amin´ny teny malagasy » Mexico

Herinandron'ny moana marenina: Mangetaheta fanabeazana mamirapiratra
Amin'ny fizarana faharoa amin'ity lahatsoratra mikasika ny herinandron'ny moana marenina ity (eto ny fizarana voalohany), dia entinay any amin'ny tontolon'ny fanabeazana ny moana marenina ianareo, sy ny fanamby isan-karazany tsy maintsy atrehiny. Voalohany ny any amin'ny Repobilika afovoan'ny Afrika misy sekoly iray misokatra noho ny fitiavana madiodio rehefa nitsahatra ny fanampiana. Ny faharoa dia avy any  Philippines, namorona sy namokatra lahatsary maneho ny tolona iainan'ny maro amin'izy ireo ny moana marenina rehefa vita ny fianarany. Any Venezoelà indray ahitana ny fanazavan'ny mpampianatra ny hasarobidin'ny fananana fiteny roa sy fomba fanabeazana ara-kolontsaina roa. Ary ny farany dia avandravandran'ny lahatsary ny fahasamihafan'ny tenin-tanana avy amin'ny firenena roa.

Ny lahatsary voalohany dia avy any amin'ny repobilikan'ny Afrika afovoany, izay mamboraka ny fahasahiranana atrehin'ny sekoly tokana ho an'ny marenina ao: Eo ambany fifehezan'ny mpampianatra  roa monja miasa ampitiavana manokana ryzareo hatramin'ny nahatapahan'ny karaman'izy ireo efa efa-taona izay, ary tena mila boky sy fanampiana (sakafo?) tokoa. Amin'ny tenin-tanana sy arahina soratra teny anglisy moa io lahatsary io (jereo hatrany ny lahatsoratra nadika rehefa toy itony ka tsy eto ilay lahatsary).

Fikambanana tsy mitady tombotsoa ny ekipan'ny “Fiaraha-miasam-pampandrosoana sy mitsinjo ny mahaolona eto amin'ny Repobilikan'ny Afrika afovoany” namokatra sy namoaka ity lahatsary ity. Avoitran'ny ao amin'ny bolongany moa fa ny ilainy araka ny tenin'ny lehibeny dia: karama, fitaovana, fiofanan'ny mpampianatra, fanalan'andro, fanorenana sekoly hafa ho an'ny marenina sy fianarana arakasa ho an'ny mpianatra efa lehibe. Azonao jerena eto moa ny ahafahanao mifandray amin'ny fikambanana raha te-hanampy  ny sekoly ianao.

Avy any Philippines kosa dia manazatra ny mpianany hampiasa ny solosaina ny Sekoly Kristiana eto Manila manofana  ny moana hampiasa solosaina mba hiomanan'izy ireo amin'ny tsenan'ny asa araka izay azo atao, na dia hita amin'ity lahatsary ity aza fa mety ho kivy noho ny tsy fisian'ny asa ry zareo raha vaomahavita fianarana. Amin'ny tenin-tanana Filipiana miaraka amin'ny soratra teny anglisy moa ny lahatsary:

Manana fandaharam-pianarana manokana ho an'ny moana marenina kosa i Venezoelà, ary amin'ny alalan'ny lahatsary no hanazavan'ny mpandraharahan'ny sekoly ny fanatonany ireo ankizy marenina manana olana eo amin'ny fahazoan-kevitra ao anatin'ny lazainy ho tontolon'ny fiteny roa. Eo dia ampianarina amin'ny hetsiky ny tanana, fiteny voalohany, ny mpianatra sy amin'ny fiteny Esipaniolona no fiteniny faharoa izay ahafahan'izy ireo miditra tsaratsara kokoa anatin'ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny. Manazava moa ny mpampianatra iray fa tsy heveriny ho fahadisoana loatra raha toa misy manao diso teny enti-milaza rehefa manao entimody, fa araraotina kosa ireny hanazavana amin'ny mpianatra fa mampiasa enti-milaza hafa ny olona mandre ka tokony ianarana ny fampitan-dresaka rehefa mifanerasera amin'ny hafa. Amin'ny tenin-tanana Venezoelana sy esipaniolona moa ny lahatsary.

Ary farany,  lahatsary fohy avy amin'ny gruposenaslibres any Meksika: Miaraka etoana sipa Meksikana sy dandy Aotirisiana samy manao ny alifabetany, ny fanisana ary ny volanamandritra ny taona amin'nyalalan'ny hetsiky ny tanana.

SIDA 2008: Ny ahiahy sy ny fanantenan'ny MSM sy ny manao anton'asa ny fananahana Afirikana
Nifarana tamin'ny 8 aogositra 2008 teo ny fihaonana momba ny SIDA 2008 (IAC) notontosaina tao Mexico.  “Universal action now” na asa iarahan'ny rehetra manerantany atao izao no lohahevitra nobanjinin'ny fihaonana ary raha heverina ny fanatrehan'ny avy amin'ny vazantany efatra, ny fifantohana tamin'ireo vondron'olona nailakilaka ary ny fivoahan'ny gazety isan'andro natsaoina hoe “Global Voice”, dia tratra ny tanjona. Indro ary ny fijoroana vavolombelona avy amin'ny mpandray anjara Afirikana nandray anjara tao amin'ny fihaonana, ny fomba fijeriny nandritra ny 6 andro nisian'ny vovonana ary ny lohahevitra tiany hobanjinina amin'ny manaraka.

