The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Paraguay Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Paraguay

2008-08-19

Paragoay : Sary tamin'ny fandraisan'ny filoha ny fahefana ao amin'ny FlickrThis is a Photos post

Tohiny Tamin'ny faha-15 Aogositra lasa teo no nanao fihanihanana i Fernando Lugo, Eveka Katolika taloha ary lasa filoham-pirenena ao Paragoay. Nampientana ny vahoaka paragoaiana, na ny any an-toerana na ireo monina any ivelany izao fandraisan'ny filoha ny toerany izao. Misy sary ao amin'ny flickr ho an'ireo tsy afaka nanotrona ny lanonana tany ...

2008-07-04

Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo

Tohiny Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra ...

2008-04-22

Paragoay : Eveka taloha no ho filoha vaovao

Tohiny Nifidy ny ho filoha vaovaony i Paraguay tamin’ny 20 avrily lasa teo. Nahangona ny ampaham-bato mamakaiky ny 41% ilay evekan’ny fiangonana katolika romana teo aloha Fernando Lugo. Namarana hatreo ny fitantanan’ny antoko Colorado nandritra ny 61 taona ny fitondrana izany sady fahavitan’ny filoha Nicanor Duarte ny fotoam-piasany amin’ny 15 aogositra ...

2008-03-24

Paragoay: ireo mpilatsaka ho fidìna izay mampiasa ny blaogy hahazoana mpifidy

Tohiny Sary nalain'i Muna Annahas Amin'ny 20 aprily ho avy izao no hifidy izay ho filoham-pireneny ny Paragoay. Betsaka amin'ireo mpilatsaka ho fidiana manan-danja no mampiasa ny blaogy ho fomba ifandraisana amin'ireo mpifidy, satria ao no ilazàny ny fomba fijeriny ny lafin-javatra iray manokana, ary ao koa no anazavàny ny drafitry ny ...

2007-12-12

Paraguay : Ny vidin'ny tambanjotra Aterineto

Ny blaogy Internet en Paraguay dia manambara ny tsy hafaliana eo anoloan'ny fampitaham-bidy izay mampiseho fa  avo fito heny [7x] ny vidin'ny tambanjotra miridiridy 1Mbps Aterineto any Paraguay raha mihoatra amin'ny any Brazila indrindra nohon'ny fanambarana ny fahafaham-pon'ny fanjakana any Paraguay amin'ny taham-pandrosoan'ny Aterineto any an-toerana : « Japàna - 1,81 Reales isam-bolana - 0,90 ...