Cronica Cero manoratra ny lafiny fanoharana [icon, icône] mikasika an-dRtoa Betancourt :
LIBRE. Así, con mayúsculas. (…) Betancourt alcanzó una imagen mundial, universal. (…) Abrimos periódico con ella y nos regocijamos con su liberación, nos hermanamos con los colombianos, con aquellos que buscan la paz antes que la confrontación. Betancourt es un ícono de la lucha contra el secuestro. Hoy, Colombia amanece diferente. Creo que el mundo, el que se relacionó y conmovió con su historia, también
AFAKA. Amin'ny sorabaventy ohatr'izao. (…) Nanjary fanoharana manerana izao tontolo izao Rtoa Betancourt. (…) Nosokafanay ny gazety dia hitanay ny fahafahany, miombom-pifaliana amin'ireo rahalahy sy anabavy Kôlômbiana izahay, ireo indrindra izay nikatsaka ny fandriam-pahalemana talohan'ny fifanoherana. Fanoharana mikasika izay ny ady amin'ny fakana olona an-keriny Rtoa Betancourt ankehitriny. Nifoha amin'ny rivotra vaovao ry zareo Kôlômbiana androany. Ary heveriko ho toy izany koa izao tontolo izao, izay nitatitra ny tantarany sy tohin'izany.
Bolivia - Carlos Gustavo Machicado Salas avy ao amin'ny Guccio's kosa mamakafaka ny fanambarana izay nataon-dRtoa Betancourt dieny izy afaka :
para mi lo más importante es el mensaje de amor y perdón que nos dio Ingrid, que rezo por los muertos y por los guerrilleros y además les ofreció su perdón. Después de las penurias y los maltratos que tuvo que vivir uno pensaría que solo tendría odio y rencor en su alma, pero no al contrario irradia una paz espiritual y un apego a Dios increíble. Realmente algo muy lindo y que a todos nos debería hacer reflexionar en relación a cual debe ser nuestra actitud frente a la vida.
raha ny amiko manokana dia ny fitoriana fitiavana sy famelan-keloka nataon'i Ingrid no lehibe indrindra, ny nilazany fa mivavaka hoan'ireo rehetra nodimandry sy ireo mpiada anaty akata izy, sy ny namotsorany sahady ny helok'izy ireo. Taorian'ny fahasarotana sy ny herisetra izay nosedrainy, dia mety ho nihevitra isika fa fankahalàna sy lolom-po no nameno ny fanahiny, mifanohitra tamin'izany anefa, fahatoniana ara-panahy sy fifikirana mafy mahagaga amin'Andriamanitra, no taratra mamiratra avy ao aminy. Tena zavatra mahagaga loatra izay tokony hisarika antsika tsirairay handini-tena mihitsy izao.
Arzantina - Marian B ao amin'ny Miscellaneous, Nonsensical and Unnecessary Ramblings koa dia manindry mikasika ny fanambaran-dRtoaBetancourt :
Estoy escuchando su discurso en el aeropuerto y le tengo envidia a los colombianos por contar nuevamente con una política excelente, excepcional e
increíble como ella. A Colombia le va a ir increíblemente bien si se presenta para las elecciones y la eligen.
Eo am-pihainoana ny kabariny eto amin'ny seranam-piaramanidina aho dia velom-paniriana ireo Kôlômbiana aho ny ahafahany indray miantehitra amina pôlitisiana tsara sy tokana an-tany ary mahatsikaiky toa azy. Tombotsoa lehibe hoan'i Kôlômbia mihitsy raha toa ka mirotsaka ho kandida sy voafidy amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka izy.
Gatemalà - Prensa Negra ravo satria tsy nisy nidiran'ny filoham-pirenena Venezoelana Hugo Chávez ity fanavotana ity :
Se logro el rescate de Betancourt, sin duda alguna, el secuestro mas controversial de los ultimos años de las FARC, y lo mejor de todo sin la ayuda de Chavez por que si hubiera tenido algo que ver con esto quien le oyera la trompa ahora al pizado!.