Naneho ny hafaliany noho ny fahitany ny ezaka ataon'ny mpikarakara ny hetsika ho fanohanana ireo vondron'olona voailakilaka (makorelina, pelaka, ary ny vahoaka indizeny)[miala tsiny ny mpandika teny raha mivantana toy izany ny dika satria efa mahalaza azy ireo teny ireo na dia ezahina fatratra aza ny hanamboaramboarana ny teny “hahamasina” ny fanaony] ny Dr. Nabulo Mabaso, tale lehiben'ny fiandraiketana ny fahasalamana ao amin'ny AIDS Healthcare Foundation toeram-pitsaboana ny SIDA antsoina hoe “Fanantenan'ny Vahoaka” ao  Ithembalabantu any Durban. Na izany aza dia nohazavainy fa tokony itarina amin'ireo vondron'olona hafa voailakilaka ny banjina ary maninona moa raha hatramin'ny firenena mitoka-monina ankehitriny mihitsy aza:

“There is still limited access to treatment. For example, my neighboring country, Zimbabwe, it might be politically unstable, but there are people on the ground who are suffering and because of sanctions that are being imposed funders are not going to Zimbabwe. At the end of the day, it's the lives of individuals and I hope the theme of universal access is really put into practice”.

Mbola voafetra ihany ny fahazoana mitsabo. Ohatra amin'izany ny firenena mifanolo-bodirindrina amiko, dia i Zimbaboe, izay tsy mitombina ara-politika, saingy mijaly kosa ny mponina ao aminy ary noho ny  sazy mihatra aminy dia tsy hankany Zimbamboe ny  mpamatsy vola. Antenaiko moa fa amin'ny farany dia hampiharina tokoa ny  fahazoan'ny rehetra tsy anavahana mitsabo tena.

Monina any Bujumbura i George Kanuma ary mpikatroka ao amin'ny fikambanana miorina any Firantsa antsoina hoe Africa Gay sady mpikambana ihany koa ao amin'ny ANSS (Fikambanan'ireo mitondra ny  tsimok'aretina VIH sy mararin'ny SIDA ao Burundi). Faly amin'ny nampivoitra ny lohahevitra momba ny  MSM (Men having Sex with Men na lehilahy miray amin'ny lehilahy) sy ireo manao manao ho anton'asa ny fananahany tamin'ny fihaonana izy (fr) [dia lazao foana fa ny teny gasy hatrany no lava mandreraka]:

Na izany aza dia nohazavainy fa mbola matanjaka dia matanjaka ny fanavakavahana any amin'ny Firenena Afirikana miteny Firantsay, hoy ny fanazavany hoe (fr):

“Il y a certain pays comme le Cameroun ou le Sénégal qui criminalise encore l’homosexualité [..] Il y a des cas aussi comme au Ruanda, la présidente de l’association gay et lesbienne au Ruanda ne peut toujours pas quitté son pays, parce que la police de l’immigration a pris son passeport.”

Misy ny firenena tahaka an'i Kamerona sy Senegaly no mbola mametraka ny homosexualité (mahapelaka) ho heloka bevava. [..] Misy ary moa ny tranga toy ny any Rwanda tsy afa-nivoaka ny firenena nisy azy ny filohan'ny pelaka lahy sy vavy satria notazonin'ny polisy misahana ny fifindra-monina ny pasipaorony.

Iray amin'ireo nahazo ny lokan'ny fehimenan'ny ONUSIDA 2008 ny Tetikasa Fimizore eto Madagasikara. Balou, iray amin'ireo sarimbavy “tena izy” sady manao ho anton'asa “ny fananahany” (aiza kosa?) sy  i Jeannie mpiara-miasa aminy dia samy mpikambana ao amin'ny tetikasa ary samy nilaza ny ahiahiny sy ny fanantenany amin'ity fihaonana ity. Tahaka an'i Kanuma, dia navoitran'izy ireo ny tokony hamaranana hatreo ny fanilikilihana ny manasokajy ny fananahany ho fanaovana anton'asa raha tiantsika tokoa ny hiady amin'ny VIH/SIDA (mg):

“Ny fanilikilihana indrindra no manakana ny MSM sy ny TDS hikarakara ny fahasalamany […] Io moa dia eo ihany ny fomba-drazana antsika malagasy, raha ohatra hoe msm dia tsy tafiditra am-pasan-drazana. Raha amin’ny autorites dia mahafa-po fa raha amin’ny societe civile, mbola mila fivoarana.”

Farany, tsy vokatry ny tsy fahazakan'ny fiarahamonina ny fisiany sy ny fandaharanasa politika ihany ny fisian'ny vondron'olona voailikilika hiady amin'ny VIH/SIDA. Ao ihany koa ny fahasarotam-piainana sy ny halavirantany. Ao amin'ity lahatsary The Hub ity, ny Dr. Phillip Njemanze, any amin'ny fanjakana Imo, Nigeria, no manazava ny tolona atrehin'ny olona mitondra ny otrikaretina VIH any ambanivohitra mba hampaherezana ny hery fiarovana ao aminy:

“In rural areas in Imo State, CD4 testing is non-existent. This means for 3.5 million people you have only two centers that can measure CD4 count in the whole state [..] The most important thing would be, to be able to move around with the test and go where the patients are.”

Tsy misy fitsapana CD4 any ambanivohitry ny fanjakana Imo. Ny dikan'izany dia roa ihany ny ivotoerana ahafahana mandrefy ny CD4 ho an'ny fanjakana iray manontolo misy mponina 3 500 000. [..] Ny zavadehibe tokony atao dia ny fahafahana mivezivezy hanaovana fizahana sy mandeha any amin'ny misy ny marary.

Meksikô : fitarainan'ny mponina amin'ny fampiasana ny taniny any Copala
Any Copala [en], tanana atsimon'i Acapulco ao amin'ny faritanin'i Guerrero any Mexico no nakana ity horonan-tsary ity, miampanga ny nangalan'ny ben'ny tanana [President of Municipal] Gonzalo Gallardo Garcia, mpikambana ao amin'ny antoko Green Ecological [es] ny tanin'i Isabel Pisa sy Fabiola Abarca. Valan-java-boaary natao hiompiana voay moa no nolazaina hoe hampiasana ny tany, saingy hita amin'ny sary nasehon'i Isabel Pisa, izay ramatoa manano-tena ary manan-janaka efatra, fa trano fisakafoanana sy toeram-pilomanosana no naorina ao an-toerana. Io ambany io ny horonan-tsary napetraky Denuncia Copala ao amin'ny Youtube, ary nampaina ny fanazavana an-tsoratra tao amin'ny Overstream. Nanahirana ahy ny nahazo ny lazain-dRamatoa Isabel eo amin'ny minitra voalohany : raha misy manana soso-kevitra dia mametra hevitra mba hahafahako manitsy azy.

