Mpandika Jentilisa
· 3:58 pm
· Brazil

Raha mankalaza ny andron'ny vahoaka indizeny izao tontolo izao amin'ity andron'ny Vahoaka indizeny ity, dia mananontanona kosa ny ady antrano noho ny adintany mitranga any Brezila.
0 hevitra · Tohiny »
“Araka ny nolazain'ny vaovao tamin'ny radio dia ‘vokatry ny fifamaliana an-tokantrano' no nahatonga ny fahafatesan'ilay namako Bloneva Bethel. Nahoana moa io no ‘tsy fahafatesana tsy tokony ho nitranga vokatry ny tsy fahatongavan'ny polisy ara-potoana namaliana ny antso vonjeo tonga tany aminy?'” Weblog Bahamas no misarika ny saina amin'ity raharahan'herisetra mpitranga any an-tokantrano ity.
#
Mpandika Jentilisa
· 9:09 pm
· Barbados · Jamaica · St. Vincent & the Grenadines · Trinidad & Tobago

Androany no antsoina hoe Androm-panafahana any amin'ny zarantany Indiana Andrefana (tsy Karana) - andro fankalazana ny fiafaran'ny fanandevozana, rehefa nambaran'ny lalàna fa olon'afaka amin'izay ny andevo rehetra. 170 taona aty aoriana, vitsy ny mpamaham-bolongana karaibeana nanome voninahitra ny Ntaolony, izay nanao sorona ny tenany hananan'izy ireo ny fahafahany ankehitriny...
0 hevitra · Tohiny »
Ho tohin'ny ahiahin'ny maro manodidina ilay fahafatesana tsy dia mazava loatra nanjo an'i l'Akobi Tacuma Maloney, Barbados Free Press no nilaza fa: “Sehon'aretina efa mikiky tsikelikely ny fototry ny fiarahamonina mihitsy no nahatonga ny fahafatesan'i I’Akobi - aretin'ny kolikoly zary efa latsa-paka ao anatin'ny kolontsaintsika.”
#
“Liana dia liana amin'ny fizotry ny fifidianana Amerikana i Chris ao amin'ny Dominica Weekly , ary mitarika azyizany hitodika amin'ny toetoetran'ny politika ao an-tanindrazany: “Angamba ny zavatra mahomby indrindra azontsika atao dia ny milaza ny marina amin'ny manampahefana, midradradradra izay ilaintsika, mitaky ny zo sasantsasany, tahaka ny fitsaboana, fahampiantsakafo, ary fialofana ho an'ny rehetra.”
#
Maro ny bolongana no nitatitra fa nandao ny toerana mahaminisitry ny kolontsaina azy, deparitemanta nentiny hatrmin'ny 2003, i Gilberto Gil . Mieritreritra ny hanao laharam-pahamehana ny asa mahampihira azy indray izy.
#
Living Guyana no mitatitra fa mikasa ny handrara ny filazana na fampielezana ny fanameloha aho faty ny Filoha Goianey satria “ratsy loatra ny mandre azy ka manao izay mampalahelo ny olona ihany koa”, Tonga moa dia nanamarika i MediaCritic hoe: “Tsy mbola hita mihitsy izay paikady mazava entina miady amin'ny fitombon'ny fanaovan-keloka eto Goiana.” GT…Keep It Real indray manapololotra ny : “Fa hampakatra ny fari-piainan'ny ANTITRA ve ny Presi sa haninona eee?”
#
Mpandika Jentilisa
· 8:33 pm
· Australia · China · Colombia · Netherlands · Panama

Taorian'ny fanavotana ireo olona be mpahalala 15 azo takalon'aina teo ampelatanan'i FARC tamin'ny 2 jolay, dia nanapa-kevitra indray ny fikambanana izay efa nanao diabe nanoherana ny Vondrotafika revolisionera Kolombiana(FARC) tamin'ny 14 feboroary fa tokony hisy indray izany ny 20 jolay, androm-pahaleovantena nisitahana tamin'i Esipaina. Ny lahatsary sy ny sary no maneho ny fomba nankalazana ny fahaleovantena sy ny fanafahana avy amin'ny vazantany efatra, sy izay mifangarika amin'ny dikan'ny teny hoe firenena sy fahafahana.
0 hevitra · Tohiny »
Chernobyl and Eastern Europe no nanoratra fa “Mpampianatra 3 avy any Texas sy mpianatra Irakiana 27 no manao fanazarantena amin'ny fomba fanadiovana manala sisantaratra mampididoza” nandritra ny volana jona lasa teo tany Pripyat (Ukraine): “Eny, zavatra mahaliana azo atao amin'i Pripyat - ny fanazarana ny Irakiana ny tekinikam-panadiovana ny tanàna izay tsy vitan'ny mpitondra tanteraka nandritra ny 23 taona lasa izao. Fa raha tsy izany, efa hitan'ny Irakiana aloha hoe ahoana moa no mety hahazo ny tanànany aoriana kely ao [raha tsy ampy ny fitandremana].”
#
Navoakan'i Walter Valdevino tao amin'ny Nova Corja [pt] ny sarim-pihetsiketseham-panoherana hafakely tao Barezila, raha nizotra ho eny afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro tsy misy tatinono ity vehivavy aritista 28 taona iray. “Silipo kely ihany no mba fitafiana nentiny, nandeha 15 metatra nisikina ny sainam-pirenena Bareziliana hanakona ny fitombenany ity mpirotsaka hifaninana ho Miss Flamengo ity ary nandray fiarakaretsaka avy eo, ka nampihoraka hakiviana ny kaofiboay teo akaiky teo”. Ho fanoherana ny hanohanana, tsy rariny ary ny fampanantenana poakaty ataon'ny mpanao politika no nanaovany izany.
#
Arzantina:Nolavin'ny loholona ny fampiakarana ny haba amin'ny fanondra...
-
Tena tsy haiko ilay teny fa dia misaotra an'i Luis na izany aza. ...
-
Muy bueno tu sitio, cuando estes muuuuy aburrido pasate por el mi...
Tohiny »