Tsy misy fihambahambana fa ny fanavotana an-dRtoa Betancourt, vokatry ny fakana an-keriny nataon'ny mpiady anaty akatan'ny FARC no niteraka adihevitra indrindra nandritra izay taona maro lasa izay. Ary mahafinaritra fa tanteraka tsy nisy nitsofotsofohan'i Hugo Chavez izany, raha tsy izany dia efa nieboebo indray eran'izao tontolo izao ny lehilahy !
Però - Menoscanas mikasika izay mety ho fiantraikan'izany amin'ny vondron-tafika mpiady anaty akatan'ny FARC :
Sonrisas de los ex rehenes evidencian uno de los golpes más duros a las FARC debido a que todos los ojos del mundo se encuentran sobre Colombia en este momento. El caso de Ingrid Betancourt es el más reconocido y las sonrisas y abrazos entre los ex rehenes y el reencuentro con sus seres queridos nos muestra como luego de largas pesadillas, uno puede despertar.
Ny tsikitsiky mandravaka ny tavan'ireo olona nohafahana dia mampiharihary fa isan'izay fahavoazana lehibe indrindra nosedrain'ny vondron-tafika mpiady anaty akata FARC hatramin'izay izy ity nohon'ny mason'izao tontolo izao izay voasarika hijery ny zava-misy any Kôlômbia. Ny ohatry Rtoa Ingrid Betancourt no isan'izay mazava indrindra ary ireo tsikitsiky sy orokoroka izay ifampizaran'ireo olona voatana an-keriny nohafahana sy ireo fianakavian'ny tsirairay dia mampiseho fa afaka taitra amin'ny torimaso ihany, na dia tao aorian'ny nofiratsy maharitra aza.
Diana Zorrilla of Morena Escribe [es] writes:
Ella se convirtió en el ícono del flagelo que han infligido las FARC al pueblo colombiano y su liberación junto con la de los otros catorce es una importante victoria moral para Colombia
Nanjary fanoharana mikasika ny kapoka karavasy izay nataon'ny FARC ny vahoakan'i Kôlômbia Rtoa Ingrid Betancourt, ary ny fanafahana azy sy ireo olona 14 hafa mpiray fakana an-keriny taminy dia fandresena ara-môraly lehibe hoan'i Kôlômbia.
Paragoay — Edwin Britez ao amin'ny Derecho Viejo [es] wrote about Betancourt earlier in December, and returns with the good news spread throughout the country:
Me reconforta saber que hoy mucha gente salió a las calles de Asunción, por lo menos a expresar su contento con bocinazos, por la libertad de Ingrid. Muchas de ellas son mujeres. Hoy, todos somos de alguna manera, un poco más libres que antes.
Nankaheritena ahy ny nahita fa nohon'ny fanafahana an-dRtoa Ingrid Betancourt, dia mponina maro no nivoaka tany an-dalambe mba hanambara ny hafaliany amin'ny alalan'ny fampandrenesan'ny fiarakodia. Vehivavy ny maro tamin'izy ireny. Azo ambara fa androany, dia mihoatra ny omaly ny fahafahantsika tsirairay.
Sary tapaka nindramina tamin'i Pixiduc
Paragoay : Eveka taloha no ho filoha vaovao
Nifidy ny ho filoha vaovaony i Paraguay tamin’ny 20 avrily lasa teo. Nahangona ny ampaham-bato mamakaiky ny 41% ilay evekan’ny fiangonana katolika romana teo aloha Fernando Lugo. Namarana hatreo ny fitantanan’ny antoko Colorado nandritra ny 61 taona ny fitondrana izany sady fahavitan’ny filoha Nicanor Duarte ny fotoam-piasany amin’ny 15 aogositra rahateo.
Na dia aloha loatra aza izao ilazana izay mety ho politika arahin’i Lugo, dia maro no maminavina fa hitovitovy amin’izay fanapahan-kevitra noraisin’i Bolivia mpiray sisitany aminy no harahiny. Na izany aza dia nifantoka tamin’ny ady amin’ny fahantrana sy hamerenana indray ny fiandrianam-pirenena matanjak’i Paragoay ny fampielezan-keviny. ” Azo jerena ao amin’ny takelaka Flickr izay azy ihany ny sary fampelezan-kevitry Lugo.