<object><embed src="http://www.overstream.net/swf/player/oplx?oid=aya9rltru9lp&noplay=1" type="application/x-shockwave-flash" width="352" height="340" allowFullScreen="true"></embed></object>

Mipariaka toy ny alondrano ireo lahatsary mikasika ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano
Rano tony [Zen Water] sary nindramina tany amin'i darkpatator

Nanomboka tamin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana mikasika ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana izay notanterahina tany Rio-de-Janeiro tamin'ny taona 1992, dia tapaka fa hankalazaina isan-taona, isaky ny faha-22 Martsa ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano [World Water Day | Journée Mondiale de l’eau]. Ho fanampin'izany, ankalazaina mandritra ity taona ity ny taona Iraisam-Pirenena ho fanentanana amin’ny fampiasana toeram-pivoahana sy fidiovana manara-penitra [International Year of Sanitation | Année Internationale pour l'assainissement] ary vahoaka marobe no indray nanao hetsika sy nandika lahatsary hitantarana izany, mba hanaitra ny rehetra amin'ny maha-sarobidy ny rano izay mety lany koa.

Voalohany indrindra, ny lohahevitra mikasika ny tolotra rano madio fisotro : dia misy ny Amman Imman: Tetikasa Aina ny Rano [Water is Life program] izay mifantoka amin'ny fampitaovana tolotra rano madio fisotro maharitra ny faritra isan'izay tena hay indrindra eran-tany. Any amin'ny faritra Andrefan'i Afrika, any amin'ny faritry ny lohasahan'i Azawak no ifantohan'ny asan-dry zareo, maharitra 9 volana isan-taona ny tsy fisian'ny rano any, any dia matin'ny hetaheta nohon'ny tsy fisian'ny rano ny mponina. Amin'ny lahatsary [Anglisy] io ambany io, Ramatoa Ariane Kirtley izay mpamorona ny fikambanana Amman Imman dia mitantara momba izy traik'efany any Azawak any amin'ny faritry Niger, ny antony nananganany ity fikambanana ity sy izay fomba nitarihany ireo mpianatra hanohana ny tetikasany.

<object><embed src="http://www.youtube.com/v/-ngVd1AUS4A&hl=en" type="application/x-shockwave-flash" wmode="transparent" height="355" width="425"></embed></object>

Avy eo, Witnesses ´The HUB [Ivon'ireo Vavolombelona] izay manana sampana manokana mifantoka amin'ny fankalazana ny  Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano : Mpanao lahatsary antsitra-po [VideoVolunteers] any Mumbai dia ahitana izay fiantefan'ny fandinihan'ny mpiara-monina ao amin'ny “bidonville” iray izay tetikasa hametrahana ny tolotra rano hoan'ny orinasa mahaleotena [izany hoe tsy am-panjakana intsony] izay nanana fiantraikany tokoa tamin'ireto mpijery  izay niara-nanao rodobe tany amin'ny fivoriana momba ny rano izay nokarakarain'ny mpitondra fanjakana sy nitaky ny fitantanana mangalahala momba ny fifidianana izay ho orinasasy izay ho vidiny, fanatsarana ny tolotra rano no vokatr'izany. Ity lahatsary iray manaraka ity dia amin'ny teny Hindi izay miampy dikasoratra mivantana amin'ny teny Anglisy.

<object><embed src="http://www.youtube.com/v/oZDjwFWD4js&hl=en" type="application/x-shockwave-flash" wmode="transparent" height="355" width="425"></embed></object>

Avy any Meksikô ny lahatsary farany, mpanjifa maro avy any Jalisco no nanapariaka lahatsary izay mitory ny fandotoana ny renirano Lerma Santiago any El Salto sy Juanacatlan any amin'ny faritany Jalisco, Meksikô. Ny lahateny izay manazava ny lahatsarin'i Buitron2611 [Espagnôla] ahitana rano mirongotra rôtra maitso lokom-paty dia olona mitantara ampahibemaso mikasika ny fanjakana izay mivarotra tany amoron'io renirano voaloto io izay efa niteraka homamiadana hoan'ny olona sasany, na dia mandà mafy ny fisian'izay loza aza ny fanjakana. Ny lahatsarin'i Imdecagua [Espagnôla] dia tafatafa nifanaovana tamin'ny marary voan'ny homamiadana sy ny fianakavian'ireo izay matin'izany aretina izany, izy ireo dia samy miampanga daholo ny rano voaloton'ny renirano ho fototr'aretina homamiadana sy aretina hafa sedrainy. Iaraha-mahalala fa ireo orinasa any amin'io tanana'i Guadalajara dia mamalana ireo rano avy nampiasainy avy hatrany fa tsy misy fitsihifana sy fandiovana mialoha, any amin'ny renirano, mandrak'androany dia tsy mbola nisy hetsika natao hanarenana sy hanatsarana izany toe-javatra izany. Tena mahatsikaiky tokoa raha ny hatevin'ny rôtra izay nateraky ny “chutte d'eau” [waterfall] izay eo ampovoan-tanana, entin'ny rivotra ary dia mandrakotra ireo fiarakodia ary mampahatsiahy izay mety ho loza ara-pahasalamana amin'ny fipetrahana amoron-drenirano. Na dia ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa aza [Espagnôla] dia namboatra lahatsary manokana hitantarany izay fomba ampiasan'ny mponina ity rano voaloto sady maimbo hanondrahana tanimboly sy hikarakarana sakafo. Arahin'ny lahatsary fohy napariaky aletapatio [Espagnôla] ahitana ny rôtra matevina izay mandrakotra ny renirano.

