The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Americas Sokajy ara-toerana

RSS ho an ny Americas

2008-10-21

Brazil

Eduardo Guimarães [pt] mpikambana mpanorina ny  Movimento dos Sem Mídia [Fiaraha-mientan'ny adinon'ny Media (fampitam-baovao)] no miantso ny olom-pirenena handray anjara amin'ny hetsika hanoherana ny familiviliana sy fanodikodinana ny marina ataon'ny fampahalalam-baovao any Brezila. “Mbola manolo-kevitra indray aho ny hanaovana ity bolongana ity ho fitaovana entina amim-pilaminana, handraisan'ny olom-pirenena anjara hiampangana ny heloka bevava vitan'ny gazety, gazety-boky, haino aman-jery isan-karazany ary ny vohikala amin'ny aterineto (amin'izany fanodikodinana ny marina izany). Fa miankina aminareo manontolo ihany ny fanaovana izany raha tsapanareo fa izao no fotoana anatanterahana  izany.”

Belize

“Nampitoka-monina ny tanàna kely sy lehibe maro sy nahatonga fialana tamin'ny toerana iva, nanimba ny voka-pambolena sy fikatonan'ny sekoly maro any amin'ny faritra afovoany sy andrefan'i Belizy ny fitondrahan'ny rano (raiso amin'ny teny hoe tondra-drano) tany amin'ity firenena ity…”: hoy Belizean namelabelatra tamin'ny antsipiriany.

US Virgin Islands

News of St. John no mamoaka sary vitsivitsy maneho ny nosy taorian'ny fandalovan'ny rivodoza (Hurricane)  Omar.

2008-10-18

Madagasikara : Manahy izay mety ho fiantraikan'ny krizy Ekônômika ireo mpiblaogy

Raha tsy mitsaha-mitombo ny krizy, ireo kandida ho filoham-pirenena Amerikana roa lahy, ireo mpitondra Erôpeana sy lohandohany amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena dia samy manambara fa voatery ahena ireo fanampiana iraisam-pirenena. Ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa an'i Madagasikara izay mbola mianki-doha fatratra amin'ny fanampiana iraisam-pirenena dia manahy mafy satria manambana ireo ezaka izay ...

2008-10-16

Paraguay

Te-hividy voromby ho an'ny filoham-pirenena ny filoha Paragoaiana Fernando Lugo hanatontosany fitsidihana iraisam-pirenena. Tsy manohitra ireny fitsangatsanganana ireny i Carlos Rodríguez ao amin'ny Rescatar [es] fa  lainy kosa ilay vidiny $7 000 000, ka aleo mitandrina kokoa hanofa raha izany, hoy izy.

Brezila: nigadra fa naneho hevitra tamin'ny blaogy (bolongana)

Manamboninahitra ambony ao amin’ny polisy no olona voalohany nampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny bolongana tany Brezila. Indreto ary torotoro ravina teo amin’ny tontolom-bolongan’ny polisy avy amin’izany fisehoan-javatra izany. Tsy atao mahagaga loatra, noho ny torolalana amin’ny fampianarana mamahana bolongana sy maneho hevitra (miafina sy tsy fantatra toerana ipetrahana), raha maro amin’ny manamboninahitra no mamaham-bolongana tsy mitonona anarana.

2008-10-10

Trinidad & Tobago

Tantaran'i Now is Wow Too, mpitoraka blaoby avy ao Trinidad eto ny resadresaka nifanaovany tamin'ny mpivarotra voanio iray.

2008-10-06

Japana: Fijery momba ny olan'ny Wall street

Niteraka sahoan-dresaka maro dia maro tany amin'ny tontolom-bolongana japoney noho ny fifandraisana akaiky misy eo amin'ny firenena sy ampita atsinanan'ny ranomasina misy azy ny olan'ny fihitsanam-bidy, ny fanentsenana ny fatiantoka ary ny fividianana taratasim-bola mifanaretsaka any amin'ny bankim-pandraharahana ao amin'ny Wall Street, izay mandrahona hiteraka fitotongan'ny toe-karena amerikana mety hipaka ...

Venezuela

Simón Bécquer avy ao amin'ny Alternative Reality blog ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe Ny  kiraro Converse ho an'ny tanora Sosialisitra [teny esipaniolona] no mampiseho antsika sary fanentanana ny tanora venezoeliana, izay ahitantsika tanora ampanaovina kiraro sosialisitra. Na izany aza, hita ho manana endrika mahazatra hafahafa ihany ilay kiraro nasehon'ny filoha Chávez tenany: Manana ny loko menan'ny marika avy any Etazonia (US) Converse Chuck Taylor All Stars, misy ny sary famantaran'ny PSUV misolo ny loko mena sy kintana manga mahazatra ireo kiraro ireo. Manontany tena ny amin'izay toerana nividianana ireto kiraro Venezoeliana “original” ireto ny mpanoratra.

Chili: Mpianatra namoaka lahatsary fohy momba ny “fitandrohana”Video post

Mpianatra ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa manokana no namoaka lahatsary fohy mitondra ny lohateny hoe "Mitandroka (Bullying)" mba hizarany ny fomba fijeriny momba ny famonoantena eo amin'ny tanora sy izay mety ho antony hanaovana izany. Tamin'ny alalan'ny fihetsiky ny vatana sy ny tava maneho hevitra no tena nandefasany ny hafatra, handravana ny elanelanan'ny tsy fifankahazoana fitenenana ka nataony izay hahazoan'ny rehetra ny lahatsary fohy novokariny.