Faly amin’ny voka-pifidianana  i Muna Annahas izay lasa nifindra monina any Etazonia:
I’m very happy about the turn out of the elections, I hope it is the best at least for a change, people in Paraguay are celebrating with big flags in front of the Panteon de los Heroes in downtown Asuncion. Lugo won Blanca Ovelar (the colorado Party candidate) for about 170 thousand votes. Paraguayan folk was tired of the current situation and they spoke together and elected a fresh person that I hope is going to make positive changes and improve Paraguay’s reputation around the globe. ”
Andray izany hafaliako nahita ny fandehan’ny fifidianana, manantena aho fa izao no lalana tsara indrindra na dia ho amin’ny fiovana fotsiny ihany aza, mifaly manofahofa saina goavana eo anoloan’ny  Fasan’ny mahery fo ao Asuncion. Nandresy an’i Blanca Ovelar ( kandidan’antoko Colorado) teo ho eo amin’ny elanelambato 170 000 eo i Lugo. Leon’ny zavamisyankehitriny ny vahoaka Paragoaiana ka niara-niteny sy nifidy olom-baovao izay antenaiko hitondra fiovana tsara sy hanatsara laza an’i Paragoay eto amin’ny bolantany.
Maro ny Paragoaiana tahaka an’i Guillermo Verdún ao amin’ny Paraguayo [es] no nankalaza ny fandresena izay nanoratra fa fa vita ny tantara, « Nilaza ny Paragoaiana fa tena leo sy boboka. Resy tamin’ny 20 avrily ilay antoko Colorado mpanjakazaka sy mpanao kolikoly. Enga anie mba hahavita zavatra ny goernemanta miaraka amin’i Lugo sy i Franco ary mba hianatra ny ho marina sy hitandro ny rariny. »
Maro rahateo ny horakora-pifaliana ataon’ny mpanohana an’i Lugo ao amin’ny sehatra niomerika ABC, tahaka ny bolongana nosoratan’i Nelson Zapata [es]:
Hubo muchos que hasta último momento siguieron diciendo que el Partido Colorado era muy difícil de derrotar, porque la rosca maneja el aparato del Estado, la compra de cédula, y la maquinaria del fraude. Muchos pretendieron meterle miedo a la gente para que no vaya a votar, con el cuco del ingreso de terroristas y atracos a supermercados. A toda esa gente, a los que confiaban en el fraude, en la corrupción, a los que pretendieron seguir humillando a los compatriotas, comprándoles sus cédulas por unos centavos, la gente le demostró que es digna y que quiere construir un país diferente.
Hatramin’ny minitra farany dia maro no milaza fa sarotra resena izany antoko Colorado izany, satria izy no mampandeha ny fitondrana, ny fividianam-bato ary ny fitaovam-pangalaram-bato. Maro no nampihorohoro ny olona mba tsy hahafahany mifidy, tahaka ny fampitahorana mpampihorohoro sy ny fanafihana tsenambarotra lehibe. Nasehon’ny hafa noho ireo sasany izay niankina tamin’ny halabato, ny kolikoly, ary ny fividiam-bato fa manana ny hajany izy ary te-hanangana firenena (amin’ny fomba) hafa.