<object><embed src="http://www.youtube.com/v/mYUoEqWzqJw&hl=en" type="application/x-shockwave-flash" wmode="transparent" height="355" width="425"></embed></object>

Raha maniry ny hahalala bebe kokoa momba ny rano sy hahita lahatsary manazava izay fomba mety hiarovana azy ianareo dia vangio ny vohikala 1h2o.org any no hahitanao ny fitarihan-drano, fiara hetsehin'ny herin'olombelona izay sady mitahiry no mitsihika sy manadio rano sy ny Lifestraw, izay fitaovana mandio ny rano eo am-pitsetsefana azy, vahaolana izay mampahatsiahy ahy ny hatsilon'ny sain'ny mpamorona izay tsikaritro teo aloha tany amin'ny Playpump, kilalao izay mampiasa ny hery ilalaovan'ny ankizy mba hampiakarana rano any amin'ny fitehirizana azy [avy any amin'ny vovo].

Meksika: hivory ny mpampiasa Twitter
Twittmx [es] no anarana iantsoana ny fivoriana voalohany hotanterahin'ny “Twitteros” na mpampiasa Twitter any Meksika. Ny faniriana moa dia ny hanatanterahana ny fivoriana ho isam-bolana.

Meksika: nakatona ny bar ela niasana indrindra
Nanakatom-baravarana vao tsy ela izay ny trano fisotroana “rano mafana” na zava-pisotro mahamamo ela niainana indrindra eto Meksika ary mety ho manerana an'i Amerika latinina aza hoy Philippe Seaz ao amin'ny Defecito [es] nanoratra

Meksikô : Fampivadiana hai-tao-trano sy ny fampihenam-bidy ho fanarenana ny rava any Tabaskô
Ny mpiblaogy HJ Barranza dia mamovoafy ao amin'ny blaoginy Neverwonderland izay fomba hampivadiana ireo traikefan'ny hai-tao-trano sy izay fomba hampihenam-bidy ny fanorenana mba hanampiana ny fanarenana ilay tanàna ravan'ny tondra-drano any Tabaskô, Meskikô :

« While i can’t assure that it will be possible to lower the cost to a tenth of its current costs, i can assure than open architecture market reorganisation can leverage tabasco’s reconstruction.  »

« Na dia tsy afaka manome toky aza aho fa hampihena ny vidiny amin'ny ampahafolon'ny vidiny ankehitriny izany, mino aho fa ny fanavaozana ny fomba fitrandrahana ny tsenan'ny hai-tao-trano dia hanalaky kokoa ny fanarenana ny tanànan'i Tabaskô [ravan'ny tondra-drano]. »

Eduardo Avila

Meksikô : Nilàna fiarovana ny sary vongan'i Christophe Colomb
Ankalazaina isaky ny faha-12 Oktobra any Amerika [USA] ny Columbus Day izay andro fankalazana ny fahatsiarovana ny nandiavan'i Christophe Colomb ny kôntinanta Amerikana voalohany, any amin'ny ankamaroan'ireo firenena any Amerika Atsimo [na Amerika Latina] kosa dia andro fisaonana ny Día de la Raza na andron'ny fandripahana [FANAMARIHANA: amam-tapitrisany ireo « mena hoditra » maty, maro koa ireo foko ripaka, taorian'ny fanjanahan'ny Erôpeana ny Amerika Atsimo], ny mpiblaogy Juan Carlos Romero Puga izay miblaogy ao amin'ny Vivir Mexico dia mampiseho an-tsary ny fomba izay niarovan'ny manam-pahefana ny sary vongan'i Christophe Colomb any Meksikô [Mexico] tsy ho lasibatry ny hatezeran'ny mpilahatra any an-toerana [Espagnôla].

Eduardo Avila

Ireo Hevitra niposaka nanerana izao tontolo izao tamin'ny famoahana ny fanambaran'ny firenena mikambana ny zon'ny vahoaka indizeny.
Ny vahoaka Indizeny, miisa 370.000.000 manerantany, no mora andairam-pahavoazana sy voatositosiky

ny hafa indrindra.[Raha ny eto Madagasikara no resahina dia tafiditra ao anatin’ity sokajy ity ny Mikea any atsimo andrefana ary raha ny heverina ho malaza indrindra indray aty Afrika atsimon’I Sahara no resahina dia ny Bushmen no tafiditra]. 22 taona mahery no nifampitadiavana sy niadian-kevitra vao neken’ny Firenena mikambana tamin’ity volana ity ny Fanambarana ny Zon’ny vahoaka Indizeny. Fifanarahana mazava, tsy manankery ho lalàna maneran-tany avy hatrany, miorina amin’ny Zo afa-mitandro ny kolontsaina manokana, ho afaka mizaka tena ary afa-miaro ny harena voajanahary eo aminy.

Namelona adi-hevitra teo amin’ny mpibilaogy manerantany ankehitriny ny toerana misy ny vahoaka Indizeny, ny lanja sy ny fetran’ny Fanambarana ary ny fanamelohana henjana ireo firenena efatra nitsipaka azy: Canada, Etazonia, Aostralia ary Neo Zealandy.

Nosoratan’I K ny hevi-dahibe navoitran’ny Fanambarana:

la Declaración consta de 46 artículos y establece parámetros mínimos de respeto a los derechos de los pueblos indígenas, que incluyen propiedad de la tierra, acceso a los recursos naturales de los territorios donde se asientan, respeto y preservación de sus tradiciones y autodeterminación…El texto también hace hincapié en la importancia de la educación bilingüe y alude a la implementación de medidas especiales para asegurar el mejoramiento continuo de las condiciones económicas y sociales de los ancianos, mujeres y menores, en particular. La Declaración no es jurídicamente vinculante, pero representa un instrumento dinámico en las normas internacionales, que ayudaría a proteger a los indígenas contra la discriminación y marginación.

Nametraka ny fenitra kely indrindra hanajana ny zon’ny vahoaka indizeny ny andininy miisa 46 ao amin’ny Fanambarana. Tafiditra ao anatin’izany ny Zon’ny vahoaka indizeny hizaka ny tany, ny fahafaha-maka ny harena voajanahary eo amin’ny toerana onenan’ireo vahoaka ireo, ny fanajana sy ny fitandroana ny fomba amam-panaony ary ny fahaleovantenan’izy ireo…Avoitran’ny lahatsoratra ao ihany koa ny mahazava-dehibe ny fianarana teny roa ary avela ihany koa ny tsirairay ho afa-manampy fepetra manokana hiarovana ny beantitra sy ny zaza amam-behivavy. Tsy mipetraka hanankery ny Fanambarana, fa ho fitaovam-piasana nanampy ny fiarovana ny vahoaka hafavolokoditra tsy hiharan’ny fanavakavahana sy ny fanositosehana an-tsisiny kosa.

Hoy Democracia Multicultural mikasika ny manjo ny vahoaka hafavolokoditra manerantany :

Democracia Multicultural:

Los pueblos indígenas afirman que sus tierras y territorios están siendo amenazados por la minería, tala, contaminación ambiental, proyectos de privatización y desarrollo, las designaciones de tierras como áreas protegidas o reservas y el uso de semillas genéticamente modificadas, entre otros.

Milaza ny vahoaka hafavolokoditra fa tandindomin’ny fitrandrahana, ny fikapana hazo, ny fahalotoan’ny tontolo iainana, ny fanorenana goavana, ny fanakilasiana ny faritra ho voatokana na voaaro tsy ho azo onenan’olombelona ary ny fanandramana ambioka novana votoaty  (OGM) ny tany ipetrahan’izy ireo ankoatra izay mety ho tranga hafa tsy voatanisa.

Kenya Environmental & Political News Weblog dia nanoratra fa ao Kenya dia miatrika olam-pandroahana sy fandavana ny zony ho afa-mipetraka amin’ny ala ho fonenan-drazany mandrakariva ny Maasai sy ny Ogiekrg.

Ever since colonial times, most of what used to be Maasai land has been taken over, for private farms and ranches, for government projects or for wildlife parks. Mostly they retain only the most arid and least fertile areas. The stress this causes to their herds has often been aggravated by attempts made by government of Kenya and Tanzania to ‘develop’ the Maasai.

Similarly, since colonial times, there have been persistent attempts to evict the Ogiek from their ancestral forest, usually on the pretext that they are degrading it. But when the Ogiek are removed, their forest is not protected but rather exploited by logging and tea plantations - some owned by government officials. In some parts of the Mau forest, groups of Ogiek are now resisting eviction, while in others they face influxes of settlers onto their land. The most serious threat currently facing them all comes from the government’s plan to open up around one tenth of Kenya’s forests - most of it in the Mau forest - to outsiders.

Hatramin’ny andron’ny fanjanahan-tany no nalaina hanorenana tobim-pambolena na fiompiana goavana ho ana olo-tsotra ary novolavolaina ho valan-java-boahary ny tany onenan’ny Maasai. Tahaka izany koa, roadrohina hiala amin’ny tanindrazany ihany koa ny Ogiek, satria lazaina fa mpanimbanimba fotsiny. Nefa raha vao nesorina ny Ogiek dia tsy misy fiarovana ny ala nonenany akory fa fitrandrahan-kazo goavana sy fambolena dite ho ana mpikambana ao amin’ny governemanta no misolo azy ireo. Ankehitriny, misy tsy manaiky hiala amin’ny misy azy intsony ny Mau sasany, anatin’ny fokonolona Ogiek, raha miatrika ny fidiran’ny Voanjo eo amin’ny taniny kosa ny Mau hafa. Ny mahatonga izany toe-javatra izany dia niainga avy amin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanokatra ampahafolon’ny ala any Keny ka mamela ny vahiny honina any nefa ireo faritra nosokafana ireo dia alan’ny Mau ny ankamaroany.

Nitatitra ny filazan’ny fiaraha-monim-pirenena momba ny manjo ny vahoaka indizeny hafa manerana an’i Afrika koa ny Censored News :

au moment ou des milliers de Batwa dans la région des grands lacs sont affectés par des guerres dont ils ne connaissent pas les raisons, des familles de San sont expropries de leur terre par des fermiers et des parks nationaux. Les forets qui constituent les ressources de survie des autochtones (Baka, Bageli, Batwa, endoroi, Massai, Ogiek, M’barabek …etc.) d’Afrique centrale et de l’Est sont détruites, le peuple touareg entre l’Afrique du Nord et de l’Ouest est pris dans le feu d’un conflit d’intérêt d’exploitation de ressources naturelles et géopolitiques des Etats

Amin’izao fotoana izao dia iharan’ny ady tsy mikasika azy akory ny Batwa anarivony monina any amin’ny faritry ny Farihimaro Lehibe, endahina amin’ny taniny noho ny mpiompy sy ny fananganana valan-javaboarim-pirenena ny fokonolona San. Rava ny ala hany loharanom-piveloman’ny Baka, Bageli, Batwa, endoroi, Massai, Ogiek, M’barabek sy ny hafa. Voatemitry ny ady tombotsoa amin’ny fitrandrahana harena voajanahary sy ny teti-panoron’ny firenena samihafa kosa ny Touareg any Afrika andrefana sy avaratra.

Hitany tao amin’ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena ka nosoratan’i Pepitoritas fa any Amerika Latina, miaina anatin’ny fahantrana lalina ny 75-90%n’ny vahoaka indizeny no sady mora mora andairan’ny aretina noho hafanana ary mora tratry ny voina amin’ny loza voajanahary.

Nanao « Tsia » ny firenena voanjo

Azo lazaina ho fotoan-dehibe hanamarika ny tantaran’ny vahoaka indizeny ny fahalanian’ny Fanambarana, fa betsaka ny mpibilaogy no nanakiana dia nanakiana ny fitsipahan’ny “firenena voanjo” azy dia I Canada, I Etazonia, I Aostralia ary I Neo Zealandy.