Ny kandidà izay noresen’i Lugo, i Blanca Ovelar izany, kosa dia noderaina noho ny fanekeny ny (voka-)pifidianana. Fa ny filoha hanapitra ny fe-potoana iasany mpikambana ao amin’ny Antoko Colorado Atoa Nicanor Duarte kosa no notsikerain’i Mabel Rehnfeldt :
Quebrada pero con una fortaleza admirable, Blanca puso la cara y cumplió la promesa que había hecho en la campaña. La historia recordará la caída del partido colorado después de 61 años; la historia recordará a Blanca Ovelar y a su entereza porque a la gente se la conoce más en las derrotas que en las victorias. Pero también recordará al que se escondió y no dio la cara junto a la candidata después de haber sido el causante de la caída del partido colorado: La gente recordará a Nicanor Duarte Frutos…. Y sabe por qué? Porque Blanca salió primera. Porque Blanca salió sola. Porque Blanca no se escondió tras la investidura y no esperó a que otros hablen para hablar ella. La gente puede aceptar que alguien pierda, pero no que corra. Solamente las ratas y las cucarachas huyen. Y sólo los cobardes se esconden tras la pollera de una mujer. Una mujer que esta noche dio una gran lección. Me saco el sombrero, doña Blanca.
Resy am-boninahitra Rtoa Blanca ary tsyafa-baraka velively nanaja ny fampanantenany nandritra ny fampielezan-kevitra. Ho voasoratra anatin’ny tantara ny fianjeran’ny Antoko Colorado taorian’ny 61 taona, hahatsiaro an’i Blanca Ovelar sy ny herintsainy ny tantara satria mandritra faharesena no ahafantaranao kokoa izay tadiavin’ny vahoaka fa tsy mandritra ny fandresena loatra. Fa ho tsaroan’ny tantara ihany koa ilay miafina fa tsy niara-dia tamin’ny kandidà rehefa fantatra hoe nahoana no antony naharesy ny antoko Colorado. Hahtatsiaro an’i Nicanor Duarte Frutos ny vahoaka… fantatrao ve ny antony? Satria nivoaka voalohany i Blanca. Satria nivoaka irery i Blanca. Satria tsy niafina tao ambadiky ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy i Blanca, ary tsy niandry ny hafa hiteny raha mbola afaka miteny ihany koa ny tenany. Eken’ny vahoaka ny faharesen’ny olona iray, fa tsy ny handositra kosa. Ny voalavo sy ny kadradraka ihany no mandositra. Ny katahotra no miafina ao ambadiky ny zipom-behivavy. Fampianarana lehibe no nataon’ny vehivavy iray ho antsika androany. Miondika am-panajana manala ny satroko eo anoloanao aho Ramatoa Blanca.
Paragoay: ireo mpilatsaka ho fidìna izay mampiasa ny blaogy hahazoana mpifidy
Sary nalain'i Muna Annahas
Amin'ny 20 aprily ho avy izao no hifidy izay ho filoham-pireneny ny Paragoay. Betsaka amin'ireo mpilatsaka ho fidiana manan-danja no mampiasa ny blaogy ho fomba ifandraisana amin'ireo mpifidy, satria ao no ilazàny ny fomba fijeriny ny lafin-javatra iray manokana, ary ao koa no anazavàny ny drafitry ny governemanta izay hajorony raha lany izy ireo. Ireo blaogy ireo moa dia avoakan'ny gazety “Diario ABC“, izay isan'ny gazety lehibe indrindra ao Paraguay.
Ho an'ny mpilatsaka ho fidìna sasany dia mahatratra 43000 ny mpitsidika ny blaoginy, ary 500 ny hafatra ao amin'ny lahatsoratra iray, izany moa dia maneho tsara fa manan-danja be ity fifidianana iray ity. Vitsy ireo izay nanampò izao fifandraisan'ny mpilatsaka ho fidìna ho filoham-pirenena izao sy ireo mpifidy ; ity farany moa dia afaka milaza tsara ny heviny, ny ahiahiny, ady hevitra iray, eny afaka manadihady tsara koa aza.
Isan'ny mpilatsaka ho fidìna roa izay manana ny blaoginy manokana ireto manaraka ireto :
Fernando Lugo, izay eveka katôlika romana, sady filoha amperin'asa ao amin'ny Antoko demokratika kristianina. Fariparìtany ao ny dingana nataony mba ahafahany mirotsaka amin'ity andraikitra lehibe indrindra ao Paragoay ity [es].