Na dia tsy manankery ho lalàna avy hatrany aza, dia voamarika fa misy fifanoheran-kevitra ihany ny votoaty sasany ao anatin’ny taratasy. Nahita manko Democracia Multicultural (es) fa tsy tokony alaina mihitsy ny tanin’ny vahoaka indizeny“sin el consentimiento libre, previo e informado de los pueblos indígenas interesados, ni sin un acuerdo previo sobre una indemnización justa y equitativa”[ raha tsy efa misy fifanekena tsy antery, filazana mialoha ny vahoaka indizeny tratran’ny fakana ny tany, raha tsy efa misy fifanarahana mazava ny fomba hanonerana araka ny tokony ho izy] ny tanin’ny vahoaka indizeny ary amin’ny lafiny ilany indray dia voasoratra fa onerana na soloina fotsiny ny tany nalaina [izany hoe mety tsy hifanaraka amin’ny tokombidiny ary mety tsy hisy filazana mialoha ihany koa?]

Mahatsikaritra I Wampum fa ireo firenena nitsipaka ny Fanambarana dia zanatany anglisy tany Amerika sy Pasifika atsimo taloha avokoa ary ny firenena tena nazoto nanohana kosa dia zanatany Espaniola sy Portiogey any Amerika taloha avokoa.

Nandika ny tao amin’ny the sacred sites (hitany tao amin’ny Angry Indian) kosa I The MySpace blog:

I have prayed many times that the world would recognize the rights of Indigenous Peoples. I knew that the US & Canada and of course Australia, who have done to the Aborigines what the US & Canada have done to Natives, would vote no. The big surprise to me was that Mexico, with their horrible treatment of Indigenous People there, wasn't the 5th country voting against the UN resolution for Indigenous rights. Another amazing thing to me is that even the countries who decimated the Native populations on the Caribbean Islands voted for it. The world is changing. And the US, Canada, Australia, and New Zealand had better catch up.

Efa imbetsaka aho no nivavaka mba hanekena ny zon’ny vahoaka indizeny. Efa fantatro fa hitsipaka I Etazonia, I Canada ary I Aostralia indrindra indrindra, fa toy ny nataony tamin’ny Aborizeny no nataon’I Canada sy Etazonia tamin’ny menahoditra teratany. Ny nahatalanjona ahy dia I Meksika izay tena nampahory fatratra ny vahoaka indizeny tao aminy tsy mba fahadimy tamin’ny firenena nitsipaka ny zon’ny vahoaka indizeny. Ny nahagaga ahy koa dia na ireo firenena nandripaka ny mponina teratany tao aminy toa ny nosy Karaiba dia nandrotsa-bato nanaiky ny Zon’ny vahoaka indizeny. Tena niova izao tontolo izao, tokony ho  kaopy an’izany I Etazonia, Canada, Aostralia ary I Neo Zealand.

Nampiseho ny sarim-pihetsiketsehana  nokarakarain’ny Femmes Autochtones du Quebec tao Montreal I La Tribu du Verbe ary nanoratra ny nitsipahan’I Canada ny Fanambarana:

Mais voilà que depuis l’entrée des conservateurs au pouvoir en janvier 2006, le Canada est devenu un farouche opposant à cette déclaration. Dernièrement, à quelques semaines du vote final pour l’adoption de la déclaration, le Canada, appuyé par l’Australie, la Nouvelle-Zélande, la Russie, la Colombie, la Guyane et le Surinam, a demandé de reprendre les négociations, manoeuvre qui a pour but de paralyser l’adoption de la déclaration.

Jereo fa hatramin’ny nahazoan’ny mpandala ny nentin-drazana ny fahefana tamin’ny janoary 2006 dia lasa mpanohitra mavitrika ny Fanambarana I Canada. Herinandro vitsivitsy lasa mialoha ny fifidianana farany izay dia mbola niady varotra hanao fanitsiana vitsivitsy ihany  I Canada izay namporisihan’i Neo Zealand,  Russie,  Colombie, Guyane ary i Surinam. Ny tanjona nokendrena dia ny hampihatonana ny fandaniana ny Fanambarana.

Fahadisoam-paika lalim-paka ny nitsipahan’ireo “fanjakana voanjo” efatra ny Fanambarana araka an’I The CAC Review no tsy hampihena ny lanjany na oviana na oviana:

To be seen to act against the contents of the Declaration will be equate with acting against international public opinion. What stands out is not that “the liberal democracies with the most intense engagements with indigenous issues” voted against the Declaration, as some have said, since many other countries, with larger indigenous populations, and arguably more intense engagements, voted for it. What stands out instead is how settler states are still in the process of trying to settle themselves, how much “engagement” has really been disengagement, distance, friction, and conflict, and how much wishful thinking plays a part in reigning fantasies that, one day, Europe Part 2, will be as embedded in its foreign soil as Original Europe can claim to be on its soil.

The vote against the Declaration was a serious tactical error: these four states now sorely stand out as colonial, white states, anachronistic entitites in a world where “decolonization” has become part of the international vocabulary. They have also handed the Chinas of the world a powerful argument–that they too flout the will of “the international community,” that they too do not recognize the rights of disadvantaged minorities, and that liberal democracy is really little more than kleptocracy. If accepting the Declaration could have been symbolically binding (even if not legally so), then surely rejecting the Declaration will also come at a political cost. Some of us will see to it that it does.

Midika ho fanoherana ny hevi-bahoaka maneran-tany ny fahitana izay nitsipaka ny votoatin’ny Fanambarana. Tsy amin’ny maha “demokrasia liberaly manana adidy betsaka amin’ny vahoaka indizeny” , araka ny filazan’ny sasany azy, no nanohitra ny Fanambarana satria nisy firenena misy vahoaka indizeny betsaka -ananany andraikitra ifanarahana- ao aminy  nanaiky sy nisafidy ny Fanambarana. Ireo nanohitra dia ireo firenena voanjo mbola te-hamariparitra ny tany izay tiany araka ny fitenenana hoe ny anarana tanim-boanjo ihany, Firifiry moa ny “fandraisana andraikitra” no mbola fialana andraikitra, fanalavirana, fifandirana ary fifandonana. Ary hatramin’ny oviana ny saim-pahendrena, indray andro any ka efa anatin’ny fizaram-potoana faharoa i Eoropa, no mbola hampanjaka ny revirevin’ny fifikirana an-tanin’olona tahaka ilay Eoropa taloha mbola afa-mitaky ho toy ny mbola eo amin’ny taniny hatrany?Fahadisoan-tetika mampanahy ny tsanga-tanana nanohitra ny fanambarana. Mbola mijoro ho mpanjana-tany, firenen’ny fotsy hodotra, singa diso fotoana ao anatin’izao tontolo izao efa manana ny teny hoe “decolonization” (fanomezam-pahaleovan-tena) efa lasa teny iraisam-pirenena. Lasa manome fandresen-dahatra tsy azo hozongozonina ho an’ny Shinoa, fa hay ry zareo manitsakitsaka ihany koa ny safidin’ny “fiaraha-monina iraisam-pirenena”; hay ry zareo tsy manaiky ho ara-dalàna ny zon’ny vitsy an’iasa zary voahilikilika ihany koa; ary asehon’izy ireo fa ny demokrasia liberaly dia mifanahatahaka amin’ny fanjakan’ny mpangalatra ihany. Raha singam-pamantarana mamatotra (na dia mbola tsy ara-dalàna aza) ny fanekena ny fanambarana, dia tena hovidian-dafo amin’ny sehatra politika ny fitsipahana ny fanambarana. Hahita ny fiantraikany moa ny maro amintsika.

soup is good food, blaogina mpianatra Kanadiana momba ny Hay Politika dia manoratra fa na tsy mamatotra aza ny fanambarana dia mety hampisy andraikitra ho an’ny governemanta momba ireo teratany ihany izany:

Some might point out that the declaration is non-binding. The Canadian government could have easily signed it to look good and then ignored it like we do with other declarations. I wouldn't use this excuse.

I think the Harper government knows exactly how dangerous declarations can be.

The Universal Declaration of Human Rights is/was non-binding. Now many parts of it are customary international law. It's not perfect and violations still occur, but it's there. It's a global rallying point for change and justice. And that's something.

Politicians have learned from this “mistake” of allowing non-binding seemingly harmless feel-good declarations in. It eventually causes problems. Which is why we now have four powerful countries with ongoing histories of disgusting abuses against indigenous populations having temper tantrums over the UN Declaration on the Rights of Indigenous People. Because heaven forbid we should sign onto something that would oblige us to do the right thing.

Mety hanitrikitrika ny sasany fa tsy manankery ho azy ny fanambarana. Mety ho afa-nanasonia io ny governemanta Kanadiana mba tsy ho ratsy eo imason’ny hafa nefa hody fanina avy eo tahaka ny natao tamin’ny fanambarana hafa. Tsy hanao io (fikafika f) ialan-tsiny io aho.

Mieriterritra aho fa fantatry ny governemanta Harper tsara ny loza mety ateraky ny fanambarana.

Tsy nanan-kery avy hatrany ny Fanambarana Erantany ny Zon’olombelona. Ankehitriny zary efa lalàna iraisam-pirenena ny andininy maro ao anatiny. Mbola tsy lavorary io ary mbola misy koa ny fandikan-dalàna, saingy efa mijoro izy io. Efa zava-dehibe izany.

Efa hitan’ny mpanao politika ny “fahadisoana” mamela ny fanambarana tsymanankery mody malemilemy sy manentohento tsara. Fa mety hiteraka olana izy. Izay no mahatonga ireo firenena efatra lehibe izay efa nanao tsy rariny e dia be tamin’ny vahoaka indizeny ao amin’ny tantarany somary miala-tosidra manoloana ny Fanambarana ny Zon’ny vahoaka indizeny. Satria mandrara anay ny lanitra hanasonia zavatra mety haningotra anay hanao ny zavatra ara-drariny.

Hatraiza ny fiantraikan’ny fanambarana?

Nilaza mialoha i le blog de [moi] ao Martinique fa hampikoraraika ireo mpitaky fahaleovantena indray ny Fanambarana.

Departemanta Frantsay ampitan-dranomasina I Martinique, I Frantsa izay nanohitra hatramin’ny ela ny fanambarana noho ny fifotorana amin’ny fotokevitra “Repoblika tsy azo zarazaraina tsy azo vakivakiana (zarazaraina) sy ny fndavany ny zo iraisana. Niova hevitra I France indrindra teo ambany fitarihan’I Jacques Chirac, izay nitodika manokana tamin’ny “vahoaka ntaolo”.

indigenouspeoplecongobrazza (Fr) kosa nanoratra fa na dia voapetraka ao amin’ny fanambarana aza, indrindra eo amin’ny fizarana mikasika ny tany sy ny harena voajanahary ny fisian’ny fanekena avy amin’izay hiala rehefa nampilazana mialoha, ka tokony ho fandresen’ny Pygmee ao Congo izany, “ny fahabangan’ny lalàm-pirenena mikasika ny vahoaka indizeny sy ny fahambanian’ny fari-pahaizan’ny vahoaka indizeny” no ho sakana lehibe hahalalan’izy ireo ny zony hiarony tombotsoany avy amin’ny fanambarana.

Tsikera momba ny Fanambarana

Polysocial (es)indray nanamarika fa nisy fanovana tamin’ny minitra farany ny Fanambarana, ankoatra ny fanampi-bolavola avy amina vondrona  indizeny iray, rehefa avy nidongian’ny mpanohana (nifanao andaniny sy ankilany) ny iray amin’ny fifanekena, dia nisy vondrona Afrikana sy Amerikana Latina toa an’I Perou, Guatemala ary Meksika saika hametraka fa tsy mamela na manaitaitra fihetsiketsehana hanozongozona ny fiandrianam-pirenena na hamakivaky ny firaisam-pirenena velively ny eritreritra iaingan’ny fanambarana.

Nihetsiketsika nanohitra ireo fanovana nosoratan’i Pylysocial ireo ny fikambanana maro avy ao Amerika afovoany sy atsimo, satria nino izy ireo fa “nisy fanovana nampihena ny votoatin-kevitra avy amin’ny foto-kevitra hanadala sy mametra ny fahatakarana” ny Fanambarana.