Después de 30 años de disciplinado sacerdocio he renunciado a mis condiciones formales de obispo sin dejar de ser cristiano y paraguayo para dedicarme a la política, trabajar por un proyecto y buscar convertirme en Presidente de la República del Paraguay para servir a mis queridos sufridos hermanos de este hermoso y bendito país.
Rehefa avy nanao asa fanompoana nandritra ny 30 taona aho, dia nametra-pialàna amin'ny andraikitra maha-eveka ahy, na dia mbola nijanona ho kristianina sy paragoay hatrany aza. Izany dia mba ahafahako manolo-tena ho amin'ny pôlitika, ny mba ahafahako manao vinavinan'asa, ary ny hahafahako hitondra an'i Paragoay sy hanompo an'ireo rahalahiko malala izay mijaly eto amin'ity tanindrazana malala sy masina ity.
Blanca Ovelar kosa dia mpilatsaka ho fidìna avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana ankehitriny, ny Antoko Colorado. Izy dia tohanan'ny filoham-pirenena paragoay ankehitriny, Nicanor Duarte. Iray amin'ny resaka lehibe fanaony ny ady amin'ny kolikoly, ary hoy ny anao vavy [es] :
Quien niegue que hay corrupción en el Paraguay, estaría cerrando los ojos a la realidad. La corrupción existe, y ha logrado instalarse en todos los sectores de la sociedad. Tanto en el sector público como en el sector privado; en el partido de gobierno como en los de oposición; en las empresas como en los sindicatos.
Na iza na iza mandà fa tsy misy kolkikoly eto Paragoay dia minì-mikipy amin'ny zava-misy. Misy tokoa izy io, ary efa manenika ny sampana rehetra amin'ny fiaraha-monina : tsy ao amin'ny fanjakana ihany, fa any amin'ny tsy miankina koa, ao amin'ny antokon'ireo mpitondra, sy ny an'ireo mpanohitra, any amin'ny varotra, sy ny fivondronan'ny mpiasa rehetra.
Ny nahatonga ireo blaogy ireo moa dia mety ho avy amin'ny fahatongavan'ny aterineto ho azo ampiasan'ny olona rehetra. Betsaka ireo siberkafe niforona manodidina ireo tanàna kely ao an-drenivohitr'i Asuncion, ary mihabetsaka koa ireo sampana misahana ny aterineto tsy ilàna taro-by (wireless providers) sy ireo mandefa bandy mora takarina (broadband providers) raha oharina ny tamin'ny taona vitsivitsy lasa izay. Ataon'ny ankamaroan'ny olona ho toy ny entam-barotra ny aterineto , fa tsy filiron-javatra akory ; izany dia mahatonga ny olona maro ho afaka mampiasa azy bebe kokoa. Tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 2003 moa dia mbola tsy azo noeritreretina akory izao fifandraisana ara-virtoaly eo amin'ny mpiblaogy (mpilatsaka ho fidìna) sy ireo mpamaky (mpifidy) izao ; ary mahatalanjona tokoa ny mahatsikaritra ireo fiovàn-javatra nandritra izay dimy taona farany izay.
Paraguay : Ny vidin'ny tambanjotra Aterineto
Ny blaogy Internet en Paraguay dia manambara ny tsy hafaliana eo anoloan'ny fampitaham-bidy izay mampiseho fa  avo fito heny [7x] ny vidin'ny tambanjotra miridiridy 1Mbps Aterineto any Paraguay raha mihoatra amin'ny any Brazila indrindra nohon'ny fanambarana ny fahafaham-pon'ny fanjakana any Paraguay amin'ny taham-pandrosoan'ny Aterineto any an-toerana :
« Japàna - 1,81 Reales isam-bolana - 0,90 U$/mes
Italia - 4,2 Reales isam-bolana - 2,1 U$/mes
Frantsa - 5,02 Reales isam-bolana - 2,51 U$/mes
USA - 12,75 Reales isam-bolana - 6,4 U$/mes
Brazila - 39,95 Reales isam-bolana - 20 U$/mes
Paraguay - 280 Reales isam-bolana - 140 U$/mes (Copaco) »
Eduardo Avila