Filazan-kevitra iray ao amin’ny le blog de [moi], WK, mpamaky, dia manoratra toy izao:

il y a quelque chose qui me heurte profondément dans cette déclaration c’est que j’y trouve une sorte d’abdication à créer des sociétés multiculturelles et un encouragement à des replis identitaires. Par ailleurs, une déclaration aussi globale me paraît mal venue dans le sens ou elle est tellement vague qu’elle pourra rester lettre morte alors qu’il y a bien urgence dans certaines cas, je pense par exemple à l’Alaska où des ressources et des modes de vie sont menacées par l’avidité des compagnies pétrolières.

Ny tena nanohina ahy indrindra tamin’ity fanambarana ity dia ny fanekena hanjakan’ny fiaraha-monina marokolontsaina sy famporisihana ny olona hanavatena amin’ny mahaizy avy ny tsirairay. Ankoatra izany, tsy ao amin’ny ilako azy ny fanambarana ambangovangony  tahaka ity, manjavozavo loatra ka mety tsy hanana fiantraikany akory nefa misy ny ilana vonjy haingana amin’ny lafiny sasany toy ny Alaska fa fongorin’ny robaroban’ny orinasa mpitrandraka solitany ny fomba fiainana sy ny loharanon-karena ao.

Mamariparitra ny antsoina hoe vahoaka indizena kosa ny blaogy Japoney iray. Lava tokoa ny Fanambaran’ny Firenena mikambana mba samy hanana ny famariparitana ny isam-pirenena ary niniana hanjavozavo rahateo maodely arahina.

気になるのは、用語に関することです。宣言の英語表記ては「indigenous peoples」の諸権利に関する宣言となっていて、nationでもethnic groupでもありません。朝日も産経も記事の見出しは「先住民」ですが、本文では「先住民族」と「先住民」を併用しています。不統一で、あいまいです。

Ny mahaliana ahy dia ny fampiasana ilay teny manokana mihitsy. Amin’ny fanambarana azy amin’ny teny anglisy dia voasoratra fa mikasika ny zon’ny “indigenous people”[vahoaka indizena] ny resaka. Tsy misy fanamarihana ny teny hoe “nation”[firenena] na “ethnic group”[foko] ao. Amin’ny gazety Asahi sy Sankei ny lohateny dia ahitana soratra hoe “先住民” [senjuumin, dika tsotra “mponina taloha”], nefa ao anatin’ny lahatsoratra ataony afaka mifanolosolo tsara ny teny hoe “先住民族” [senjuuminzoku, “vahoaka indizena”] sy ny teny hoe “先住民” [senjuumin]. Tsy matotra sady manafangaro zavatra izany mampifanolosolo teny izany.

Nanoratra ilay mpibilaogy avy eo fa tsy fiaraha-monina miray volo araka izay dradraina tsy akory I Japana:

日本ではしばしば単一言語、単一民族などといわれがちですが、子細に見れば、多元的、多様な文化が伝わっていることが分かります。文化的な多元性、多様性をもっとも端的に示しているのは、民族宗教といわれる神社の祭りの多様さです。縄文の火祭りをいまに伝えるものもあれば、伊勢神宮のお膝元で東南アジアの畑作農耕文化と共通するお田植えが行われてさえいます。

Lazaina matetika eto Japana fa iray ihany ny fiteny, iray ny vahoaka, sy ny sisa, fa rehefa tena zohinao dia hita ihany ny fahamaroana sy fahasamihafana kolontsaina ekena. Manaporofo mazava izany fahasamihafana sy fahamaroan’ny kolontsaina izany indrindra ireo fihetsiketsehana lazaina fa karakaraina fivavaham-poko amin’ireny toerana manan-tantara ireny. Nandritra ny fotoam-pankalazana ny afo tao amin’ny vanim-potoana Jomon, dia mahita isika manodidina an’I Ise Shrine ny fomba fambolem-bary iraisan’ny mpamboly amin’ny faritra atsimo andrefan’I Azia.

Ary dia nanazava ny hevitry ny teny amin’ny vahoaka Ainu izay mitolona ny hanana zo ara-kolontsaina sy ny fiantraikan’ny fanambarana ho azy ireo ny mpibilaogy:

「民族」だといってしまえば、やれ「民族自決」だ、「独立」だ、ということになりかねません。日本でも、政府は、たとえばアイヌに対して、「先住民族」とは認めていません。萱野茂さんが尽力して10年前に成立した「アイヌ文化振興法」も「アイヌの人々」と表現しています。しかし、今回の採択を受けて、「アイヌ民族の尊厳確立」を目的に活動する北海道ウタリ協会はさっそく、「先住民族として認めることを要求していく」と表明しています。

Rah ampiasaina ny teny“民族” [Minzoku], Dia lasa [miaraka amin’ny] “民族自決” [minzoku jiketsu, “fahafahan’ny vahoaka manapa-kevitra ho azy”], na “独立”[dokuritsu, fahaleovan-tena (politika)]. Eto Japana, ohatra, dia lavin’ny governemanta ny teny hoe “senjuu minzoku” [ilay teny tena tokony ho dikan’ny vahoaka indizena]. Hita fa nahavita ezaka be tokoa raha izany I Kayano Shigeru, folo taona lasa izay ka niorina ny “ Lalàna hanondrotana avo ny kolontsaina Ainu”, afaka nampiasaina manko ny teny hoe “アイヌの人々” [vahoaka Ainu] .

Nefa, raha vao azon’ny Hokkaido Utari Asssociation, vondrona mitolona ho amin’ny “ Fanorenana ny fahamendrehan’ny vahoaka Ainu” [アイヌ民族の尊厳確立, “Ainu minzoku no songen kakuritsu”] jp, ity Fanambaran’ny firenena mikambana vaovao ity, dia nanambara avy hatrany ry zareo hoe: “Miangavy izahay mba ho ekena ho anisan’ny vahoaka indizeny”.

Japanese translations by Chris Salzberg.

Jennifer Brea